Mation 10, 7

1. xxx ( 03/07/2009 05:19)
Io no hafatra tiany hampitaiko!
2. xxx ( 03/07/2009 15:38)
Evanjely vaovao ve zany mation zany fa tsy hitako mitsy , tsiky de ampy a! :-D
3. tywa68 ( 03/07/2009 16:21)
fa maninn no miafina ? :lol:

ty ve ilay tianao apetraka eto ?
Matio 10, 7 :
7 Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

d ampiako hoe homany mandrakariva ny fanahinao fa tsy misy mahalala ny ampitso
4. xxx ( 04/07/2009 07:14)
ty ve ilay tianao apetraka eto ?
Matio 10, 7 :
7 Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

d ampiako hoe homany mandrakariva ny fanahinao fa tsy misy mahalala ny ampitso

Misaotra anao fa io mihintsy ilay izy, ary marina ny teninao fa hafatra no hampitaiko de zay.
5. gasynamana ( 04/07/2009 09:51)
Ny hoe: Efa akaiky dia misy hevitra roa azo tsohaina avy aminy.

Voalohany: ny hoe efa akaiky dia manambara fa ho avy tsy ho ela intsony io fanjakan'Andriamanitra io. Manambara fotoana mbola ho avy. Ilay fotoana resahana eto anefa dia tsy araka ny famarintantsika azy, fa araky ny fomba fijerin'Andriamanitra, izay mitaky faharetana sy fanantenana (esperance) ary tsy fivadihana (fidélité).

Faharoa: Ny filazana fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra dia midika koa fa efa iainantsika amin'izao izy. Ny hoe: "AKAIKY" dia manambara fa efa eo anilan'ny tena ilay zavatra resahana na ilay olona tenenina. I Jesoa naniraka ny mpianany hilaza tamin'ny olona hoe: "efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra" dia manambara fa efa eo anivon'izy ireo ny fanjakan'Andriamanitra, dia ilay fanjakan'i Jesoa, ilay Mpanjaka ny mpanjaka. Io fanjakan'Andriamanitra io koa anefa dia manondro mivantana an'i Jesoa mihitsy.

Fehiny: raha fehezina izay rehetra izay dia izao: Efa eo anivontsika ny fanjakan'Andriamanitra satria efa eo amintsika mandrakariva i Jesoa. Mbola ho avy anefa io fanjakana io satria tsy voafehin'ny fotoana Izy, izany hoe tsy misy passé ao aminy, fa izy ilay tonga eo anivontsika androany dia mbola ho avy koa. Manampy ny fanazavana kely nataoko teto moa dia ireo voalazan'i Md Paoly, sy ny evanjly momba an'ity fanjakan'ny lanitra ity.
6. rijadolly ( 06/07/2009 15:52)
Mankasitraka gasynamana a!Mazava tsara :-*
7. rzakarivola ( 07/07/2009 12:03)
Ny tsy azoko dia hoe, inona no particularitén\'io hafatra ampitainao io par rapport @ hoe, namaky baiboly aho dia nahita an\'io tao anaty Baiboly ? Na hoe, nandre toriteny na t@ radio aho na resak\'olona ? Na koa nanonofy ?
8. xxx ( 08/07/2009 05:06)
Ny tsy azoko dia hoe, inona no particularitén'io hafatra ampitainao io par rapport @ hoe, namaky baiboly aho dia nahita an'io tao anaty Baiboly ? Na hoe, nandre toriteny na t@ radio aho na resak'olona ? Na koa nanonofy ?

Tsy misy tamin'ireo visavisanao ireo mihintsy fa misy fanahy toa olona miresaka mihintsy niteny an'io hoe ampitao ny hafatro. Isaky ny mi-desiste aho de mamaly izy ary mibitsika hoe vakio ny izao de ao ny valiny. Matory aho @ alina de misy miantso ny anarako, indroa izay, mifoha aho ary manontany ny manodidina ahy nefa tsy misy miantso ahy izany. Juste mihaino toriteny aho de io koa no hafatra napetrak'i JK voalohany, koa raha ianao no eo amin'ny toerako, hampita ianao sa tsia?
9. rzakarivola ( 08/07/2009 08:55)
xxx >>> Mino aho rehefa milaza ianao fa izay no hafatra voalohany notorian\'i Jesoa Kristy. Ary hafatra nanirahaNY ny mpianaNy sady mbola anirahaNy azy ireo hatramin\'izao. Inoako fa hafatr\'i Kristy miantefa amin\'ny mpianaNy mandraka ankehitriny ireo izany.
Tsy eo amin\'ny toeranao aho ka tsy haiko, fa eo amin\'ny toeran\'ilay mpianatra izay tokony hanatanteraka ilay baiko aho, ary isaka ny mahazo iraka toy izao aho dia fanaoko ny miteny avy hatrany. Ankehitriny aho raha mahazo baiko toy izao dia tiako ny hahafantatra avy amin\'izay naniraka ahy hoe :
- rahoviana aho no hanao an\'izany ?
- ahoana no fomba hanaovako izany ?
- iza no handehanako ? Satria naniraka ny mpianaNy tsiroaroa ny Tompo matetika, dia mety mba hisy faharoa irahiNy miaraka amiko, fa misy anakiroa koa mankany @ toeran-kafa ...

Izay rahateo no anton\'ny nametrahako ireo fanontaniana tetsy aloha. Mila précision aho mba tsy hanaonao foana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887