Tsimbadika 0-0
1. Bazily
(
03/07/2009 04:50)
Mikasa ny hamahandalitra ny mpandray anjara @ assise regional ny HAT ka nitsimbadihan'dry zareo. Kobo fa efa vonona avy any ifotony ny fehinkevitra raisina fa sinema fotsiny ny fikaonandohamparitra.
http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=6915
Rah izao anie izany dia tsy fikaonan-doha fa fanasàna atidoha e! :lol:
Diana: Nasaina nameno taratasy fotsiny ny mpizaika
Nampitroatra ireo mpandray anjara tamin’ny Fikaonandoham-paritra any amin’ny faritra Diana ny famenoana fotsiny ny taratasy na «guide» efa misy ny fehin-kevitra tiana hivoaka, vita avy aty Antananarivo afakomaly. Tsy nanaiky izany ireo mpizaika satria tsy nifanaraka amin’ny hetahetan’ny olona any an-toerana sy ny fahitan’izy ireo ny zava-nisy tao anatiny. Saika rava mihitsy ny fivoriana tamin’izany. Nisy ny nivoaka ny efitrano avy hatrany ary ireo ekipa sy mpandray anjara avy amin’ny Distrikan’i Nosy Be aza efa tapa-kevitra ny hody mihitsy. Niezaka nandamina ny zava-nitranga ny mpandrindra ny fikaonandoha any an-toerana ka niravona ihany ny olana rehefa nilaza ity farany fa horaisina ny hetahetan’ireo mpizaika. Nameno ilay taratsy ihany koa ireo mpandray anjara saingy izay hevitra tsy eken’izy ireo dia tsy nofenoiny mihitsy izay nahatratra hatramin’ny 90%. Efa tao anatin’ity guide ity ny momba ny hevitra tiana hivoaka amin’ireo lohahevitra telo ka nahatsiaro ireo olona fa misy fitaka sy fanerena an-kolaka ity fikaonandoham-paritra ity.
Anosy: Nivadika resa-bola
Nivaona tamin’ny ady hevitra koa ny fivoriana omaly tao Taolagnaro. Nibahan-toerana ny toerana natorian’ny mpizaika sy ny resa-bola tambin’ny fandraisana anjara. Nangataka fanambarana ny vola nomen’ny HAT hiatrehana ity fikaonandoha ity ny mpizaika saingy tsy nisy valiny. Ny maha samihafa ny vola nomena ny Mpizaika avy tao Betroka sy Amboasary amin’ny an’i Fort-Dauphin no nataon’ny tomponandraikitra. Nilaza noho izany ny mpizaika fa tsy hanjakan’ny mangarahara ity fikaonandoham-paritra ity.
Atsimo Andrefana: Nitokona ny mpizaika
Nitokona tsy nety niditra ny trano fivoriana ny mpizaika, omaly, noho ny haratsin’ny fandraisana, sakafo, sy toerana, ny tambin-karama sns. Nijery ny olana ny Filoha Lefitry ny HAT, Ing Lahiniriako Jean saingy tsy nety niravona ny olana. Niezaka nanazava ny zava-misy tamin’ny mpanao gazety ny mpandrindra any an-toerana fa raha 100 tapitrisa ariary no tokony homen’ny fanjakana hikarakarana ny fikaonandoha any an-toerana dia 52 tapitrisa mahery no azo tamin’ny fanjakana. Voatery nanampy vola ireo tomponandraikitra vao nivaha ny olana. Anio no hivoaka ny fehin-kevitra tapaka manerana ny faritra 22.
Ny Tahiry R. /J.VCL/Haja P/Bem’s
http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=6915
Rah izao anie izany dia tsy fikaonan-doha fa fanasàna atidoha e! :lol:
novalian'i ndotofetsy ny 03/07/2009 11:54
3. Bazily
(
03/07/2009 05:04)
Tahaka ny nataon'i Dada tam filoham-pokontany sy Firaisana ve ?Ka raha nanao an'io Ravalo, naninona no notohizana nefa nampanantena fa @ tena fomba demokratika ny fanehoankevitra izao. Izao anefa mividy hevitra tsotra izao. Mpiatari-bato vilambava anie nareo ry essera e! Sa kosa hoe: ajanony fa tsisy hanaovako, nefa io no nitarihana ny olona hanohitra ny fitondrana teo aloha. Didy jadona koa anie io fa saingy mody atao ankolaka e!
4. Mirananirina
(
03/07/2009 05:54)
Mikasa ny hamahandalitra ny mpandray anjara @ assise regional ny HAT ka nitsimbadihan'dry zareo. Kobo fa efa vonona avy any ifotony ny fehinkevitra raisina fa sinema fotsiny ny fikaonandohamparitra
Efa izay sisa no azo atao fa efa manomboka tsy matoky azy intsony ny mpiray aminy.
5. Oay
(
03/07/2009 06:39)
Bazily a! Mbola averiko fa miasa be ny asan-devoly satria misy ny mpanakorontana, mino aho fa @ maha mpanao politika sa mpandalina politika an'i bazily dia ataoko angamba fantatrao tsara fa Les politiciens sont des opportunistes noho izany na dia nazava sy tsara aza ilay intention tany aloha tany dia niova ilay izy satria misy an'ilay mpanakorontana dia manararaotra ny mpangalatra, ataoko fa samy mahazo an'izany resaka izany daholo isika ary raha tena tia tanindrazana marina isika dia ny tokony atao dia izay hisorohana ny savorovoro aloha satria IO SAVOROVORO IO NO HIJUSTIFIERn'ny mpanao ratsy sy mpangalatra ny zavatra ataony!
Je réitére mon appel envers tous Malagasy patriotiques ANDAO RANGAH HIFANOMENTANANA FA RAHA IZAO NO MITOHY DIA HIHINANA NY FATINTSIKA ISIKA MIANAKAVY, manana atidoha isika ka tsy tokony hiakindoha @ olona iray!
Avelao aloha izy ho any fa rehefa milamina ny tanana dia hitantsika ny atao aminy!
Mila fanjakana tandalana isika hamerenantsika ilay soatoavina Malagasy!
Mbola averiko kosa anefa fa tsy @ fampiasan-kery no hanaovana izany satria vao maika hihitsoka any @ maizina isika mianakavy!

6. Mandefitra
(
03/07/2009 07:16)
oay o, Ilay fanirianao dia tsara, saingy efa tratra aoriana loatra.
Vao niainga TGV de fantatra ny hataony, ny nanosika azy, ny ho fihetsiny ...
Tsy dia ilay fitiavan-tanindrazana loatra no nanosika fa fankahalana olona iray.
Ary ny hetsika rehetra ataony dia manodidina zay fankahalana zay avokoa :
- assise regionale hanakanana ny filatsahan'ilay raikalahy tsy ho fidiana
- fividianana helikoptera 23 so miverina ilay raikalahy
- fampiakarana ny karaman ny miaramila satria nandray anjara mavitrika t@ fanonganana an ilay raikalahy
etc ...

7. xxx
(
03/07/2009 07:46)
Mandefitra> Tsy i Andry akory no fositra ao @ HAT fa ireto mpiara-dia aminy. Ireo manko hatramin'ny fitondran-dravalo dia efa nibribary y fankahalàny azy.
I Andry te-hanao mafy ho amin'ny tsara fa saingy tsy afa-manoatra noho ireto mpiara-mitolona.
Omeko ohatra iray ianao, tamin'izany vao nivoaka ny vola 50.000fmg na 10.000Ar . Nanontaniana ny lohandohana antoko iray momba ny heviny amin'io vola io (teto Majunga io) fa valy boraingona no azon'ilay journaliste tao @ media : Anontanio an-dRavalomanana hoy izy fa izy no nanao azy. Miharihary eo fa tsy fitivana azy ilay izy.

8. Oay
(
03/07/2009 08:10)
Mandefitra:
oay o, Ilay fanirianao dia tsara, saingy efa tratra aoriana loatra.
Vao niainga TGV de fantatra ny hataony, ny nanosika azy, ny ho fihetsiny ...
Tsy dia ilay fitiavan-tanindrazana loatra no nanosika fa fankahalana olona iray.
Ary ny hetsika rehetra ataony dia manodidina zay fankahalana zay avokoa :
- assise regionale hanakanana ny filatsahan'ilay raikalahy tsy ho fidiana
- fividianana helikoptera 23 so miverina ilay raikalahy
- fampiakarana ny karaman ny miaramila satria nandray anjara mavitrika t@ fanonganana an ilay raikalahy
etc ...
Misaotra anao ry Mandefitra fa i Oay dia mbola averiny fa MINO IZY FA TSY AVELAN'Andriamanitra hoviraviran'ny DEVOLY INTSONY i Madagasikara, noho izany tsy tara mihintsy raha IZAO ISIKA MIANAKVY NO MIARA MANAIKY FA NY FIDIRANA ANY REPOBLIKA VAO² no VAHAOLANA FA TSY NY FAMERENANA AN'i Ravalomanana na ny FANALAVANA NY ANDRO IAINAN'ity HAT ity, misy olona MAHAY sy TIATANINDRAZANA fa TSY MISEHO LOATRA SATRIA TSY TIA KORONTANA noho izany mba hiverenan'ny filaminana dia TSY MAINTSY AJANON'i Ravalomanana ny FIHANTSIANA ADY satria MANARARAOTRA AN'ilay KORONTANA NY MPITONDRA SASANTSANY ANKEHITRINY KA NY VAHOAKA NO MIZAKA NY MAFY FA RY ZAREO ANIE HITSOAKA RAHA TONGA NY TOKOA é!
Ary mbola hamafisiko ny fijerin'ny firenena mikambana fa TSY VAHAOLANA NY ADY SATRIA TSY HITONDRA FANJAKANA MAHARITRA IZANY!
9. Mandefitra
(
03/07/2009 09:06)
Oay:
FA NY FIDIRANA ANY REPOBLIKA VAO² no VAHAOLANA FA TSY NY FAMERENANA AN'i Ravalomanana
Tsy zakan ny sainareo mitsy le fiverena ra8 ... izy anie tsy handrombaka fitondrana fa hirotsaka ho fidiana toy ny be sy ny bobaka.
Aleo mba ny vahoaka no hitsara fa tsy zay tianareo no atao e.
Zay no tena demokratia ... hajaina ny safidim-bahoaka.
10. Noue
(
03/07/2009 09:20)
Rah izao anie izany dia tsy fikaonan-doha fa fanasàna atidoha e!ka mila an'io fanasana io anie ry zareo ee !!
11. Oay
(
03/07/2009 10:49)
Mandefitra:
Oay:
FA NY FIDIRANA ANY REPOBLIKA VAO² no VAHAOLANA FA TSY NY FAMERENANA AN'i Ravalomanana
Tsy zakan ny sainareo mitsy le fiverena ra8 ... izy anie tsy handrombaka fitondrana fa hirotsaka ho fidiana toy ny be sy ny bobaka.
Aleo mba ny vahoaka no hitsara fa tsy zay tianareo no atao e.
Zay no tena demokratia ... hajaina ny safidim-bahoaka.
Ô ry Mandefitra a! raha i Oay no misafidy dia aleo hiverina androany dia androany i Ravalomanana dia aleo hifampitady any @ fifidianana fa ny olana dia izao: NY FIVERENANY DIA MIDIKA FA RAIKITRA ALOHA NY ADY AN-TRANO!Ka raha ohatra mahatsapa ianareo fa aleo ATAO SORONA ALOHA NY RAn'ny Malagasy ENTINA HANOANANA OLONA IRAY dia TAIRO FA HOTSARAIN'NY TANTARA IANAREO SY NY TARANAKAREO!
Tsy hotanteraka anefa izany fa afaka manonofy ianareo!
Momba ny fifidianana indray dia tadidio fa efa mipetrapetraka tsara ny alliance any ambadika any izay hivondronan'ny adversaire tena atahoran'ny HAT sy ny TIM ary afaka mandresy an'i Ravalomanana tsy misy olana satria mahahenika an'i Madagasikara fa tsy ny hoe eo Andraharo ihany.
12. Mandefitra
(
03/07/2009 11:24)
Iny efa mazava iny lalao iny e :
1/ nampiasaina i TGV hamotika andra8 sy ny TIKO
2/Tohanana @ zay Pierrot
=>Atidohan ny reny malala daholo ireo, fa ry zalahy ambany tanana moa tsy maharaka loatra an zay fa refa misy tsaky pop de oeoe.
Ny mampalahelo dia potika ny firenena
Za nefa mino fa tsy maintsy handresy ny marina, na inona na inona asa ratsin'i satana