Efa kely sisa ny vola ry rabaradaka a !

1. saranga ( 01/07/2009 05:31)
Za koa mahalala olona ao amin'ny Budget fa tena ho lasa adala tokoa i Benja Razafimahaleo satria aiza no hahitana 200 milliard Fmg isam-bolana handoavana ny karaman'ny fonctionnaire sy ny retraité rehetra. Ry rabaradaka anefa tsy maintsy omena vola koa, ny HAT mangalatra etsy sy eroa, ry Andrywi efa miandry tataka fotsiny hangalatra ao amin'ny HAT. Mety ho ratsy ity tantara ity fa samia manaraka akaiky. Marina ve fa lasa any Bruxelles tokoa i lavnify ?
novalian'i fijo ny 01/07/2009 21:19
2. Noue ( 01/07/2009 05:34)
izy ve no lasa any sa ny delegasionany ??

tsy hainao nga ry saranga fa toa oe mamboly vola hono anie ny FAT(Y) eee ! aiza marina moa no ahitany vola ??? zao nasondrotra 400 000fmg/tete ny karaman'ny miaramila ! :^) :^) :^)
3. saranga ( 01/07/2009 05:41)
Ralavanify mihitsy no ho avy aty Bruxelles e ! Raha izao aloha dia tsy hisy karama intsony ny fonctionnaire amin'ny Août sy Septembre. Mahereza dia aza mifidy olona tsy vanona sy tsy valahara intsony ianareo rehefa hifidy maire ao Antananarivo. Mahaiza maka lesona
4. essera ( 01/07/2009 05:57)
Zah koa tena mahita fa efa tena manify d manify ny vola zaraina ao am Magro satria ny antony tsy misy miodina ny ankabeazan'ny groupe TIKO. Ny tsy kobon'ny kila zanaky Dada ao am Orphelinat - Ankorondrano d hoe PREAVIS ange io vitainy io.

Tadidio ilay resaka hoe hatramin'ny faran'ny taona mbola misy andoavana tsara ny karaman'ny mpiasam-panjakana. I Dada mihitsy no niteny hoe :
"Minoa fotsiny ihany..."

5. Noue ( 01/07/2009 06:09)
inona lesy ry essera no hidiran'TIKO @ tsy fisian'ny vola ao @ banky handohavana ny karaman'ny fonksionera aa ?? elà ity oa tss :-D :-D :-D :-D
6. essera ( 01/07/2009 06:30)
Io indray elah ry Noue a :

Zah koa tena mahita fa efa tena manify d manify ny vola zaraina ao am Magro satria ny antony tsy misy miodina ny ankabeazan'ny groupe TIKO. Ny tsy kobon'ny kila zanaky Dada ao am Orphelinat - Ankorondrano d hoe PREAVIS ange io vitainy io.


Mandray vola isam-bolana ireo sao d ts kôp elah.
7. hery ( 01/07/2009 07:10)
Tsara loll

Efa manomboka ampitovian'i essera amin'ny MAGRO izany ny fitondrana.

Izay ange ilay teneniko foana hoe sao dia mba resaka personnel amin-dRavalo no tena anaovanareo TGV fa tsy mieritreritra kely akory e? Raha tena misy blem amin-dRavalo anie ianareo dia misy choix hafa e, Zafy mbola eo, sns... fa tsy hiforitra amin'ny zavatra efa hita fa tsy mandeha izao.
8. naritsimba ( 01/07/2009 07:41)
Tsy haiko aloha fa hatramin'izao dia mandray vola ara-dalana izahay, tsy misy resaka tsy misy vola izany mihitsy hatramin'izao, raha tsy misy vola ve ao handray prime ny mpiasan'ny finance? nefa asa aloha eh, mba manaraka akaiky ihany mantsy izahay, ary ny tena mahagaga dia ireo manely tsaho, firy aminareo ireo moa no tena miasa ao @ io ministeran'ny vola sy ny teti-bola io?
9. fanou14 ( 01/07/2009 08:15)
marina ny anao ry naritsimba , h@ zao dia mandray vola ny mpiasa mpajakana, fa dia ny mahonena ireo zay milaza mahita aloha ireo , ra olona avy ao @ finance no manely tsaho c'est tout à fait normal satria tsy mitovy ny prime raisina taloha sy ankehitriny
10. Noue ( 01/07/2009 08:19)
tsara anie raha mandray karama ara-dalàna ny olona ee ! mais pour combien de temps ? dia mino ve ianareo oe aharitra zany ?? sa ny vola nalefan'ny firenen-kafa pour humanitaire no handoavana ny karama ?? sa namboly vola ?? :^) :^) :^)
11. essera ( 01/07/2009 10:05)
Efa manomboka ampitovian'i essera amin'ny MAGRO izany ny fitondrana.

Efa kely dia kely sisa ny fotoana hisiany. Ny entana ao aza araka ny heno varotan'ny zanaky Dada ihany am zao. Tsy afaka ny tena hi-confirmer an'izay aho anefa fa efa mande be io resaka io efa ela2, fa tsy misy porofo mazava d aleo tsy ankalazaina be.

Izay ange ilay teneniko foana hoe sao dia mba resaka personnel amin-dRavalo no tena anaovanareo TGV fa tsy mieritreritra kely akory e?

Aiza ary Rahery zan, efa hatramin'ny nidiran'ny tenanay teto am ty site ity no nilazanay fa Ravalo mihitsy no Rangory. Ary fisaorana mitafotafo no omena an'i Andry. Ny tohiny : 4ème république. Izay no tanjona fa tsy ny tgv akory no antoko faran'izay TIKO I MADAGASIKARA.

Raha tena misy blem amin-dRavalo anie ianareo dia misy choix hafa e, Zafy mbola eo, sns... fa tsy hiforitra amin'ny zavatra efa hita fa tsy mandeha izao.

Vitsy kely koa le karazam-biby hafa fantatrareo koa. Omeo liste eo am zato eo a d asio sary mihitsy rah manamanana fotoana iny e.

12. naritsimba ( 01/07/2009 11:04)
hoy essera>
Efa kely dia kely sisa ny fotoana hisiany. Ny entana ao aza araka ny heno varotan'ny zanaky Dada ihany am zao. Tsy afaka ny tena hi-confirmer an'izay aho anefa fa efa mande be io resaka io efa ela2, fa tsy misy porofo mazava d aleo tsy ankalazaina be.


Tena mihodina tokoa ny ozinina ao Andranomanelatra satria dia misy livraison mandeha @ zao misy fromage biba eny an-tsena saingy ny etiquete no tsy apetaka, ny mampalahelo aloha dia asa na mandoa hetra izy na dia mangalatra mihodina, satria zatra ny t@ andron'ny dada(rabe osy).

hoy Noue>
tsara anie raha mandray karama ara-dalàna ny olona ee ! mais pour combien de temps ? dia mino ve ianareo oe aharitra zany ?? sa ny vola nalefan'ny firenen-kafa pour humanitaire no handoavana ny karama ?? sa namboly vola ??


Raha resaka karama izany dia izao, milahatra ny olona tompoko mandoa ny hetra tokony hefainy satria fantany fa rehefa tsara tantana io vola io dia ampy tsara hampandrosoana an'i madagasikara. Moa ve fantatry Noue fa aloa amin'ny ARIARY ange ny karaman'ny malagasy fa tsy aloa @ euro na dollard e, dikan'izany ireo vola vahiny euro na dollard ireo rehefa voarain'ny fanjakana dia volam-panjakana, ary tsy ilay euro na dollard akory no omena mivantana ireo mila fanampiana fa, mampitombo ny vola vahiny ao @ tahrim-bolam-panjakana izy ireo, ny fitambaran'ireo vola vahiny ireo rehefa avadika vola ariary dia iny no hividianana izay zavatra ilain'ny mila fanampiana, raha misy eto an-toerana, raha tsy misy moa dia iny vola iny no anafarana izay ilaina, tsy fotoana fampianarana akory eto, fa fotoana fanazavana ny zava-misy, azon'ny fanjakana ataoa tsara ny mivarotra an'ireo devise ireo ary hakany tombony izany, rehefa miakatra ny sandam-bola vahiny dia azo anaovana balance ihany koa io mba tsy hampiakatra ny sandam-bola vahiny.


13. booboo ( 01/07/2009 13:05)
Dia tena efa kely sisa tokoa angamba matoa bobaka no tsy nahazo ny pensions t@ volana lasa teo ny retraités. Dia mbola novaliana koa hoe " @ volana ambony " ( mantsy ny juillet io ) no haloa ny an'ny volana mai... ny an'ny volana jona mbola tsisy tokotaniny a !
14. fijo ( 01/07/2009 21:19)
avelao aloha wa haka tsirony tsara ny gasy.io naritsimba izao mbola mahita fa miadana tsara ny agsy,tsy misy fijaliana intsony ary raha azoko tsara dia tsy misy olana izany akory ao mada fa mandeha tsara daholo ny rehetra,ka inoa no ilaina fa efa sambatra sy miadana be ny gasy izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4438