Rado ilay fitiavako fahiny (tohiny)
1. maeva74
(
30/06/2009 21:25)
Rado ilay fitiavako fahiny(tohiny)
Teo antratran’i Rado no nitsenaiko ny alahady maraina toa nahatsiaro ny tenako ho hafahafa aho lasand-Rado ilay voalimanifin’ilay fahadiovako, toa nahatsiaro tena ho menatr’azy aho satria diso tafahoatra loatra ny fihetsiko taminy, niala moramora teo am- pandriana aho dia nahifiko moramora ny tanany nandrakotra ahy , toa vaovao daholo amiko izao rehetra izao , lasa niery tao an-trano fidiovana aho satria toy ny mamo tsy nahatsiaro tena aho alina ka noheveriko nofy ny rehetra, taitra I Rado ka nitady ahy ary rehefa avy eo dia nanaraka ahy tao amin’ny trano fidiovana izy, nandondona izy nefa tsy novohaiko satria tsy te hahita ny endriny aho fa menatra azy mafy; Rondro hoy izy mantsy ahy, Rondro mba voahy moa e! tsy niteny aho tsy nivolana, vohay hoy izy tsy mbola namaly ihany aho, tena menatra azy mafy aho nohon’ilay zava- nisy alina, Rondro indray hoy izy fa misy inona no toa tsy mamaly ahy ianao ??tsy misy inona hoy aho namaly sadaikatra dia novohaiko moramora ny varavarana dia niditra izy, nojerny ny endriko toa menamena sy menamenatra, fa nisy inona ry Rondro hoy izy, nisy fihetsika tsy tianao nataoko angah sa nanenenanao ny zava- nisy alina? Tsia hoy aho fa toa tsy nety angamba ny fihetsiko taminao, tsia ry Rondro izaho angamba no nanararaotra anao, notapenako ny vavany sady hoy aho hoe : mbola tsy sambatra nihoatra noho iny alina iny aho hatrizay, Rado moa ve tia ahy foana ianao ? Im- piry re aho ry Rondro no nilaza taminao ny valiny nefa tsy mandreraka ahy fa haveriko foana aminao e!tia anao aho ary tsy miova; anio, ampitso, mandrakizay ny fitiavako anao , mitombo isan’andro hoy izy, dia nifanantona moramora ny molotray dia niverina teny am- pandriana indray natory izahay satria alahady ny andro.
Nisosa ny fotoana, nigadona ny androm- panadinana , tamim-pahantoniana no namitako ny taranja rehetra ka niandry izay havitan’ilay ho valiny sisa.
Andro vitsivitsy taty ahoriana dia nihaona toy ny fanaonay izahay, tsy maintsy nijanona tao tulear aho niandry ny valim- panadinana far aha tokony ho izy dia tsy maintsy midina any sakaraha aho hanampy an’ireo Ray amandReniko amin’ny asa eny ambanivohitra, nisosa ny fotoana dia nivaly ny fanadinana ka afaka soamantsara aho ary anisan’ireo nahazo ² mention² . Ny alin’ny andro nodiako ho an’ny sakaraha dia nanao fotoana tamin-dRado toy ny mahazatra aho nefa tsy tonga izy tsy fantatro izay antonym ka tsy nitombona ny saiko, betsaka ny fanontaniana niverimberina tao antsaiko tahaky ny hoe: naninona ary izy? Sao dia nisy nanjoa azy, vaky ny lohako tsy fanaondrado ny tahak’izao marina, nidify ihany ny ora roa tao ahorian’ny fitaonanay nefa tsy nisy izay salovatavany akory efa kivy dia kivy aho no injay nisy nandondona tao ambaravarana , nikorapaka tsy nisy ohatr’izay aho namoha ilay trano, indro I Rado misomebiseby be sady mena be ny masony, fa maninona izato ianao hoy aho gaga, lasa nandao anay i Neny ka tsy maintsy hiakatra hamonjy an’Antsirabe aho rahampitso ka voatery tsy maintsy hiainga vao maraina , nalahelo azy mafy aho ka tsy hitako izay hambara fa ny tanako no niakatra tsy fidiny namafa ny ranomaso teny amin’ny masony no nanafosafo azy, ² Aza misosoka alahelo intsony , hoy aho satria tena tsy hitako izay lazaina azy, tsy maintsy hanainga vao maraina aho ka tonga hanao veloma anao fotsiny , nalahelo mafy azy aho nefa tsy sahiko ny hilaza aminy hoe ento aho hanaraka anao satria I Dada sy I Neny koa miandry ahy rahateo, eny hoy aho tongava soa ary dia manorata e! haharitra hafiriana ianao no ho any ? hoy aho, tsy mbola fantatro hoy izy fa miankina amin’ny fisehoanjavatra any ihany fa aza manahy ianao fa hanoratra ho anao aho vao migadona any ka, veloma vetivety rahavako izany hoy izy dia lasa izy niakatra ilay posiposy nitondra azy dia nandao ahy, zah kosa nitomany nalahelo azy sahady; dia lasa I Rado dia izaho kosa namonjy an’ny Sakaraha.ho hitanao tsy ho ela ny tohiny……..
:-* :-* (l)

novalian'i endrika01 ny 10/07/2009 05:32
5. xxx
(
01/07/2009 08:25)
asjhio:
tataran'iza kay io rado ila ftiavako fahiny io?sa aingapanahy,
Tara ianao izany, tsidio kely ery ambany, fa ao ny fiatombohany, na dia somary misy diso tsipelina kery ary dia mahafinaritra ilay tantaranao ry Maeva74, tantara noforonin' i Maeva io ry asjhio. :-* :-* :-* ho an' ilay mpanoratra e!
7. endrika01
(
02/07/2009 02:58)
Io lay fisarahana toerana io ihany no manova ny tantaram-pitiavana.Ahiako hampalahelo sy douloureux ny aorianizao fisarahana izao ry Maeva74 a,de i Laingo alou nakaiza e?Sa efa vita t@le ndraika alina iry ny aminy! Dain,aiza atao ela be mou ny tohiny e,kouny an.Kiss njy :P
8. endrika01
(
02/07/2009 03:01)
Io lay fisarahana toerana io ihany no manova ny tantaram-pitiavana.Ahiako hampalahelo sy douloureux ny aorianizao fisarahana izao ry Maeva74 a,de i Laingo alou nakaiza e?Sa efa vita t@le ndraika alina iry ny aminy! Dain,aiza atao ela be mou ny tohiny e,kouny an.Kiss njy :P
9. lilyrose
(
03/07/2009 08:27)
Voavakiko daholo ilay izy fa tena nampisento, misaotra an' ilay mpanoratra :-* :-* :-* (l) mahafinaritra be raha toy izany daholo ny voalohany
10. tywa68
(
03/07/2009 16:42)
Endrika : efa mampalahelo sahady lay tantara e ? maika moa fa hoe variana na lany crédit d tsy tafantso, na tsy tratran'ny tél ny any Sakaraha :-D aleo andrasantsika eto ny tohiny e !
Misaotra Maeva74 a :wink: tena mijery série mihitsy zahay :lol:

11. pisolahy
(
03/07/2009 17:47)
Maeva> tokony asinao detail kely eo amle oe nakao amla douche ry zareo de nfapitsodatsoda be,hhihi!!! de nverina teo ambony fandrina ndray ve ry zareo????? mba matanjaka kou ry lerony zany an! :-D :-D :-D :-D :-D
12. maryline
(
03/07/2009 18:21)
efa miala any ve ny tohiny ry maeva an? ry zalahy ato efa sasa- miandry
14. maeva74
(
03/07/2009 20:36)
Nivadibadika tokoa ny fotoana, efa ho roa tokom-bolana izay no nadehanan-dRado. Sasatra aho no nitazana ny « facteur » fa tsy nisy na dia ilay dia-tongony aza, na efa tonga ihany koa ny taratasy fa efa nalefany any tuléar angamba. Satria adinoko ny nilaza taminy ny fotoana tokony hijanonako eto Sakaraha noho ilay loza nanjo azy. Izaho koa moa tsy maintsy niakatra satria nanomana ny fidirana eny amin’ ny sekoly ambaratonga ambony, ka voatery koa aho nandao kely an’ i Dada sy i Neny . Tsy dia nahitana teny firy aho satria, navesatra tamiko loatra ny nisaraka tamin-dRado sy ny alaheloko azy be loatra. Tsy mbola nitia ny foko ka vaovao amiko izao nanjo ahy izao. Raha nanana elatra aho mantsy dia efa nanidina tany amin’ ilay nisy azy, saingy olombelona ihany aho.
Asabotsy ny andro, tonga soamantsara tao tuléar aho, indro ilay ankizy mpiray vodi-rindrina amiko nilaza hoe: «Rondro o! naharay taratasy indry, efa ho andro vitsivitsy izay fa andraso alaiko kely». Nibitaka ny ambavafoko naharay ilay taratasy. Tena taratasin-dRado tokoa, misaotra indrindra hoy aho mantsy an’ ilay tovovavy, dia lasa aho niditra tao an-trano, novohaiko aloha ny varavarankely rehetra satria maizina loatra no mbola maimbo lao ny trano noho izy tsy nivoha loatra, rehefa avy eo dia nitsambikina teny ambonin’ ny fandriana aho namaky ilay taratasin’olontiako milaza hoe :
Antsirabe,
Ho anao ry Rondro malalako;
Antenaiko fa salama tsara ianao eo ampandraisana ny taratasiko, miala tsiny indrindra aho raha izay vao nahasoratra noho ny antony fahateren’ny fotoana, vita soamantsara ny fandevenana an’i Neny ka mikasa ny hanainga aho ny Asabotsy ho avy izao hamonjy anao. Efa manina mafy anao tokoa aho, tsy nitsahatra ny nahatsiaro anao, na dia tsy nahasoratra aza, ny foko sy ny saiko kosa anefa dia niantefa tany aminao foana.
Rondro tiako, tsy hahasoratra betsaka intsony aho fa mbola maika noho ireo fikarakarana ireo zavatra aty, raha tsy manahirana anao ny Asabotsy dia tongava eny amin’ ny station’ ny taxi brousse eny « Sansfils » fa ho tonga aho, tokony ho amin’ ny valo maraina eo ho eo no higadona ny fiara raha tsy misy ny sampona eny andalana. Izay ry Rondro a! Ka dia manao anao ho mandrapihaona vetivety. Ba betsaka ho an’ny malalako.
Rado tia sy tsy manadino anao.
Naverimberiko novakiana ilay taratasy fa toa mamiko loatra ilay namaky azy, isaky izay tsy misy atao aho dia ny namaky ilay taratasiny no namitako ny androko, tsy andriko intsony ilay Asabotsy hitsenako azy. Be loatra ny zavatra nifamahofaho tao an-tsaiko tahaky ny hoe: «dia ho hadinoiny ve aho» sy ny hoe: «tsy tia ahy intsony ve izy?» kay lahy mbola tia ahy foana ilay malalako.
Nitombo teny ny andro, ora, minitra ary ny segondra, sendra nandeha tany Maninday (Université ao Tuléar) aho no tazako tampoka i Laingo; Nody tsy nahita azy aho sady nivily lalana ka indro izy nihazakazaka namonjy ahy nanao hoe: «Rondro! ary maika ho aiza aky indry? Gaga aho naheno azy, toa niova sy lasa tsara fanahy tamiko tampoka teo, hikarakara «dossier» angaha indry? hoy izy mantsy ahy. Eny hoy aho, izaho aky saika hiakatra any Antananarivo hanao «concour Medicine» saingy aleoko ihany aky eto a! Mifona aky izaho amin’ireny fihetsiko taloha ireny fa tsapako ankehitriny fa tian-dry tokoa i Ramose Rado a! Vao maika zendana aho nahare an’i Laingo, tsy nampoiziko ity fihetsiny! izaho koa aky miala tsiny amin-dry tsy nilaza izay nisy teo aminay taloha hoy aho; ary enoko fa hoe: «maty hono aky ny maman-dRamose? Eny hoy aho gagagaga ihany! Dia mamangy ny fahoriana any aminy ary aky a! Sy ho an-dry koa satria efa fata-poko fata-pirenena ny fiarahanareo roa. Sao mba hisotro ranom-boasary aky indry fa midanika ange izany andro izany eh! Hoy indray izy mantsy ahy, tsy nandà aho satria noheveriko ho tsy fahalalam- pomba ny fandavana ny fangatahany ka nanaiky tsy fidiny aho. Rehefa avy nisotro ilay ranom- boasary izahay mirahavavy, dia nadeha niditra tao amin’ny mpikarakara naka taratasy fenoina nanaovana ny fangatahana sy ny fikarakarana ny «dossier» rehetra entina nanohizana ny fianarana izahay. Vita soa amantsara ny rehetra dia niandry ny «concour» sisa.
Nigadona ny Asabotsy nahatongavan-dRado, naka posiposy aho dia nandeha teny amin’ ny «station» nanondro tamin’ ny latsaka 5 mn ny amin’ ny 8 ora, iny tonga tokoa ilay taxi brousse avy any Antsirabe, nisomebiseby avokoa ny olona rehetra nitsena ireo havany , izaho koa mba variana niandry ilay malalako kosa; Iny tokoa eny i Rado tazako. Rado hoy aho nikikiaka mafy tsy voafehiko intsony ny henatro fa avy hatrany aho dia nihazakazaka niantsampy teny aminy, nifamihina izahay no niteny teo ampoto- tsofiny moramora aho hoe: «Rado! Tonga ihany lahy ianao, noheveriko fa tsy ho avy intsony, tsy nisy henatra izay vahoaka nijery aho fa avy hatrany dia norohako i Rado, dia lasa izahay nankany an-tranony; ho hitanao tsy ho ela ny tohiny…

15. Nirilala
(
04/07/2009 03:53)
Mahay manoratra i maeva satria ny fizarana dia mifarana @ "suspens" foana ka tsy andrinay mpamaky ny hahalala ny tohiny
16. tywa68
(
04/07/2009 09:16)
efa azo an-tsaina kosa ny hitranga rhf miditra an-trano e :-D :-D
Maeva74 > tsara comme d'hab e :-*
Maeva74 > tsara comme d'hab e :-*
17. maryline
(
04/07/2009 10:27)
Mampilendalenda foana, nolazaina fa lasa i Rado nefa iny izy mipoitra foana, fa inona marina ilay mahatonga ilay hoe " fahiny" nefa tena lafatra ny fifankatiavandry zareo :?: :?: Misaotra Maeva
18. Nirilala
(
04/07/2009 12:08)
efa azo an-tsaina kosa ny hitranga rhf miditra an-trano e
Maeva74 > tsara comme d'hab e
Mety efa miandry ao zao i Laingo :-D
19. endrika01
(
04/07/2009 12:23)
Mhhhh ! Tiko be lay tsy nifanadino an,tandremo ary sao lasan n i Laingo njay kou. de ho lamban akoho zany,ka faty no isarahana e oviana njay ny tohiny e :-*
20. endrika01
(
04/07/2009 12:24)