Ela tsy nitomany

1. xxx ( 30/06/2009 04:11)
Tsy fantatro hoe aiza no tokony asiana an'ity dia apetrako eto.
Ny vehivavy hono sentimental kokoa sy mora misy fihetseham-po kokoa. Raha izaho aloha dia tena io mihitsy! Dia nefa lasa hafahafa fa mandalo zavatra sarotra aho efa ho herintaona no naharetany, nefa na tena trotraka aza dia toa tsy mahatomany intsony akory! Ilay izy ady amin'ny fiainana, tsy misy olona tafiditra akory. Fa ny nahavariana ahy androany dia tena tsy mitomany intsony aho efa ela izay...Tsy dia mitady inona aho fa tena ohatr'ny tiako navaoka ilay izy :/ :(
novalian'i Papoose ny 30/06/2009 21:28
2. JOSIAH ( 30/06/2009 06:46)
Nefa za ndray mahita fa ilaina ihany ny mitomany aminizay tsy marary ny fo (l)
3. xxx ( 30/06/2009 08:59)
Mahatsiaro te hitomany angaha i xxx ... sa tsy mahatsiaro te hitomany akory ?

Raha tsy mahatsiaro te hitomany akory mantsy dia toa tsy maninona (amiko izany). Fa misy ny fotoana tena mahatsiaro te hitomany mafy, mahatsiaro mavesatra ny tratra ary tena mitarika fahavizanana hatrany an-damosina, nefa tsy mahatomany akory. Dia ny ataoko aloha (mampime be :lol: ) mody mitomany tsotra izao na dia tsy mitomany aza :oops: dia ny farany mahatomany ihany ... dia maivana be avy eo. Tena heno mihitsy hoe vato be niala tao an-tratra sy lamosina lol.
4. ni81 ( 30/06/2009 09:25)
zà dia tena mora mitomany ary tsy mahay manafina ny ranomasoko mihitsy (nefa tena farany mahamenatra ahy indrindra ny hitan'olona mitomany).
Matetika aza misy namana mba mila fampaherezana dia sady mankahery azy aho no mamokovoko miaraka aminy eo koa :(
5. mmmhh ( 30/06/2009 13:14)
Koa rah tsy mahatsiaro tena ho te-hitomany anie zany xxx de tsy maninona e, sitrana zany e
6. xxx ( 30/06/2009 14:25)
Malahelo sy torovana fa tsy misy ranomaso latsaka ny tiako lazaina. Marina io ambony io fa rehefa mitomany aho taloha dia afaka iny dia zay fa efa asa telo volana izay miaka-midina fotsiny sisa (malahelo, faly) tsy misy ranomaso. Ilay izy tsy olana mandalo ary tsy mbola hay izay tena hiafarany fa ny mampiahiahy ahy hoe sao dia mitarika aretim-po. Eny e, fa nizara alahelo fotsiny no tena nanoratako kah. Misaotra betsaka daholo e! :-*
7. Mirananirina ( 30/06/2009 15:19)
andao ampitomaniana aza xxx e
8. Papoose ( 30/06/2009 21:28)
Raha ohatra ka tsy marary fo @ le tsy mitomany dia tsy maninona fa mahay manamboatra fo zany, fa raha mivonto fo no tena mavesatra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7306