Mihamahantra ny Malagasy

1. Bazily ( 25/06/2009 13:29)
Izay lalovanao amin'ny hariva dia manjelanjlatra itony arendrina vita vazaha itony. Hita fa betsaka (loatra) ny mpivarotra azy ireny manamorona ny lalana.
Tsapa noho izany fa be ny tsy an'asa amin'izao fotoana, ao anatin'ireny ny very asa vokatr'ireny fandrobàna tsy nisy fitsinjovana akory aza na dia kely aza fa ny io ihany anie no fototry ny asa hivelomana rahampitso. Miha-mahantra noho izany ny Malagasy. An'iza ary ny andraikitra ka nahatonga izao fitotonganan'ny toe-piainan'ny vahoaka tsy mandady harona mitrongy vao homana izao.
Anjarantsika ny mandinika, na hiroso hanohana amin'izary na hihemotra ka hanohy an'izaroa.
Ny tsirairay dia samy tompon'andraikitra ny fiainany nefa koa samy manana anjara adidy @ fampandrosoana an'ity nosy ity.
Atsipy ny teny ao ampon'ny mahalala.
Ambava homana, ampo mieritreritra.

novalian'i xxx ny 28/06/2009 20:49
2. xxx ( 25/06/2009 13:39)
hahaha faly ny malagasy fa mahantra satria tsy tia ra8 sy tgv

te hanao aminy eo ko eo vao mi wawawa eo hoe mahantra

iza anefa no nahatonga izao tsy malagasy ihany ve sa lazaina ny frantsay eee ny amerikana eeee

3. xxx ( 25/06/2009 14:13)
Hoy Bazily
: Mihamahantra ny Malagasy

Efa nahantra ny Malagasy hatrizay ka hatramin'izao. Teo aloha (t@ andron'i ra8) dia nisy olom-bitsy nitatavana ny harena sy mody nanova endrika an' Antananarivo,ary nandraoka an-keriny ireo 4'mi sy tsy ampy fivelomana tetsy @ lalam-by sy analakely ho any Imerimanjaka fa raha vao mila kely ny ville ianao dia fahantra lava no hita any.
4. diloo ( 25/06/2009 23:57)
tsy misy mahantra izany ny malagasy ankehintriny e! La HAT a tout acheté les ppn :mofo tgv ohatra.Tsy misy intsony ny noana fa tgv manome toky:voky tsara ny malagasy rehetra ankehintriny.
Total hanome euros amanalina atsy ho atsy.
Tsy misy chomage izany ankehintriny fa minoa fotsiny an'i Andry TGV.
Voky ronono daholo ny ankizy rehetra.Bobaka be ny vary ary mora dia mora ny vidim-piainana.Ny hofantrano efa nidina. Feno ny orinasa mi-embauche.
Ny 4-mi efa miabotrabotra daholo. tsy misy firy izao ny mpangataka fa nahazo fanampiana avy @'itgv.Efa kely sisa dia anisan'ny mitana laharana voalohany ao anatin'ny sehatra ny afrika igasikara.
No izany dia tohano i tgv fa tsy misy mahantra izany eto Madagasikara.
Araka izany dia mandainga izay milaza fa mahantra ny malagasy @'izao fotoana izao.Ary izao mampanakarena antsika @'izao fotoana izao dia grace à la HAT(acheté) par TGV.Ny mpanohana rehetra izao dia voky daholo koa raha noana ny ankilana dia midira tgv :tsy olana ny vola.
5. fijo ( 26/06/2009 19:37)
mazava izany
6. reeves ( 27/06/2009 13:48)
Io dia mbola miziriziry ihany fa tsy ilaina ny CI nefa ny fampandrosoana mila ny volan`ny FMI sy ny BM . Efa niaina io experience io i Zafy tam`1992 ary hita fa nijanona ho MATIKAMBO fotsiny ilay izy fa tsy tafa ( voatery nitady financement parallele am`vidiny lafo ) dia mbola io fa averina ihany . Ho ahy manokana aloha dia tsapako ohatran`ny lasa nihamafy fo izany aho h@ 26 janvier iny ary efa tsy manome vola mpangataka intsony aho ankehitriny raha toa ka mbola afaka nanao izany ihany tam` fin 2008 . Ny zavatra mampanahy dia ny firongatry ny asan-jiolahy nohon`ny fahantrana satria :
1)-Fahafahana mandroba no lesona nomen`ny Mpangalatra fahefana
2)-Didin`ny be sandry daholo ny zavatra rehetra izay atao ankehitriny , culture vaovao .
Ny zavatra anisan`ny mampieritreritra ahy fotsiny dia toa "MANAIKY HO TSINDRIANA sy MORA MATILOLO " izany ny ankabeazan`ny olona . Toa kely hery tsy mba mahay miray hina MIARA-MIRONA HANERY NY MPANAO POLITIKA ( indrindra fa ny Mpitondran`ny FAT ankehitriny ) hivoaka amin`ny krizy fa toa samy manaiky ho entin`ity TGV ity anjambany any an-kady daholo . Efa fantatra fa tsy maintsy korontana io raha vao tsy TETEZAMITA CONSENSUEL no atao , efa fantatra fa ialan`ny CI isika raha vao tsy TETTEZAMITA CONSENSUEL no atao , dia mbola miziriziry ihany . Ka isika mianakavy ihany io . Rehefa tsy isika no MANDRAY ANDRAIKITRA MIARAKA , dia aza gaga raha ny OLONA no handray FEPETRA AMIN`IZAY HITIAVANY AZY MOMBA ANTSIKA par defaut ,( satria manaiky matoa tsy miteny hoy ny fitenenana ) , dia aza mimenomenona intsony fa samia mahazaka ny fahantrana sy ny korontana sy ny tsy fisian`ny fandriampahalemana e !
7. diloo ( 28/06/2009 02:41)
Reeves an, efa hoe tsy hilaina ny CI. Betsaka ny haren-tany ary i total hamatsy vola atsy ho atsy. Jereo anie fa efa mihena ny mahantra satria mihena ny vidin'ny ppn: mofo tgv, lasantsy mora, ny sakafo bobaka ary miavoky ny vahoaka.
Ny asa koa efa miamaro ary miverina ireo vahiny mpampiasa.
Ny fandriampahalemana koa efa voatontonsa tsara. Resaka be izany hoe misy mpangalatra sy mpamaky trano ary mpamono olona. Fampidiram-bola hoan'ny mpanao gazety ireny faits-divers ireny.Jereo i Iarivo fa efa madio tsara tsy misy loto intsony e. Ny mpokona koa efa hendry tsy mamany sy mangery eny anelanelan-trano intsony.
Mety tsara ny fitondrana no sady tsotra satria fananana talenta toa an'i Andry dia ampyhananan'ny mpitondra fanjakana.
Araka izany dia tsy ilaina intsony ny tanora ho very fotoana hanala bac sy hianatra hanao doctorat sy ingéneur. Sady ireo manana ireo taranja ireo dia sakana hoan'ny mpanana talenta.
Koa tsara raha misitrika toa ireo manampahaizana miaramila amiraly sy jeneraly: grade kolonely dia ampy.
Mitadiava ianao partenaire toa an'i Andry mba hazoana vola be sy hanananao miaramila miara mizara aminao ny hery faratampony.
Tsy ny fitiavan-tanindrazana no tena important fa ny fahazoana ny pouvoir pour le pouvoir.Koa midira ho mpitolona fa vonona handray anao ny HAT pour t'acheter.
Izaho aloha tsy mino izay voalaza etsy ambony e.
Fa ny toromarika ny voasary rehefa manazava amin'ny manodidina dia mihena ny fahantrana ary mandeha tsara ny tetik'asa ny HAT nandritra ny dimy volana izay.Ny CAPSAT tsy mamono olona izany fa resaka virtuel izany ha hanaratsiana an'i Andry. Ny CAPSAT no tena mpiaro ny vahoaka ary tsy nitifitra na nampijaly izany fa intox izany. Ilay ramatoa voalaza fa vaky roa ny lohany dia sary natao photoshop iny fa ny miaramila dia niaro azy fa saikky nisy androba hono ny fivarotany.
Tadidio tsara izany fa izao no hafatra ny HAT: Tsy misy mahantra firy intsony aty gasikara ary tsy misy famonona na fampitofirana olona izany. Iny fanenjehana an'i Manandafy iny dia sary photoshop teo amin'ny carlton.Montage twitter iny video iny fa mpandainga ireny twitter ireny.
Minoa fotsiny an'i Andry sy ny HAT fa ho firenene sambatra i Gasikara.
:( :? :wink:
8. xxx ( 28/06/2009 20:49)
Efa ela no nandrenesako io teny "minoa an'i Anona na i anona io" fa toa tsy hitako izay vokany.
Aleo mino toaky hoy ny any atsimo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0375