varotra rano

1. fijo ( 24/06/2009 21:22)
efa tamin'ny andron'i ravalo no efa nisy io tanjona hivaritra rano io,fa tamin'izany moa dia ry tgv no nilaza fa varotra tanindrazana io,izao nefa toa hivarotra ihany koa ry zalahy.
amiko dia tsy oalana izany satria io rano io anie rehefa tsy hamidy very any anaty ranomasina ihany e,ka tsy aleo ve ahazoana vola???
ny olana kely dia ity:
le vola io ve,misy ho itan'ny vahoaka sa hividianana capsat indray???eo no oloana aminy
2. xxx ( 24/06/2009 22:31)
ka tsy nahazo fafindrano lery de nividy miaraila ko fa angaha tsyzay no fadehay
3. patrick2002 ( 25/06/2009 03:26)
,fa tamin'izany moa dia ry tgv no nilaza fa varotra tanindrazana io,izao nefa toa hivarotra ihany koa ry zalahy


Tsy mbola nisy ny TGV t@ izany ,ny 2005 no nisy io projet io, dia nangina ny 2007 ,tsy haiko faut investisseur angamba ilay izy .
Tsy mbola nahita ny TGV ny critique ny fivarotana rano izaho ,ny critique nataony TGV dia ,ny jadona ,ny monopole,ny fanapenam-bava ny media ,izay ihany ,ireo aza dia taty aoriana taty aoriana ,rehefa nanakatona ny viva TV Ravalo ,taty aorian`ny nandefasana video ny fampiarabana nataony Ratsirakiste ny amiraly tany paris .
Aza fahanana ronono abobo ny vahoaka fa araho tsara ny tantara .
4. Oay ( 25/06/2009 04:37)
fijo:

efa tamin'ny andron'i ravalo no efa nisy io tanjona hivaritra rano io,fa tamin'izany moa dia ry tgv no nilaza fa varotra tanindrazana io,izao nefa toa hivarotra ihany koa ry zalahy.
amiko dia tsy oalana izany satria io rano io anie rehefa tsy hamidy very any anaty ranomasina ihany e,ka tsy aleo ve ahazoana vola???
ny olana kely dia ity:
le vola io ve,misy ho itan'ny vahoaka sa hividianana capsat indray???eo no oloana aminy


Tena tsy zakan'i fijo mihintsy ny nataon'ny CAPSAT an! mbola averiko anefa fa AZO eritreretina ny fahamarinan'ny fividianana miaramila vitsivitsy fa tsy ilay 25000 kosa aloha dia voavidy daholo é, noho izany raha mahatsapa marina ny maro an'isa ao @ Tafika fa voavidy ny mpitarika azy dia mahatoky ny tenako fa tsy hipetraka amin'izao ary tsy hangina ny Tafika, fa mbola averiko fa nataon'i Ravalomanana tsinotsinona ny Tafika nandritra ny fitondrany dia izay no mahatonga ny maro an'isa ao @ Tafika Malagasy HANAIKY IZAO FITONDRANA izao! Mbola averiko fa nisy voavidim-bola fa tsy maro an'isa, fa matoa ny maro an'isa manaraka dia satria TSAPANY FA NISY TSY NETY NY NATAOn'ny fitondrana Ravalomanana.

Momba ny FIvarotana rano sy ny vola azo avy aminy, ny mahagaga ahy dia ilay filazan'i fijo fa tsy hohitan'ny vahoaka ny vola azo avy @ izany, gaga ny tenako satria taranak'olona nitondra i fijo noho izany tokony hahalala tsara izy fa azo atao mazava tsara ny fitantanana ny volampanjakana SA EFA TENA RESY LAHATRA I fijo FA MPANGALATRA DAHOLO IZAY NITONDRA SY MBOLA HITONDRA an'i Madagasikara! Sao dia mba ny hasard no nahatonga anareo hanao politika fa raha olona tena nivonona hanao politika dia tsy tokony ho diso fanantenana toa izany!

Farany mila averina amintsika ve fa ilay FANAMPENAMBAVA ny mpanohitra anie no nahatonga izao fanonganana an'i Ravalomanana izao, io ilay FANDRAVANA NY JADONA IZAY TOHANAN'i Oay hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany! Fa izao mbola averiko fa ho an'ny olona milaza sy mihevitra fa mpanao politika dia mbola hamafisiko FA TSY NY FITONDRANA TETEZAMITA NO HITSARANA NY POLITIKA AN-KAPOBEAN'NY FITONDRANA IRAY noho izany dia ajanony ny polémique momba ny tsy mety mandritra izao HAT izao fa raha maika isika dia aleo hilamina dia andao HIFANINANA any @ Repoblika vaovao!
Madagasikara ho an'ny Malagasy ary ny Malagasy ho an'i Madagasikara!


5. Mandefitra ( 25/06/2009 05:03)
O ry Oay, raha manantena hanangana zavatra tsara, manahirana ny eritreritra hoe fomba ratsy sy toetra ratsy hatrany no tazana na de teteza - mita aza.

Rehefa ny tetezana no ratsy, moa ve ho tratra le tanjona? mahakely finoana.

ARy ny takaitra ratsy avelan ilay soit disant tolom-bahoaka, ka mbola tohizana h@ zao tetezamita mitsingilahila zao, na eo @ lafiny toe-karena, na eo @ toe-tsaina entin ny mpanao politika sy ny vahoaka ... am-ntaonany maro vao ho tafarina ... raha ho tafarina.

Ka dieny tsy mbola am-balahana ny rano, fefa halohalika mantsy izy zao, aleo miteny foana, sao mba hisy Fanahy Masina hirotsaka @ TGV sy ny ekipany hanitsiany ny diany.

Fa zay handrandrain ny vahoaka aloha, dia ny hisian ny fifidiana haingana, hanehoany ny safidiny.
6. Oay ( 25/06/2009 05:17)
Fomba fanaovana politika tsy mahomby ny fidinana andalam-be FA KOSA (certes mais) ny tsara ho fantatra dia ny hoe EFA MIPETRAKA TSARA daholo ve ny rafitra hisorohana ny FANAMPERAM-PAHEFANA ataon'izay mitondra!
Io no tsy nisy teto amintsika hatramin'izay!

Momba ny tsikera atao @ HAT dia tsotra politique politicienne qui n'est ni objective ni constructive satria TSY MISY FOTOANA HAMPIHARANA an'ilay critique, asa na mazava fa tsotra é, NY TOKONY ATAO Dia ny fandraisana anjara ao @ ilay ady hevitra mba hisorohana ny fanamparampahefana any @ ilay repoblika vaovao!

7. zandikely ( 25/06/2009 10:31)
Tsy midika inona velively ny filazana hoe efa nisy tamin'ny andron'i Ravalomanana io projet. Mba alefaso lavitra ny eritreritra, angaha ny zavatra nataon'i Ravalomanana teo koa tsy nisy projets an'ireo olona talohany e.
Ny olona mandalo fa ny fitantanana mitohy.


8. patrick2002 ( 25/06/2009 14:49)
ka maninona no tsikerainareo TIM ny famarotana rano .
9. fijo ( 25/06/2009 21:14)
tgv efa nisy tamin'ny 1997 ry akama.fa tamin'izany mbola ny sipa kely no nitangorona taminy.

ireo mpanao politika miaraka aminy ireo,nitsikera iny resaka fivarotana rano naik ahoataon'ny tim iny aby.
toa izany koa ny resaka daewoo,nefa rah aten adinihina zavatra tsara hoann'y madagasikara iny.

izay no hilazako hoe aza entim po rehefa miresak araharaham pirenena fa manjary fanimbana zavatra no betsaka
10. patrick2002 ( 26/06/2009 01:24)
ka afangaronao izany ny TGV antoko politika sy i Andry DG ny injet ,ary izy DJ koa.
Sahala ny manafangaro an`i Ravalo TIM sy Ravalo PDG ny TIKO ary Ravalo nitery ronono ,tsy mahay mamatotra na lase kiraro ianao .
ny 1997 i Andry dia DG ny injet ,miala tsiny fa mety nisy fikambanana noentiny t@ izany fa tsy nanao politika .
sahala @ hoe mahita namana ianao ato @ serasera dia nifanaraka ianareo hoe andao hamorina antoko politika ,dia lazaina ve izany fa hoe serasera ny antoko politikanareo.
11. fijo ( 26/06/2009 19:45)
azoko tsara izany ary haiko,fa efa nisy aloha izany le fikambanana.ary io fikambanan io no resahiko.

tsy any no etan resaka fa le resaka fitsikerana ny fivarotana rano sy fampanofana tany.io dia tsikera be toa inona,nefa vao tonga teo i zandrin'i herizo,dia nihaiky fa tsara ilay hevitra momba ny daewoo,izao indray dia lasa hoe hivarotra rano.izay no resahina,fa tsy hoe tgv antoko na vondron'olona.
12. patrick2002 ( 27/06/2009 01:27)
ireo mpanao politika miaraka aminy ireo,nitsikera iny resaka fivarotana rano naik ahoataon'ny tim iny aby

ka efa novalianao anie hoe iza no manatsikera ny fivarotana rano eh!
Tsy ny TGV mihintsy ,ny HAT dia misy hery maro ao ,misy ny pro amnistie ,misy ny contre ,tsy resaka ady antrano akory izany fa izany no atao hoe democratie, tsy misy baranahiny mihintsy ,efa tsy t@ androny dada izao
13. benkintana ( 28/06/2009 21:42)
lany saosy ny tgvendrana ve tsy ny vadiny ndray zao no varotany @ manaraka :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1795