mavomavo lela

1. sitlo ( 24/06/2009 18:17)
Inona kay no mahatonga ny lela ho mavomavo?
Ilay izy tsy misy fofona fa tsy mahafinaritra ny mijery azy. Kesehina fotsiny ilay izy dia afaka. Fa mahalasa ny saiko fotsiny hoe ohatra ny tsy normal izany.
novalian'i sitlo ny 19/07/2009 22:24
2. Tazana ( 24/06/2009 18:31)
Raha ilay vao maraina iny dia zavatra normal satria raha ny tena izy ny lela mila borosiana miaraka amin'ny nify isan-andro satria mipetraka eo daholo koa ny bactéries sy izay rehetra ambon-javatra ao am-bava.

Fa raha misy problème resaka aty kosa dia zay no tsy haiko...Matetika ny ati-vava taratry ny any anaty any. Fa rehefa mijery dentiste manaraka dia hanontanio izy hoe?
3. niryna ( 27/06/2009 19:23)
sitlo:

Inona kay no mahatonga ny lela ho mavomavo?
Ilay izy tsy misy fofona fa tsy mahafinaritra ny mijery azy. Kesehina fotsiny ilay izy dia afaka. Fa mahalasa ny saiko fotsiny hoe ohatra ny tsy normal izany.
ny anao aza mba mavo fotsiny


jereo ity fa misy volo hatrany amin'ny lelany
4. niryna ( 27/06/2009 19:27)

ity koa misy iray ,tsy tiako ny mijery azy e!

Andraso hoe jereko inona hono no antony mahatonga ny lela ho mavo?
Jereo aloha raha misy faritra hafa mety ho mavo aminao toy ny felan-tanana sy ny faladihy,na rehefa jerena ao anatin'ny maizina dia mazava ny hoditrao?
ireo no endrika ilazana fa misy jaunisse ilay olona na koa ambany be ny rany ary tsy ampy ra izy
5. Ratoa ( 27/06/2009 19:38)
tsy volo izany ireo. Ny lela ihany io. Misy olona hitako, mididididy be ny lelany. Ny lela anie ka tranona hotrikaretina é§ Sasao tsar sy borosio tsar afotsiny. Raha tsy afaka dia mijere dokotera fa aretina any anaty izany.
6. niryna ( 27/06/2009 20:06)
Ratoa:

tsy volo izany ireo. Ny lela ihany io. Misy olona hitako, mididididy be ny lelany. Ny lela anie ka tranona hotrikaretina é§ Sasao tsar sy borosio tsar afotsiny. Raha tsy afaka dia mijere dokotera fa aretina any anaty izany.

bacterie hoy ny dokotera.

ilay mavomavo lela dia misy antony maro koa saingy tsy aretina sarotra ho tsaboina akory ilay izy fa mandalo fotsiny.Mila borosina ny lela ary hotsanina amin'ny " hydrogen peroxide "tsy aiko ny filaza azy aty amintsika fa dia hialako tsiny.
izany hoe 1/5 ny rano no fatran'ny peroxide ary dia borosina amin'iny eo foana ny lela ary faranana amin'ny rano tsotra hanontsanana azy.
Fadiana koa ny misotro kafe,mifoka sigara,toaka ary endrika ilazana ihany koa fa tsy ampy rano ilay olona ,mila misotro rano matetika koa izany.Karazany mety antony ireo fa mbola misy betsaka
7. Ratoa ( 27/06/2009 20:11)
Angamba koa be sira ny ranonareo fa tsy fantatrareo. Misy olona @ ny tany sasany, tsy ny lela ihany fa ny nify koa no mavomavo. Izy iray tànana mihitsy an! Sauâtre hono ny rano noho ny habetsahan'ny sira anefa tsy masira ilay rano.
8. niryna ( 27/06/2009 20:41)
Ratoa:

Angamba koa be sira ny ranonareo fa tsy fantatrareo. Misy olona @ ny tany sasany, tsy ny lela ihany fa ny nify koa no mavomavo. Izy iray tànana mihitsy an! Sauâtre hono ny rano noho ny habetsahan'ny sira anefa tsy masira ilay rano.


dia misy koa feno calcaire ny ranony dia vasoka be izany daholo ny sotron-dry zareo rehefa maina avy nosasana
9. sitlo ( 19/07/2009 22:24)
ilay vao maraina iny ka.

Efa afaka ilay izy izao nefa tsy nataoko na inona na inona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.237