FAHALEOVANTENA

1. maeva74 ( 24/06/2009 18:09)
(l) (l) (l) Miarahaba antsika Malagasy tsy vaky volo!


Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy
hoenti-kahasambatra fiainan'olom-bitsy.
fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana
hampigoka mamy ny isam-baravarana


L'Indépendance n'a pas, du tout, pour raison d'étre
D'assurer le bonheur seulement d'une poignée d'étres;
Mais une Indépendance qui, sans prendre partie,
Entend à chaque porte, en faire goûter le fruit.



Ny Fahaleovantena : tsy trosa tsy miato
iandrandrana vola avy any Dilambato
Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka
tsy haharaiki-trosa ny hoavin'ny taranaka


L'Indépendance n'est pas ces dettes et ces dettes,
Tous ces préts extérieurs que toujours l'on guette;
Mais les incessants efforts qui, de notre côté,
Libèreront des notes les jours à venir de la postérité



Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasy
ny tenin'ny vahiny hasolo Teny Gasy
Fa Fahaleovantena derain'ilay mitazana
hanandratra ambony ilay Fitenin-drazana


L'Indépendance n'est pas qu'on laisse s'installer,
à la place du Malgache , un parler étranger...
Mais une Indépendance qui nous vaudra l'éloge,
Si de nos pères, la langue est mise aux premières loges.



Ny Fahaleovantena : tsy haitraitran-javona
ka iambonian-tena rakofana avonavona
Fa fanetrena tena hitovy amin'ny hafa
miaraka misaina, miaraka mitafa.


L'Indépendance n'est pas un brouillard trompe l'oeil
un geste ostentatoire et tout vernis d'orgueil;
Mais bien modestement, à étre comme autrui,
Pour réfléchir ensemble, discuter avec lui.



Ny Fahaleovantena : tsy endrika sodokan'
ny fiheverantena ho mahavita tokana
Fa hevitry ny maro mitapatapak'ahitra
ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra


L'Indépendance n'est pas ce quelconque mirage
Qui fait croire en soi méme le seul fort et sage;
Mais les opinions d'ensemble qui cherche de concert
un lendemain de gloire pour la nation entière.



Ny Fahaleovantena : tsy fanomezam-bahana
ny hevitra-vahiny hanjaka an-kalalahana
Fa Fahaleovantena mivimbina hamiratana
hanaja ny an'ny tena ho any avara-patana


L'Indépendance n'est pas qu'on laisse libre cours
Aux idées extérieures pour régner au grand jour;
Mais une Indépendance qui engendre la joie
A hisser ses valeurs, à une place de choix



Ny Fahaleovantena : tsy fitadiavan-tehaka
na horaka mandainga mba hampidehadehaka
Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena
fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena


L'Indépendance n'est pas : recherche d'ovations
Ni les hourras trompeurs qui rendent fanfarons;
Mais une Indépendance, écartant les vantards,
Et montrant tôt ou tard, les patriotes sans fards.



Ny Fahaleovantena : tsy hoe ianao mitsako,
fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako
Fa Fahaleovantena ahitana toky
ka ny maroanisa no sambatra sy voky.


L'Indépendance n'est pas : que toi, tu manges,
Alors que la masse va fouiner dans les fanges;
Mais une Indépendance qui puisse assurer
Que chacun ait sa part et en soit rassasié.



Ny Fahaleovantena : tsy vola fafy katrana
hividianan'olona ho sandam-pisandratana
Fa Fahaleovantena mitana fahamarinana
hitaiza ny vahoaka tsy ho any am-pivarinana


L'Indépendance n'est pas cet argent à gogo
Pour l'achat de ceux qui te porteront bien haut;
Mais une Indépendance, soucieuse de justice,
et qui évite au peuple la voie des précipices



Ny Fahaleovantena : tsy laza vady bainga
am-pielezam-peo, kanefa tranon-dainga
Fa Fahaleovantena milaza ny ao an-tranony
tsy misy laingalainga na mila ranondranony


L'Indépendance n'est pas ces liste de travaux
Qui inonde les ondes, bien que beaucoup soit faux;
Mais une Indépendance : Langage de vérité
Qui parle sans complaisance de la réalité.



Izany ka izany no Fahaleovantena
niadian'ny razantsika sy namonoany tena,
nidirany tam-ponja, niaretan-tsesitany,
namoizany ny hareny, namoizany ny rany


C'est tout cela, en bref, l'Indépendance ami!
Pour laquelle nos pères ont offert leur vie,
Enduré les prisons et l'exil de leurs temps,
Sacrifié leur biens et fait dons de leur sang.



Anefa raha tsy izany no Fahaleovantena
iainantsika etoana, fa toa fitiavan-tena
sahia ka mijoroa hiady ho an'ny marina
mandra-pahatratra ny tanjona hotratrarina.
Mais si l'Indépendance est telle qu'on la voit,
Devenue quelque chose où l'égoïsme est roi...
Alors, sans crainte, lève-toi, défends la vérité
Jusqu'au triomphe final de l'objectif visé.

Rado 1991
Traduction de Di - 1995

répondu par benkintana le 28/06/2009 21:41
2. benkintana ( 24/06/2009 18:16)
t@ zany fotoana zany mantsy dia faly daholo ny Malagasy rehetra
indrisy anefa fa zao dia ny olom-bitsy sisa no mifaly dia ireo izay niondana sy ireo mpandroba tsy mahalala ny fahatran-ny Malagasy
3. locl ( 24/06/2009 19:31)
Misaotra t@ tonon-kalo fa asa raha mba mahatsapa izany ireo HAT amin'izao fotoana izao????
4. Noue ( 24/06/2009 19:34)
indrisy ! eny eee!! afaka manofy isika , saingy la réalité io izy !! rahoviana no ho tonga saina ?? :^) :^) :^)
5. fijo ( 24/06/2009 20:08)
tsy misy mpanao politika ho tonga sain aizany ao ,raha mbola tsy misy rafitra miova sy hentitra ao
6. xxx ( 24/06/2009 22:45)
ny fahaleovantena dia ho an ny tsiraiay fa tsy resaka fannganantsaina
7. essera ( 25/06/2009 05:44)
Andray ireto zanaky dada mody misento, manao mampalahelo nefa MPANAPOAKA BAOMBA. :@ :@ :@ :@
8. benkintana ( 28/06/2009 21:41)
ndàna elah mihanika hazo any fa tsy ho tratran'ny lohakelinao io ny resaka eto :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0622