Mifona amiano aho ry Dada fa tsy mendrika ny ho zanakao !

21. adrianki ( 01/07/2009 09:21)
niryna:


Ny mety mampiavaka kely ny fanoharana amin'ny zava-misy fotsiny angamba dia eto amin'ny fanoharana indray mandeha ihany ilay zanaka no nandao ny rainy ary tena hendry marina avy eo. Mety ho hafa tokoa aloha angamba ny tohin'ny tantara araha hoe ataon'ilay zanaka fanao matetika ny mandao ny rainy ary miverina indray rehefa vita indray ny hadalany samihafa.
dia tonga amin'ilay fitenenana izany hoe impiry moa aho no tokony hifona ?

Ny olombelona kosa anefa dia matetika no mandao an'Andriamanitra indray na dia efa nilaza ho nibebaka izao ary, misy ary ny sasany mahavita ratsy lavitra noho ny efa vitany tany aloha mihitsy. Mety mampieritreritra ihany amin'izay hoe hatraiza ny fetran'ny famindrampon'Andriamanitra raha miverimberina lava eo amin'ny olona iray ny zavatra toa izany. Sanatria mantsy hoe ohatra ny mamazivazy an'Andriamanitra mihitsy ilay olona.
mety mbola misy chance kosa angamba hiverina indray andro any e


:D



Na ahoana kosa ary angamba na ahoana dia tokony tsy hanararaotra ny famindra-ponan'Andriamanitra ny olombelona fa mety tena midika fanaovana tsinontsinona azy mihitsy izany. Misy anie dia tena mety mieritreritra mihitsy santrian'izany hoe andeha hataoko aloha ity fahotana ity dia mifona idray aho rehefa avy eo!, misy ary mody tsy mahalala tsotra izao hoe fahotana ilay ataony rehefa tiany atao ilay izy. Zavatra mety fahita matetika amin'izao fotoana izao ohatra ilay hoe "kristianina isan-kalahady" ,izany hoe mifona isan-kalahady fa mandeha manao karazam-pahotana , tsy mba misy ezaka kely ny hiady akory, mandritra ny fotonana hafa sisa , Satria efa azo antoka fa mifona avy eo dia vita indray ?
Ny irina aloha dia mba betsaka ny ahay hi"saisir" ilay "chance " fa raha ao anatin'ilay manota iny anie no... ka dia very maina izay mba efa nisasarana rehetra ?

22. Ilo ( 01/07/2009 11:32)
Koa raha lazanao fa tsy mahavonjy sy tsy azahoana sitraka ny asa soa atao, tsy aleo ve izany hanao ratsy sy tsy hanaraka ny lalany @ zay ho vonjeny? very maina sy adalana izany ny fanaovan-tsoa sy fanarahana ny lalanany?

Tsy mahavonjy ny asa soa satria ny finoana an'i Kristy irery ihany no mahavonjy
Efes 2.8-9 "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha."
Fa kosa natao hanao asa soa isika rehefa ao @ Kristy:
Efes 2.10 "Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo, mba handehanantsika eo aminy."
23. bor2lais ( 06/07/2009 15:43)
Ilo:

Raha ny fahitako azy dia tsy maka ny toerany en tant que zanaka ilay zokiny fa mpanompo, mpanaraka lalàna, miasa mafy mba ahazoana sitraka @ rainy.
Tezitra izy fa mamindrafo an'ilay zandriny izay efa nanao ratsy ny rainy.



-> iombonako io fomba fijerinao io ! Ampiako aza hoe : toa tsy misy fifandraisana (na fiainana vanona) mihitsy @ izy mianaka, fa toa miandry izay ahafaty an-drainy izy handraisany irery ny "lova" !

24. rijadolly ( 06/07/2009 20:34)
Ilo>>>>
Tsy mahavonjy ny asa soa satria ny finoana an\'i Kristy irery ihany no mahavonjy
io teny io no tena mahatonga ny ady hevitra tsy tapitra eto matetika satria misy ny Mpino mandray an-tendrony dia hoe refa Mino an\'Kristy zany dia voavonjy,zay de ampy ts misy kabary lava b.Hanampiko ny hevitrao mba tsy hisy hirona any indray
Tsy afaka misaraka ny Finoana sy ny asa fa tsy maintsy miaraka,fa kosa ny finoana an\'Kristy no mahatonga ny Mpino hanao,hanoy,eny hanao bbkkoa aza ny asa raha mbola atoandro koa ny andro http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=14&andininy=12-12&dika= , fa tsy ny fanaovan-tsoa no manamporofo fa mino an\'Kristy aho(==>fireharehana ihany koa.) http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=5&andininy=46-48&dika=

Eo amin\'le zokin\'ilay zaza nandao ny Rainy ndray de Mitovy hevitra ny rehetra ihany koa aho fa tsindriko kely fotsiny fa ohatrany nanenina ihany ny fandinihako azy ilay zokiny satria ts nanao ny filany nefa toa voavonjy ihany ra nanao,nahatsiaro matiantoka izy araka ny fiheverany ts nahazo ny anjarany mialoha nefa samy mbola mandova ao an-tranon-dRay ihany ka niteraka alaelo tao anatiny.Ny fahazoko azy sy ny lesona azo avy amin\'izany dia ny Ondry ao am-bala aza dia mbola mahazo test ihany sao ts mbola madio fo.
25. rzakarivola ( 07/07/2009 13:18)
rijadolly:
Tsy afaka misaraka ny Finoana sy ny asa fa tsy maintsy miaraka

==> Marina izany. Raha niteny i Kristy hoe "Ny finoanao mahavonjy anao", niteny koa Izy hoe "raha mitandrina ny Didiko ianareo diahitoetra amin'ny fitiavako".
26. niryna ( 22/07/2009 17:55)
rzakarivola:

rijadolly:
Tsy afaka misaraka ny Finoana sy ny asa fa tsy maintsy miaraka

==> Marina izany. Raha niteny i Kristy hoe "Ny finoanao mahavonjy anao", niteny koa Izy hoe "raha mitandrina ny Didiko ianareo diahitoetra amin'ny fitiavako".


misaotra anareo fa mazava be ny teninareo > rzaka sy rija
:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.039