2ème VAOVAO MAHAFALY HO AN'NY TIM TY E

21. andrywui ( 22/06/2009 10:07)
politika
Vondrona SADC

Handefa mpanelanelana

Haniraka an’Ing. Joachim Chissano, Filoham-pirenena Mozambikanina teo aloha indray ny Vondrona SADC hitarika ny fanelanelanana amin’ny fitadiavam-bahaolana ivoahana amin’ny krizy politika eto amintsika. Izay no tapaka nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ity Vondrona ity, tamin’ny asabotsy, tany Johannesburg, any Afrika Atsimo, Ho an’ny SADC manokana dia tsy mbola manana eritreritra ny handefa tafika ho eto Madagascar .
Tsy nomarihina tao amin’ny fehin-kevitra tokoa raha ny hita ny mety ho fandefasan’ny SADC miaramila hampandry tany eto na tsia. Tsy nomena fitenenana hanazava ny fandehany i «Dada», tamin’ity fivoriana ity na nanatrika izany aza. Tsy nasaina ihany koa ny Filohan’ny HAT Andry Rajoelina mba hialana amin’ny mety ho fitongilanana, raha ny nambaran’ny Filohan’i Afrika Atsimo, Jacob Juma.
Ny Tahiry R.



aza ovaovaina fa mazava be io
22. Onjakeli ( 22/06/2009 15:30)
Miaramila notambaza*na volabe 19 miliara be izao ve tsy hanao ny asany tsy ho voaroaka.
23. benkintana ( 22/06/2009 22:26)
petsa tato ndray wiwi klé ,zah aza mbola tsy namely :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1698