avy @Jehovah ve sa tsia

1. xxx ( 21/06/2009 20:26)
Za manambady t@alalany internet no nahitako azy de nivady zahay sa nefa kristianina manenjika ahy ny eritreritro ndraindray hoe avy @jehovah ve io vadiko io nefa za no nahita azy t@ internet .Ahoana ny hevitrareo za manokana dia mieritreritra ihany nefa hoe matoa tanteraka ny fanambadianay de mety avy @jehovah zany nefa ndraindray hoa manenjika ahy ny eritreritro hoe tsy avy @io nefa za kristianina :/
2. fahamarinana ( 21/06/2009 20:42)
:arrow: Amiko manokana aloha an,tsy hoe ilay izy avy amin'ny internet no ahafahana milaza fa tsy avy Aminy ,ny any sasany aza mety hita tany anaty bal-mboalavo,na hita tany amin'ny arabe ,na hita tamin'ny fomba maro samihafa !Tsy voatery any am-piangonana akory no ahitana ny vadin'ny Xna ! Ary na hita any am-piangonana aza tsy midika velively fa iny no avy aminy !
Asa anefa ! (l)
3. cutie ( 21/06/2009 21:17)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 21-06-2009 22:26:51
Lohateny : avy @Jehovah ve sa tsia
Za manambady t@alalany internet no nahitako azy de nivady zahay sa nefa kristianina manenjika ahy ny eritreritro ndraindray hoe avy @jehovah ve io vadiko io nefa za no nahita azy t@ internet .Ahoana ny hevitrareo za manokana dia mieritreritra ihany nefa hoe matoa tanteraka ny fanambadianay de mety avy @jehovah zany nefa ndraindray hoa manenjika ahy ny eritreritro hoe tsy avy @io nefa za kristianina :/

avy aminy ka :D
4. Ilo ( 22/06/2009 08:14)
Vady avy @ A/tra :
- araka ny sitrapon'A/tra ve? : aza mitondra zioga tsy antonina ka mikambana @ tsy mino --> kristianina tokony manambady kristianina ihany
- neken'ny ray aman-dreny ve? : manajà ny Rainao sy ny Reninao
- nekenareo roa ve? : tsy noterena ianareo roa

Amiko rehefa feno ireo 3 ireo dia izay no ataoko hoe avy @ A/tra
5. hery ( 22/06/2009 08:56)
Ka ny internet aza avy amin'i Jehovah kou
6. xxx ( 22/06/2009 09:11)
hery:

Ka ny internet aza avy amin'i Jehovah kou



Eny woa ry Hery,rehefa fitiavana tamin' ny fomba madio dia avy aminy avokoa
7. ikaretsaka ( 22/06/2009 11:19)
Fa tsy maintsy aiza kay le vady no hita vao hoe avy @ ndraJehova?
8. niryna ( 22/06/2009 18:37)
xxx:

Za manambady t@alalany internet no nahitako azy de nivady zahay sa nefa kristianina manenjika ahy ny eritreritro ndraindray hoe avy @jehovah ve io vadiko io nefa za no nahita azy t@ internet .Ahoana ny hevitrareo za manokana dia mieritreritra ihany nefa hoe matoa tanteraka ny fanambadianay de mety avy @jehovah zany nefa ndraindray hoa manenjika ahy ny eritreritro hoe tsy avy @io nefa za kristianina :/

fa aiza no tokony nandehanan'i xxx? vazivazy izany,
maro no lalana andehantsika rehetra amin'ny fiainana,mety ho izay no lalana iray nitondran'Atra anao raha resaka fanambadiana no teneninao.Efa vadinao izy izao dia aza mitsahatra ny miaraka mivavaka hianareo .Ny tenin'Atra mantsy dia manambara fa izay nakamban'Atra dia aoka tsy ho sarahan'olombelona
na kristiana na tsy kristiana ny vadinao ,rehefa izay no lahatra dia izay ilay izy,mivavaha fotsiny mba andray ny fanahin'Atra izy ary mivavaha ny tokantranonareo mba Atra no mandidy amin'ny zavatra rehetra
mahereza
niryna

9. ni81 ( 22/06/2009 19:56)
.
Efa vadinao izy izao dia aza mitsahatra ny miaraka mivavaka hianareo .Ny tenin'Atra mantsy dia manambara fa izay nakamban'Atra dia aoka tsy ho sarahan'olombelona
10. rzakarivola ( 24/06/2009 13:18)
Iombonako hevitra ny tenin\'i Ilo, izay hazavaiko sady harahiko témoignage eto :
1- araka ny sitrapon\'A/tra : Ny sitrapon\' Andriamanitra dia izao \"mba hanana fiainana mandrakizay izay mijery ny zanaka ka mino Azy\"[Jaona 6:40]. Koa raha toa ny fanambadianao an\'io olona io ka hahatonga ny olona hahita an\'i Jesoa Kristy (ilay Zanaka), hahafahany mino Azy mba hovonjena izy, dia araka ny sitrapon\' Andriamanitra izany.
2- manajà ny rainao sy ny reninao : mametraka ireo ray aman-dreny @ toerany :
* Ray : niteraka, namelona, nisiana
* Reny : vadin\'ny Ray, tena iray amin\'ny Ray, mpanampy tandrify ny Ray.
* Ray aman-dReny : solon-tenan\' Andriamanitra ety ambonin\'ny tany.
Ka raha nametraka izany toerana izany t@ ray aman-dreny ianao t@ fanambadianao, dia araka ny fanajàna azy ireo izany.
3- Tsy noterena ianareo roa : Betsaka no mety hanery : namana, ray aman-dreny, vola, hatsaran-tarehy sy bika, voninahitra sy laza, ... fa tsy noho izany no nahatonga ny fanambadiana, fa tena nanana safidy mihitsy hoe hanambady azy ve sa tsia, koa afaka nandà ary afaka nanaiky koa. Raha izay dia tsy noterena ilay izy.
Hoy Ilo hoe, raha feno ireo telo ireo dia avy amin\' Andriamanitra, miombona aho, ary hijoro vavolombelona aho fa ny vadiko dia avy amin\'i Jehovah Mpamonjy :
1- Raha nanambady azy aho (ary izy koa nanaiky ahy) dia tena mba hahitan\'ny olona maro an\'i KRISTY tokoa hamonjena azy ireo.
2- Ny dadanay mihitsy no niteny hoe \"mila manambady an\'iny pasitera iny elah raha tsy izany aza miarakaraka aminy intsony\", ary ny fizotran\'ny fanambadiana dia natao araka ny fomba nahafaly ny reniko rehetra : vodiondry, soratra, mariazy (am-piangonana), ary nilazany fa nahatsiaro tena ho namoaka zanaka lahy tokoa izy t@ity indray mitoraka ity.
3- Teo @ fisoratana dia nilaza ny délégué au maire raha toa ka tsy nisy nanery ankoatra ny fitiavana aho nampakatra an\'dRamatoakely ... ho vadiko, nieritreritra kely aho sao dia miteny zavatra tsy marina, fa tsaroako hoe \"Andriamanitra fitiavana\", ary satria Izy no nahatonga ahy hampakatra io vadiko io araka ny sitrapoNy, dia tsy nisalasala aho namaly hoe \"eny\".

Izay ny ahy ry namako, avy amin\' Andriamanitra ny vadiko.
Tsy voatery ho toy izany daholo ny olona rehetra, fa ny azo antoka kosa dia izao :
\"ny vady hendry dia avy amin\'i Jehovah\".
Na avy amin\' i Jehovah ny vady na tsia, ny fahendren\'ny vady dia avy amin\'i Jehovah ihany.
11. soanja ( 24/06/2009 14:20)
xxx:

Za manambady t@alalany internet no nahitako azy de nivady zahay sa nefa kristianina manenjika ahy ny eritreritro ndraindray hoe avy @jehovah ve io vadiko io nefa za no nahita azy t@ internet .Ahoana ny hevitrareo za manokana dia mieritreritra ihany nefa hoe matoa tanteraka ny fanambadianay de mety avy @jehovah zany nefa ndraindray hoa manenjika ahy ny eritreritro hoe tsy avy @io nefa za kristianina :/


Mampiasa ny herin'i Jehovah ianao rehefa nampiasa ny Internet. Miara miasa aminao ny enerjia rehetra mifandraika sy ny fahaizana amam-pahalalana natolonY antsika mba nahafahanao ahita ny sila-panahinao. Ny fahafahantaranao kosa hoe avy amin'i Jehovah ve ilay olon-tianao dia ny Fifandraisanareo ao fa tsy ny fomba velively akory.

Ny Fifankatiavana sy ny Fifampitokisana ary ny Fanantenana ao anaty tokatrano ao no mety itarafanao izany.

Mahereza!
12. diamondra27 ( 24/06/2009 15:42)
aza mampime nareo moa e
13. ikaretsaka ( 25/06/2009 00:26)
Le nosiahina t@ arabe sy nandrasana tao anelakelatrano koa avy tamin drajehova sa tsia?
14. ari.malala ( 25/06/2009 06:29)
3- Tsy noterena ianareo roa : Betsaka no mety hanery : namana, ray aman-dreny, vola, hatsaran-tarehy sy bika,
hazavao azafady fa ts mazava! angaha manery ny bika sy ny tarehy?
15. rzakarivola ( 30/06/2009 08:11)
ari.malala:
hazavao azafady fa ts mazava! angaha manery ny bika sy ny tarehy?

==> Eny, manery tokoa ny tarehy sy bika. Possible olona hanambady olona iray satria tena lafatra ny tarehiny na ny bikany. Ny tarehy sy bika no nanery (nanosika tamin-kery) azy izay.
16. hraharison ( 02/07/2009 14:26)
Manao ahoana
i Adama anie nitoetra irery tamin'ny voalohany de nomen'i Jehovah an'i Eva de lasa 1 izy roa. Ny vady hendry no avy amin'i Jehovah. Ny lanitra sy ny tany namboarin'i Jehovah. Ny olona rehetra namboarin'i Jehovah. Noho izany raha tsy noho ny sitrapon'i Jehovah dia tsy nisy isika rehetra. Avy Aminy daholo izany na Ianao na ny vadinao.
Mazotoa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1451