JEREO KELY ANIE TY RY ZANAKY DADA E! HO TONG N FARANY E

1. general ( 19/06/2009 15:09)
politika
Hetsiky ny « Zanak’i Dada »

Mikasa handrava ny hetsika ny fitondrana ?

Handrava ny hetsiky ny mpitaky ny ara-dalana tokoa ve ny HAT amin’izao an-katoky ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona izao? Nilaza ny tao amin'ny HAT fa ho foanana ny Magro satria sady tsy mangataka alalana no manozongozona ny Fanjakana sy manakorotam-bahoaka .Niverimberina tamin’ny kabary nataon’ireo mpitari-tolona, omaly, nandritra ny fotoana mahazatra tetsy amin’ny Magro mantsy ny fampitandremana ny fitondrana ny amin’ny mety ho fikasana handrava ny tolon’ny « zanak’i Dada ». Ny Depoite « Rasomotra » omaly dia namatrapatratra mihitsy fa « raha misy ny fifandonana eto amin’ny Magro dia asakasakareo izany satria izahay tsy tia fandrahonana ».
Ny Depiote Yves Aimée Rakotoarisoa ihany koa, tetsy an-danin’izay, dia nilaza fa « raha izao filaminan’ny mpitaky ny ara-dalana izao no ilàna sotasota dia manasa tanana ny mpitarika ny hetsika ». Ny ho fankalazan’izy ireo ny fetim- pirenena amin’ity indray mitoraka ity dia nambara fa vao faha 18 jona (omaly) isika izao ka tsy mbola holazaina aloha ny zavatra hotanterahina.Ny hita koa anefa dia toa efa mihena ampitoerana ihany koa ny eo amin'ny Magro.
Ny Tahiry R.

répondu par fijo le 19/06/2009 20:33
2. general ( 19/06/2009 15:48)
de raha vao be kiry eo ndray tsy mety miala teo de ho tifitifirinay ataonay goaka eo aby ndray reto TIM kely sisa nanamborana reto !

-fa izao rehefa manampotoana tokoa hianareo ry reto ry TIM de mba mandalova kely eo amin ambasady gasy ao paris fa ho hitanareo miandry ny ambasady ao aho( general) tena marina io a! tsy manao tenue miaramila ah fa tenue civil ! de mba miarabà fa samy olon'ny serasera.org rehefa mifankahita ao e! tsy misy politika ao fa just miandry ambasady fotsiny isika ! tsy tonga namana vao mavomavo kou zahay e!
3. andrywui ( 19/06/2009 16:06)
13. Mpandefa : tsimatimanota [ Valio ] 19-06-2009 16:43:50
Lohateny : Re : TSY MILA Côtier Izany ry zareo GTT/Ra8
NY OLONA MPANDRANGITRA ADIMPOKO NO TENA MIRAVIRAVY @ TANY NY FISAINANY
KIDOROMPOHRY KO MOA SA INONA IZY TEO ?


raha tena tsy miandany sy mitazona andraikitra goavana ny site serasera ary ianareo ry MPIANDRAIKITRA de ahoana io tsimatimanota miteny ratsy be io !
---raha mbola velona eto io PS io de mangataka ny TGV rehetra hicopie an'io !


JEREO IO DINIKY KIDOROPAMBA AMBANY IO!! DE AHOANA IO RY ZALAHY ?
4. yuka ( 19/06/2009 16:13)
i adrywui ny hitsikera ny serasera no hidirana eto marary ve??
sady havanana amin'ny fitenenan-drery :-D :-D :-D
5. locl ( 19/06/2009 19:08)
Ravao eo hijerena azy e!
6. fijo ( 19/06/2009 20:33)
mba saina amin'izay ampiasaina fa mahamenatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0636