soso-kevitra hampandeha ny raharaham-pirenena

1. mihitsy ( 19/06/2009 06:55)
Raiso raha mety aminareo de ario raha tsy mety! fa amiko raha tiana hilamina M/skara de esory anaty lisitry ny fisainana aloha ra8 sy Ratsiraka. Le voalohany efa nanala ny fahefana teo an-tanany, inona intsony no azo atao aminy? fa raha oe tsy nanao an'io izy de marina ny azy, mbola pdt izy. Sady ny ratsy no betsaka no vitany teto M/skara.Le faharoa indray efa oviana ny tantarany? Sady mbola ratsy ihany koa no vitany teto. Tombo-tsoa ho an'iza no iverenan'zareo eto? ho an'ny akamany mifampizara aminy ny volam-bahoaka fotsiny ihany, de ho an'ny tenany fa tsy ho an'ny tanindrazana!
Koa amiko raha tena fitiavan-tanindrazana no misy ao amintsika de tsy hiaro an'reo olo ireo, fa ny fiainana no tohizina, ze misy eo no atsaraina, fa tsy faly mi-critique ny zava-tsy mety rehetra. Sy tsy atao koa ny manoro vohana ny mpiray tanindrazana. Ny fitiavan-tena alaviro fa tsy izao fotoana izao ihany akory no iainana. Soso-kevitra aza no ilaina ampandrosoana ity firenena iainantsika mandrakizay ity.
répondu par xxx le 19/06/2009 11:52
2. Noue ( 19/06/2009 07:10)
ny fahitako azy kosa aloha dia tsy hilaina velively ny fiverenan'i Deba sy Ravalomanana , namaky ilay voalaza tao @ tribune aho fa tsy io oe hasaina tonga any M/car izy 2 ireo no solution.

Ka iza aza no hapetraka eo ? tgv ve ?? io kosa aloha dia mino aho fa tsy ho lanim-bahoaka mahintsiny ee !

dia ny solution hitako angamba dia haroso aingana dia aingana ny fifidianana dia aleo ny vahoaka no hitsara.
3. mihitsy ( 19/06/2009 07:17)
tgv anie tsy hijanona eo mandrakizay e! tetaza-mita fotsiny ihany io sao tsy hainao le oe tetezana. Fifidianana tsy maintsy atao fa aleo hilamina de hisesy fa mbola tsy hangarahara io raha zao de efa atao, mbola be ny hodiovina eny rehetra eny, ny lalam-panorenana koa tsy amboarina, fa mahaiza miandry fa tsisy mahamaika!

4. Mirananirina ( 19/06/2009 08:19)
Olom-baovao ihany izao no andrasanay dia izay,olona manampahaizana indrindra ara politika.
5. essera ( 19/06/2009 08:47)
Noue:
ny fahitako azy kosa aloha dia tsy hilaina velively ny fiverenan'i Deba sy Ravalomanana


Izay ahay les Noue mba tena d'accord à 200% am'lah a. Ndao hijery pizza tsika mitsam.
6. xxx ( 19/06/2009 11:52)
mbola mitsingilahila le tetezana aloha izao e. Ny mety dia aleo mirobo-drano fa marivo ihany izy zao.Za tsy te hahita olona latsaka avy eny ambony tatezana eny satria ry sareraka, pierre andrianantenaina ,ry ramaromisa, ry ramarosahona de no mitaty azy ato ambany...ayayayay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0451