3G Italie
1. jefra
(
17/06/2009 12:29)
Manahoana daholo.
Sao mba misy afaka manome ny offre misy aty Italie (Rome). Handalo kely herinandro kanefa tsy manana connection ny akama hovangiana.
Tsy resaka abonnement izany no ilaiko fa fampiasana vonjy maika fotsiny. Modem+Netbook no fitaovana hampiasana azy.
Misaotra mialoha sady mirary soa ho an'ny rehetra.
Jefra
2. hery
(
17/06/2009 13:53)
Betsaka ihany ny karazana offres ho an'ny prépayés aty ka. Sady flexibles tsara.
Ity ohatra misy iray http://www.tim.it/consumer/o69804/tariffa.do
10 Euros ao anatin'ny iray volana (Tsy abonnement), 50mb isanandro no gratos fa azo ampiana...
Misy hafa koa fa azo anontaniana eny @ centro TIM na vodafone
3. jefra
(
17/06/2009 15:28)
Misaotra indrindra Hery!
Tena io ilay karazana offre tadiaviko. Fa mila fotoana ny mamaky azy am google translate satria tsy mahavoa ilay fiteny. Misy ho trandrahana fa misaotra e.
Jefra
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2025 - page load 0.2259