Antsa an'onjam-peo no kalo

1. raozigasy ( 16/06/2009 22:52)
"Antsa an'onjam-peo no kalo" io no tetik'asa atolotra ny mpanoratra tononkalo malagasy rehetra tsy ankanavaka , ho fampiroboroboana ny kanto malagasy.

novalian'i pissoa ny 30/06/2009 09:03
2. RATOVOARY ( 17/06/2009 06:02)
Ny ahy aza le lahatsoratra fanolorana iny tsy mbola vita hatram'zao r'ise!
Ho vitaiko iny ato ho ato fa efa mba malalaka kely izao kah (l)
3. maeva74 ( 17/06/2009 09:36)
Ho anareo mpiandraikitra , miha_ mafinaritra ny takelaka misy ny tononkalo ary faly sy mazoto tokoa izahay mitsidika, saingy misy fanontaniana kely azfady raha tsy mahadiso:" vetso.serasera" Antsa an' onjam-peo no kalo" voatery tsy maintsy hoe tononkalo ihany ve no azo atsofoka ao @ io takelaka io, satria mantsy mety misy manantalenta ihany koa @ kalo hafa , ka aiza no azo hatsofoka ilay asa tanany fa tsy hita ny asiana azy , misaotra indrindra anareo
4. raozigasy ( 28/06/2009 10:48)
> Ratovoary : ataovy milamina dia alefaso rehefa vita ilay lahatsoratra e
> Maeva74 : misaotra anao amin'ny famporisihana , hatramin'izao aloha dia tononkalo ihany no tsara ampidirina ao amin'ny vetso, fa raha misy resaka hafa toy ny tantara dia azo ampidirina ao amin'ny takelaka hafa, efa vita ny fanavaozana ny ohabolana.org dia mety azo ampidirina any ny tantara sy ny kabary hafa isan-karazany.
Misaotra antsika rehetra amin'ny fanampiana isan-karazany atanareo eto e
Mazotoa daholo
Raozigasy
5. maeva74 ( 28/06/2009 18:43)
Misaotra amin' ny valin- teny ka dia vonona ary izahay hitsidika ny takelaka ohabolana.
6. pissoa ( 30/06/2009 09:03)
Toa misy ny tahiry http://serasera.org/tahiry/ azo ampidirana tantara ka :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3008