stress

1. xxx ( 16/06/2009 08:58)
Manahoana e. Misy mandreraka, mampalahelo sy mampiasa saina ah kely amin'zao, ary normal raha sendra oe mi stresse. Fa na zany aza aleo anotaniako ihany ianareo sao dia zavatra hafa. Midoboboboka be ny foko ary indraindray sahirana mihitsy miaina. manao fanina kely foana, fa tsy maharitra be. te handoha matetika, dia te hipipy be sy te hitomany be foana. Indraindray te hikiakiaka be za. Efa nataoko indray mande ilay mikikiaka dia ohatra ny tony kely za aveo. Ny fanotaniko oe stresse tsotra, na oe be loatra ve mahatonga an'ireo sa mety misy zavatra hafa. Hijery Dr za, fa mba tiko fatapatatra aloha ihany koa. Marihina fa tsy bevohoka mihitsy za. Izany hoe tsisy chance oe bevoka mihitsy.

Misaotra e.
novalian'i lako ny 07/09/2009 06:10
2. ni81 ( 16/06/2009 09:33)
Araka ny fiheverako dia normal ilay manjo anao raha toa ka misy mandreraka sy mampiasa loha.
T@ zà avy nodidiana dia tena voan'io fo midobodoboka be io (palpitation) ary ny fanafody nataoko dia vonim-boasary no atao dité fisotro. Mety ho miakatra kely koa angamba ny tosi-drà no mahatonga ilay fanina. Ilay mandoa koa dia betsaka ny olona manao io rehefa misy pb manjo azy.
Manatona dokotera tokoa fa misy fanafody omeny hampitony anao e!
Mirary soa
3. Tazana ( 16/06/2009 11:58)
Tena misy hifandraisany ireo symptômes rehetra ireo sy ny stress. Rehefa stressé ianao dia mamaoka cortisol ny vatana ary ireto no effets ny cortisol:

les troubles métaboliques : hyperglycémie (diabéte), rétention d'eau et de sel (d'où prise de poids), fuite potassique avec ses risques sur le coeur (troubles du rythme), augmentation de l'excrétion rénale et intestinale du calcium, catabolisme protidique musculaire (diminution de la masse musculaire), osseux, plasmatique, hyperuricémie (la goutte est une contre-indication), redistribution des graisses (cou, face).


Ny azoko atoro mandra-pandeha any amin'ny dokotera: hampitomboana ny fihetsiketsehana (mampiasa vatana) satria ny fampiasana vatana manana effets mifanohitra amin'io: mamaoka raha tsy diso aho dopamine sa inona moa iilay hormone mahatonga anao matsiaro sambatra. Ka tsy hoe mikotrana be fa raha manambady na misy namana dia mandeha tongotra na 20-30 minutes isan-andro. Somary manao dia maika.
Raha manana fahafahana mandeha manao gym vao mainka tsara. Rehefa mandeha manao gym ianao, tsara ny humeur mandritra ny au moins 6-8h arakaraka ny olona. Rehefa misy zavatra manahirana ka azo hajanona aloha dia mandehana mandeha ivelan'ny trano mihitsy na mandeha quelques minutes aza misava aloha ilay mandreraka vao hatrehina amin'ny saina misokatra kokoa.
Ny dokoteranao mety manoro bebe kokoa avy eo rehefa mankany iaano.
Mirary soa!
4. xxx ( 16/06/2009 15:46)
Misaotra anareo. Efa ataoko ilay manao sport kely, na mihazakazaka na mandeha dia-maika isan-kariva. Fa vetivety kely ny effet-ny dia afaka. Indraindray tena vao tafaverina mihitsy aza aho dia efa te hiverina hivoaka ny trano. Angamba mila atao be kokoa. Fa misaotra mi-rassure hoe stresse ihany izany ka.
5. niryna ( 18/06/2009 19:50)
xxx:

Manahoana e. Misy mandreraka, mampalahelo sy mampiasa saina ah kely amin'zao, ary normal raha sendra oe mi stresse. Fa na zany aza aleo anotaniako ihany ianareo sao dia zavatra hafa. Midoboboboka be ny foko ary indraindray sahirana mihitsy miaina. manao fanina kely foana, fa tsy maharitra be. te handoha matetika, dia te hipipy be sy te hitomany be foana. Indraindray te hikiakiaka be za. Efa nataoko indray mande ilay mikikiaka dia ohatra ny tony kely za aveo. Ny fanotaniko oe stresse tsotra, na oe be loatra ve mahatonga an'ireo sa mety misy zavatra hafa. Hijery Dr za, fa mba tiko fatapatatra aloha ihany koa. Marihina fa tsy bevohoka mihitsy za. Izany hoe tsisy chance oe bevoka mihitsy.

Misaotra e.

jereo koa raha toa ka tsy ampy ra hianao na ambany be ny tosi-dranao fa ireo koa no karazana fisehoana rehefa tsy ampy ra
ny mikasika ny stress indray dia mety mahazo ny rehetra io fa ny fomba fandaminanao ny sainao no tena ilaina.
Ny tiako tenenina dia hoe hianao tenanao mihitsy no mianatra mamela heloka ny olona izy manana ady aminao na manao izay mahatonga anao ho be stress.Raha kristiana moa dia ity no fomba iray atoroko anao fa manampy ahy amin'ny fiainako izany.Manao izay manafitoana anao ny mpampiasanao? mivavaha ho azy ary mamela azy mba andray an'Atra amin'ny fiainany koa izy.MIvavaha alohan'ny iresahana ireny olona manome fanafitoinana anao ireny ,ataovy fantany tsara fa na inona toetra ataony analana ilay fifaliana ao anatinao dia tsy misy ,tsy nisy ary tsy isy na olona iray aza afaka manala izany aminao fa hianao irery ihany angaha.Mila mamela heloka,mila mitia ny fahavalo,tsy mila miafonafona fa mandray an'ilay olona tsara ary dia miarahaba azy tsara.Ataovy fantany fa manana jiro hianao ary io jiro io dia manazana ny tontolo hiainanao satria hianao manana an'Atra.Aza adino ny misaotra sy midera an'Atra na amin'ny fifaliana na amin'ny fahoriana.Aza adino koa fa ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia natao mba iderana an'Atra avokoa ka matoa mitranga ny zavatra iray dia nataony ho karazana test amin'ny fiainantsika ilay izy.Tsy amela antsika ho irery izy ,dia tazomy foana izay teny izay fa ho afaka moramora ny sorisorintsainao,hiadana lalandava ny sainao,hiala moramora ny fahatezerana sy ny fo mitebiteby sy feno fitaintainana.Raha vao iray amin'ireo fahasambarana ireo fotsiny no masoandro miposaka vao maraina amin'ny fiainanao dia aza adino ny miantsoantso midera sy misaotra ny anarany na aiza toerana misy anao na aiza.Andramo anie e
Fahasalamana no resahintsika eto ka tafiditra aminm'izany fahasalamana izany koa ny fo tony,fo mandefitra,fo mizara,fo manana fitiavana,fo mamela ,fo manana fanantenana ary fo mizara fa manao miracle amintsika isan'andro ilay Atra velona .izay mahereza
(l) niryna
6. xxx ( 19/06/2009 09:42)
@Niryna : toa tsisy mention mihitsy hoe olona no nampalahelo na nanafitohina ahy ka. Mankasitraka.
7. lako ( 07/09/2009 06:10)
Ty ary misy fomba iray eeee!!!
Milomano no manala stress be indrindra @ sport reetra!!Ra ohatra moa ianao tsy mahay milomano de mbola tsy tara zany fa olona lehibe efa firy taona 65 taona aza mianatra milomano noho ny tension sy areti-po mahazo azy!!!
Efa nahita mitsy za tao Betongolo!!nefa izy efa ranga lehibe!!
Miara milomano fa tsara be io!!Mirary soa eeee!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.189