hiandry firy taona?

1. xxx ( 16/06/2009 07:43)
slt daoly
za dia tovovavy 21 taona miaraka aminoul 23 taona,efa 3 ans zao. ny olana kely de mba te hiroso am étape manaraka otrany oul rehera iany zay saingy tsy misy vola mihitsy satria izy miova école fona fa tsis formation mety amle zavatra tiny ianarana mitsy de ny 3D, saika ho any andafy izy hanohy fianarana nefa tsy voaray ny dossier ny de zao izy zan tsy mianatra tsony fa hanangana société anzay manokana hono, nefa lé izy ts de tena mahavelona firy alou ra ny itako. izy alou de tena tiko ary mba tiko mitsy ra izy no lasa vadiko, zay rahateo efa mifanerasera be amin fianakaviana na izy na za de otrany oe tsy afa mihemotra kou zan zay kelke part, kanefa tena mbola ho ela izy vo ho tafita, mety 7 taona any ngamba, za ndray efa nahavita fianarana, mety hahavelona iany ze karamako eo nefa tsy de tiko lotra le oe vehivavy ndray no mamelom-bady satria lasa otran oe dévalorisant ho anazy le izy sady ny famille ny kou manambany be anazy oe efa lehibe nefa tsis atokona akory, ka in ary ny atao amizan?
misaotra anareo!
2. maeva74 ( 16/06/2009 09:28)
Raha mba izy mantsy no ho vadiko dia tiako be mihintsy, saingy ny fiainana indraindray tsy manaraka izay sitrampontsika olombelona , raha sahala amiko aloha dia tsy hitako izay mahamaika , ianareo mbola tanora kely 21 sy 23 taona izany mbola manana fotoana be ianareo, ny hoe etape vaovao toy ny olona rehetra \" nofinofinao izany\" afaka mamonjy ilay etape ianareo arak\' ilay noeritreretinareo, fa saingy tsy voatery ny hifanambady hanao tralala avy hatrany , mahafinaritra angeh le hoe hanao mariazy izaho sy izy nefa , fantaro fa tsy moramora ny fanambadiana ,mieritreritra isika mantsy hoe @zay aho libre miaraka matory foana izay tsy bedy sy ny tariny , lazaiko anao fa diso tanteraka ilay nofinofintsika zazavavy fahiny, ny fianakaviana ve? tsy voasakana ny vavan\' izy ireo tsy hisokatra , izay maha- mety ny fiainanareo no ataovy fa tsy izay maha_ mety ny an\' ny sasany , ny vavambahoaka koa tsy hikombona mihintsy, toro- hevitra no nangatahanao dia mba manome anao aho fa tsy votery akory ianao hanaraka izay lazaiko, mahereza ary e!
3. mmmhh ( 16/06/2009 11:22)
za dia tovovavy 21 taona miaraka aminoul 23 taona,efa 3 ans zao

Mbola tanora kely nareo roa kely, tsy misy zavatra mahamaika.

ny olana kely de mba te hiroso am étape manaraka otrany oul rehera iany zay saingy tsy misy vola mihitsy satria izy miova école fona fa tsis formation mety amle zavatra tiny ianarana mitsy de ny 3D

inona moa le etape tianao tenenina eto? mariazy sa hitonka-trano fotsiny.
Marina fa telo taona niarahana nareo, mety efa mifankahay toetra, nefa ny ao anaty fanambadiana ao koa vao tena mivoaka ny toetra hafa,

za ndray efa nahavita fianarana, mety hahavelona iany ze karamako eo nefa tsy de tiko lotra le oe vehivavy ndray no mamelom-bady satria lasa otran oe dévalorisant ho anazy le izy sady ny famille ny kou manambany be anazy oe efa lehibe nefa tsis atokona akory, ka in ary ny atao amizan?


Tsy hilana volabe akory zany manambady zany reefa tianao ilay olona, nefa rah eto sahady enao de efa mametraka olana ny @ resaka ara-bola dia conseil-ko aza miroso aloha, satria mitarika lonilony be de be eo @ mpivady io resa-bola io, ka sao de ho rava maina eo ny anareo roa kely,

zay rahateo efa mifanerasera be amin fianakaviana na izy na za de otrany oe tsy afa mihemotra kou zan zay kelke part,

ary sao de mba noho ny fahatsapanareo ny tsy afa-mihemotra no maha-may anareo ny hiroso ?? satria rah ny taonanareo tsisy tokony mahamaika, 21 sy 23 ans !!!!!!!!!



4. xxx ( 16/06/2009 12:01)
misaotra am conseil sy encouragements e! ny tena tsy tiko ko mantsy le famille ny zan maita ny réussite anle zokiny de lasa manao comparaison be fona aminy nefa tsy mitovy ny oul rehetra de itako oe lasa battu moral be izy ndraindray amle izy, fa marina daoly alou ny zavatra voalazanareo teo e! justement tsy maika zay fa ny oul no mapirisika be oe ovina iany nefa zay tsy mbola amizany mitsy (immédiatement zany) fa mety oe any aoriana any ngamba, samy mbola manana ny nofinofinay koa alou zay!
5. Tazana ( 16/06/2009 12:15)
Io iilay resaka mifampitaha amin'ny fianakaviana io ihany ilay manimba!
Raha manana projet izy dia tohano aloha. Azonao atao anefa ny milaza - amim-panajana hoe zao sy izao ny tahotrao (lazao hoe maninona n manahy ianao sao tsy mandeha ilay izy). Avy eo raha tapa-kevitra izy hoe atao ihany dia tohano izy fa misy chance kokoa ny ataony mi-réussir raha tohananao izy no ho ny hoe gidragidrainao foana na critiquer na lava. Tsy ho mora aminy tsinona ny fanaovana ilay izy fa raha fantany hoe de con côté ianao mety vao mainka izay mampitombo ny productivité-ny.
Raha sanatria tsy mandeha dia miara mitady vahaolana hafa. Aza latsaina izy satria mahomby izy, mahomby ianao, tsy mahomby izy , tsy mahomby koa ianao satria ekipa ray ihany nareo. Dia ny fiainanao tohizo aloha satria tsy hay ny avaokan'ny ampitso. Aza iantohana izy fa manjary mampianatra azy zavatra hafa indray sady araka ny teninao tsy mampisy confiance en soi ho azy. Lanjalanjao eo fa mety ny fahitany ianao avy eo no hanampy azy hiova hevitra raha tena tsy mandeha ny zavatra ataony. Fa kosa ianao mila miezaka be mampiseho hoe tena manohana ianao tianao ny hahombiazany!
Avy eo ny resaka fianakaviana: aza raharahina loatra fa jereo aloha hoe mety ve ny anareo roa sa tsia. Raha tsy natao hiaraka ka hoe te hisaraka, aza mijanona satria no ho ny henatra satria jereo: inona no tianao hizaka henatra nefa ny fiainanao mandeha sa hizaka fahoriana mandrakizay?! Tadidio fa ny olona miteny tsy hanampy anao amin'ny fiainana fa faly mitsikera fa ny fiainanao dia ianao ihany no mizaka azy!
Mahereza!
6. Papoose ( 16/06/2009 13:29)
Anampiako azy, positiveo foana raha mbola vita! tsara izy rehefa manana ambition hoe hanao zvt @ herin'ny tenany, vao maika tsara raha tena mifofotra izy manao azy fa tsy kobaka am-bava fotsiny....raha mi-reussir le izy dia arahaba soa arahaba tsara...sanatria tsy mi-reussir moa dia fierté ho azy ary koa raiso ho fierté ho anao hoe efa niezaka na tsy tafa aza. Tena important mihitsy io enao mi-supporter azy io fa zao dieny samy mbola kely zao dia ianarana ny mifampi-support fa sahirana be rehefa samy lehibe no mifampiandriandry eo, dia tsy mahavita n'inon'inona miaraka dia samy mifankaleo ny farany!

tadidio koa fa ny mifanerasera be @ fianakaviany na izy mifanerasera be @ fianakavianao tsy voatery hidika hoe voatery hifanambady, satria lasa hena-maso raha tsy mifanambady...raha ny taonanao za manokana tsy hi-conseiller mihitsy hoe hivaky loha @ zany....nde aloha mifonce @ fianarana raha mbola te hianatra...na miasa mafy dia manangona hanomana ny fiainana any aoriana....

raha tsy mety aminao le hoe hamelona azy @ zao izy mbola tsy hita zay ambony sy ambany @ny zao dia avelao aloha izy hifonce, asio fe-potoana hoe h@ oviana, fa tsy fantatrao na rehefa hiara-hihinana ny manta sy masaka ao nareo dia izy hampianao dia zatra tolorana koa dia mety ho kamo...tsy misy hahalala an'izany mihitsy raha tsy efa mitranga...
7. soanja ( 16/06/2009 14:01)
xxx:

slt daoly
za dia tovovavy 21 taona miaraka aminoul 23 taona,efa 3 ans zao. ny olana kely de mba te hiroso am étape manaraka otrany oul rehera iany zay saingy tsy misy vola mihitsy satria izy miova école fona fa tsis formation mety amle zavatra tiny ianarana mitsy de ny 3D, saika ho any andafy izy hanohy fianarana nefa tsy voaray ny dossier ny de zao izy zan tsy mianatra tsony fa hanangana société anzay manokana hono, nefa lé izy ts de tena mahavelona firy alou ra ny itako. izy alou de tena tiko ary mba tiko mitsy ra izy no lasa vadiko, zay rahateo efa mifanerasera be amin fianakaviana na izy na za de otrany oe tsy afa mihemotra kou zan zay kelke part, kanefa tena mbola ho ela izy vo ho tafita, mety 7 taona any ngamba, za ndray efa nahavita fianarana, mety hahavelona iany ze karamako eo nefa tsy de tiko lotra le oe vehivavy ndray no mamelom-bady satria lasa otran oe dévalorisant ho anazy le izy sady ny famille ny kou manambany be anazy oe efa lehibe nefa tsis atokona akory, ka in ary ny atao amizan?
misaotra anareo!


Ireto avy ny mba avy aty amiko:

- Mbola tanora kely indry ka aza maika ny hanambady fa aleo aloha jerena tsara ny fipokan'ny traikefa iainan'ilay olon-tianao amin'ny zavabaovao tiany atao toy ny hoe fananganana orinasa izany. Eo ianao afaka mijery azy tsara , raha tafita ny ezakany dia ahoana ary raha tsy tafita de ahoana. Miankina amin'io no ahafantarana na lehilahy hahavita hitarika tokatrano izy na tsia.

- Mbola tanora kely indry ka aza mihevitra fa efa vita sahady ny fianarana. Tohizo na hoe mianara zavabaovao indray na dia handaniana fotoana aza mba hanampy izay efa hay eo satria ny fiainana tsy vitan'ny fahaizana resaka iray amin'izao fotoana mitaky fahalalana, talenta sy traikefa isan-karazany izao amin'ny sehatry ny asa. Izy koa toy izany, tokony tsy hifototra amin'ny zavatra iray fa asiana fifangaroana ny fahalalana. Ny antony itenenako an'io dia mba tsy ifantohana lava amin'ny eritreritra hoe mila ampakarina amin'izay zah na hoe mila manambady amin'izay zah fa efa lehibe sy nahavita fianarana. Tsy misy fetran-taona ny fanambadiana fa na dia 40 taona aza dia mbola afaka manao mariazy na mitokatrano. Ny zavadehibe dia mila tsara orina ny tokatrano, zany hoe fototra mafonja.

- Tsy mba misy izany hoe ny lehilahy tokony hampidi-bola foana izany ary ny vehivavy fanampiny fotsiny fa tena azo atao tsara hoe rehefa ao anaty tokatrano ao indray andro any raha hisy izay dia ny hoe fifanohanana amin'ny samy mpivady ka na izy na ianao no tsara mivoaka ny trano mandeha mitsakaraka moa ny iray mikarakara tokatrano sy mikarakara ny ankizy. Tsy misy hoe ny lahy ihany no miasa aloha fa samy mitovy. Ny zavadehibe eto dia ny fahaizan'ny tsirairay avy mikarakara tokatrano. Koa dieny zao dia jereo tsara raha mahamasa-bary izy ary mahay mamelona charbon ohatra ary mahavita mipasoka ny akanjony. Eny na dia manan-karena aza izy dia takio ao anaty fisipana ao ny fahitanao azy mahavita zavatra iray mora sy tsy mila fahatafitana avy any ankafa.

Mahereza mandinika ny fiainana madinidinika izay efa niainana.

8. vale ( 16/06/2009 22:59)
efa voalazalaza teo daholo ihany koa ny tiako hambara , hamehezako azy izany: aza maika, mbola jeunes kely nareo 2; tanteraho tsara alou ny projet anareo raha toa ka olana eo aminao ny resaka ara-bola, io moa samy manana ny fandraisany azy, amiko manokana indray izany dia tsy ataoko olana tsy hikambanako amin'oul iray.Afaka miaraka mitady vahaolana eny foana à 2!!! Aza mihaino izay tenenin'ny oul momba anareo fa izay tokony ataonareo ihany tanterahana, mbola manam-potoana beeeee mihintsy ianareo mialohan'ny hidirana @ izany resaka fanambadiana izany, ka araraoty, eh oui, araraoty hoy zah satria rehefa tafiditra ao tsy mitovy amin'ny ilay taloha hoe mihaona tsindraindray, ka tena mbola mafana be lay sentiment, hiova tsikelikely lasa habitude ny fiarahana na dia eo ihany az ailay fitiavana, tsy maintsy hiatrika ny adidy isan-karazany, ary hiaraka foana mandran-kantitra :-P ka aza maimaika izany alou. izay dia bon projet tout de méme!!! lol ... :wink:
9. sitlo ( 17/06/2009 03:50)
Mahavelona ny 3D raha favoris ka. Tena en pointe mihitsy io resaka io na aiza na aiza.
Tsy mbola misy societe gasy mahazaka an'io raha ny fantatro.
10. RATOVOARY ( 17/06/2009 05:04)
tsy voavakiko intsony izay sosokvtry ny namana etsy ambony, inoako anefa fa hanampy anao bdb ireo fa ny ahy dia haftra kely fotsiny ihany no omeko anao:
Tsarovy fa izany fanambadiana izany dia tsy toy ny kilalaonjaza, eo no manomboka ny tena fahaleovantenanao eo @ fiainana. Tsy mba misy replay izy io ka hoe averina rehefa tsy mety toy ny manao tournage-na film. Fa izay rehetra mitranga dia iaraha-miatrika. Mila fahavononana ara-tsaina, sy fo ary fandavantena lehibe ny tokantrano. Misy ady sy tolona marobe tsy maintsy sedraina ao, mila fifandeferana sy fifankatiavana, fifampihainoana raha misy ady hevitra atao.
Ny arabola indray tsy misy hoe vhv hamelona lhl izany. Rehefa teny ierana sy ifanarahana, anareo io. Tokantranonareo roa ka izay mahaso azy no imasoy.
Izay aloha angamba fa toa lasa be sermôna be zah zany.
Mirary soa ho anao hatrany
11. xxx ( 17/06/2009 06:01)
misaotra anareo rehetra am conseil fa tena mampahery be mitsy!
sitlo:

Mahavelona ny 3D raha favoris ka. Tena en pointe mihitsy io resaka io na aiza na aiza.
Tsy mbola misy societe gasy mahazaka an'io raha ny fantatro.


za alou maita oe ze projet nataony hatramizao alou de tena mba tin'ny olona doly ze nataony fa enga anie mba hitohy izany e!
12. ravonjison ( 17/06/2009 13:21)
Zavatra iray no tiako hamafisina, dia izay efa voalazan' i TAZANA etsy ambony:


" Raha manana projet izy dia tohano aloha. Azonao atao anefa ny milaza - amim-panajana hoe zao sy izao ny tahotrao (lazao hoe maninona n manahy ianao sao tsy mandeha ilay izy). Avy eo raha tapa-kevitra izy hoe atao ihany dia tohano izy fa misy chance kokoa ny ataony mi-réussir raha tohananao izy no ho ny hoe gidragidrainao foana na critiquer na lava. Tsy ho mora aminy tsinona ny fanaovana ilay izy fa raha fantany hoe de con côté ianao mety vao mainka izay mampitombo ny productivité-ny.
Raha sanatria tsy mandeha dia miara mitady vahaolana hafa. Aza latsaina izy satria mahomby izy, mahomby ianao, tsy mahomby izy , tsy mahomby koa ianao satria ekipa ray ihany nareo. Dia ny fiainanao tohizo aloha satria tsy hay ny avaokan'ny ampitso. Aza iantohana izy fa manjary mampianatra azy zavatra hafa indray sady araka ny teninao tsy mampisy confiance en soi ho azy. Lanjalanjao eo fa mety ny fahitany ianao avy eo no hanampy azy hiova hevitra raha tena tsy mandeha ny zavatra ataony. Fa kosa ianao mila miezaka be mampiseho hoe tena manohana ianao tianao ny hahombiazany!
Avy eo ny resaka fianakaviana: aza raharahina loatra fa jereo aloha hoe mety ve ny anareo roa sa tsia. Raha tsy natao hiaraka ka hoe te hisaraka, aza mijanona satria no ho ny henatra satria jereo: inona no tianao hizaka henatra nefa ny fiainanao mandeha sa hizaka fahoriana mandrakizay?! Tadidio fa ny olona miteny tsy hanampy anao amin'ny fiainana fa faly mitsikera fa ny fiainanao dia ianao ihany no mizaka azy! "

Manandanja dia manandanja toko ireo voalazan' i TAZANA ireo.
Noho izany tsy maika ianao , aleo aloha mihenoheno dia manangom-bola.
13. endrika01 ( 18/06/2009 14:48)
Marina doly doly reo voalazany namana ireo!Tsara ny fahaizana mifanampy,mifanohana,mifandinika,maka milamina fa tsy maika be amle fanambadiana,sa matahotra we sao lasany hafa ve izy?De mbola tsy izy zany no anjara raha sendra tojo zay tranga izay :P .Ny mampalahelo kou refa tojo anle vhv mampiditra S koukou noho ny lhl ,tsy an-kavitsina aminizy ireny ny mandatsa an-dralhl ,tena miseho ho Andriamanitra kely mintsy! Ka enga anie ka ny fifanampiana hiara-dalana no hanjaka fa tsy hibahana ao an-tsaina lay fanambonian-tena,na fandatsana! Ny fianakaviana ndray,manana ny Zo-ny ny andaniny sy ankilany ny hanokatra ny vavany ,fa ianareo iany no tompon-tsafidy!Zah kalou mbola tsy nandia anzany fanambadiana zany ka tsy mahita soso-kevitra hafa hanampiana zay voalaza! Ny soso-kevitry i Soanja lou zao de tena nahasarika ahy! (l)
14. Rafahafahana ( 18/06/2009 15:56)
xxx:

slt daoly
za dia tovovavy 21 taona miaraka aminoul 23 taona,efa 3 ans zao. ny olana kely de mba te hiroso am étape manaraka otrany oul rehera iany zay saingy tsy misy vola mihitsy satria izy miova école fona fa tsis formation mety amle zavatra tiny ianarana mitsy de ny 3D, saika ho any andafy izy hanohy fianarana nefa tsy voaray ny dossier ny de zao izy zan tsy mianatra tsony fa hanangana société anzay manokana hono, nefa lé izy ts de tena mahavelona firy alou ra ny itako. izy alou de tena tiko ary mba tiko mitsy ra izy no lasa vadiko, zay rahateo efa mifanerasera be amin fianakaviana na izy na za de otrany oe tsy afa mihemotra kou zan zay kelke part, kanefa tena mbola ho ela izy vo ho tafita, mety 7 taona any ngamba, za ndray efa nahavita fianarana, mety hahavelona iany ze karamako eo nefa tsy de tiko lotra le oe vehivavy ndray no mamelom-bady satria lasa otran oe dévalorisant ho anazy le izy sady ny famille ny kou manambany be anazy oe efa lehibe nefa tsis atokona akory, ka in ary ny atao amizan?
misaotra anareo!


Ndriiiiiii
15. Mirananirina ( 19/06/2009 11:04)
Nahavita fianarana sahady ve ianao,nefa mbola 21 taona monja.Tsy maninona mihitsy na hiandry eleela aza ianareo vao hiroso.Mbola jeune be ianareo.Aza maika mihitsy fa sty tara akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3765