finoana sy fanjakana

1. itaramasoandro ( 15/06/2009 21:48)
lasa lavitra ny eritreritra mandinika ny zavamisy eto an-toerana hatrizay ka hatrizao raha fehezina @ teny vitsivitsy ny fifampitahana :
- jiona 2009: asandratra ho olontsambatra L. Rafiringa, katolika mazava ho azy, mandritra ny fotoana fisavorovoroina eto @ Nosy, anaty fotoana hiantonanan'ny lalàna-mpirenena voafidy t@ 2002 izay nanandratra ny fjkm saiky ho finoampanjakana
-avrily 1989: asandratra ho olontsambatra V. Rasoamanarivo, katolika mazava ho azy, nandritra ny fotoana namirapiratan'ny ny finoana katolika ho saiky finoampanjakana; fotoana vitsy taty aoriana dia niongana izany fanjakana izany
-1869: natao ho protestanta ny fanjakan'i Ranavalona II tao anaty ny fisavorovoroina ara-pinoana sy politika nandritra ny fitondràn'i Ranavalona I izay tsy nanaiky ny fidiran'ny misionera hanova sy amotika ny finoan-drazana sy ny finoan'ny mpanjaka t@ fotoanandrony
- teo aloha kely teo ary: nivelatra t@ vazan-tany miteny anglisy ny firenena malagasy (famerenana ny tenimpirenana ho teny voalohany ary fampidirana ny teny anglisy ho fiteny mpirenena ienarana an-tsekoly, fampidirana ny teny anglisy @ lalàm-barotra, sns...,) dia tamy indray ny korontana.
hono ho'a : tsy misy hoe ny fisarahan'ny tanataran'ny finoana sy ny fanjakana ????
itaramasoandro 8)
2. zandikely ( 15/06/2009 23:44)
Fahitako azy:

1- Ny fananganana olon-tsambatra na an'i Victoire na an'i Rafiringa dia tsy misy hifandraisany velively amin'ny raharaha politika eto Madagascar fa karazana date mifanojo fotsiny satria tena elabe mihitsy ny processus ataon'ny Katolika alohan'ny hanekena fa azo asandratra olon-tsambatra na ho olomasina ny olona anakiray.

2- Tsy mbola nisy Fivavahana teto Madagascar lasa Religion d'État, marina somary nisarisary an'izany tamin'ny andron'i Ranavalona II. Nanarika ny finoana protestanta izy fa tena nilaza mazava fa afaka manaraka ny finoana izay tiany ny Malagasy fa ireo misionera protestanta no nivoy io hevitra io mba hanintonana ny olona hanaraka ny finoana protestana.

3- Fahitako azy dia tokony hisaraka tanteraka ny Politika sy ny Fivavahana fa miteraka savorovoro loatra matetika.

3. mmmhh ( 16/06/2009 05:40)
Fifanindrifian-javatra ny fananganana olo-tsambatra voalazanao io,

Tsy ny fitondrana velively mintsy no manapa-kevitra ny @ zany, na fitondrana inona io na fitondrana inona, fa ny fanapahan-kevitra dia avy any @ foiben'ny Katolika irery ihany, dia any VATICAN zany,

efa ela no nangatahan'ny Katolika malagasy ny hanandratana an'i Rafiringa ho Olon-Tsambatra fa izay vao afaka tanterahina izany araka izay ambaratonga sy lalana anantanterahan-dry zareo any Vatican izany,
4. itaramasoandro ( 16/06/2009 17:25)
tsy nilaza aho fa hoe ny fitondrana no nanapaka hevitra ny ho fampiakarana na tsia ho olontsambatra satria fantatra fa efa ho telopolo taona no nisian\'ny fangatahana an-Rafiringa ho @ izany toerana izany.

saingy, hoy a\' hoe, mahagaga ny fandehan\'ny tantara satria mifanojo hatrany ireo toe java-dehibe mivaingana ireo. tsy hay ny tsy hampifanantona ireo satria n\'aiza n\'aiza aleha na any japana, na any irania, na any sina, na any amerika atsimo, na tao eoropa manontolo, dia nisy foana ary atrizao ny fifandraisan\'ireo sehatra ireo akaiky dia akaiky.

ny tiako ho lazaina dia ity: angaha fifanojoan-javatra fotsiny ny maha lehibe indrindra anivon\'ny masoivoin\' ny firenen-drehetra ny solontenan\'ny vatikana? tsia, ny naonsy apaositolika ny sokajy ambony indrindra anivon\'ny masoivoa.

mahery ara-bola, ara-pahefana, ara-drehetra ny vatikana ary tsy resadresa-poana ny maha-fanjakana iray azy irery. tsy fifanojoan-javatra fotsiny ny fisian\'ireo voatanisako teo aloha fa toe-javatra mampieritreritra...

samy manana ny finoany ny tsirairay ary soa fa navela nisafidy ny malagasy taty aoriana mba tsy hisian\'ny finoana iray tokana raketin\'ny lalampanorenana. sarobidy ny finoana, na kristianina io na mosolomanina, na bodista, eny na mino fa tsy mino an\'iza na\'iza ary ianao.

ny sarobidy dia ny finoana fa tsy misy olona afaka hitarika anao @ tsy hainao.. hinoana. satria sarobidy ny fahaleovan-tena.
itaramasoandro 8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0552