Tsikera ara-drariny an'ireto GTT

1. xxx ( 15/06/2009 12:57)
Ny GTT dia taranaka colabo na colabo mbola velona fa ny nify sisa tavela.
Nefa izao toa mimenomenona hoe tsy tia ny frantsay nandray azy. Ny frantsay ihany koa no mamelona ny vady aman-janany ary koa ireo havana aman-tsaikazany any an-tanana satria tsy misy asa any fa efa nobodongerin''i Marc daholy ny kandra. Ary ireto zanany tsy nahita an'i gasikara hatramin'izay nihainany no miseho mahalala ny réalité any. Modia hoa raha tena henjana. Efa i Andry no mitondra ao ary i Marc efa nandositra ohatry ny voalavo any afrika du sud fa hiandry coupe du monde any hony izy.

Modia ry reto a! ianareo ange ty tanindrazana e! MODIA. Aza miatsara-velatsy e! MODIA. Raha tena tia tanindrazana marina ange nareo dia vonona ny ho faty ho an'azy e! sa.......

Ary haveriko etoana fa resy isika malagasy tamin'ny ady taloha. RESY. Ka dia atao ahoana, mankarary fo, fa izay no zava-misy koa. Eny fa na dia ny fahaleovan-tena aza nangatahina, NANGATAHINA hoa, sao tsy fantatr'ireto zaza malemy loha teraka taty mantsy.

2. xxx ( 15/06/2009 13:06)
sao de ianao no kely saina? nagatahina rehefa avy niady, ary nomena tanteraka, fa ny mpitondra antsika avy eo no mbola tsy nahafoy any lafrantsa(tsiranana), nefa isika dia firenena mahaleotena, manana filoha ,ny rafitra hijoroana, teo isika efa afaka tanteraka taminy frantsay, de izao indray miverina ho andevoziny, noho i andry sy ny forongony
3. benkintana ( 15/06/2009 13:14)
Ary elah manoratra io ve mbola ao @ faritra nilevenan'ny vavoninao sa niova toerana nohon'ny antony samihafa :idea: :idea:
4. essera ( 15/06/2009 13:17)
GTT d tsotra kely


[center]MIHAMBO TSY TIA VARY MOHAKA KANEFA VARIN-GISA AZA LANINY VANTANY VAO RAPATRIE EO[/center]
5. xxx ( 15/06/2009 13:17)
lol....
Hay va re ka tsy mitovy ny dikan'ny mangataka raha toa ka niady enao na tsia. Rehefa mangataka dia mangataka ny anaran'izany ry zama a! Sady, tsy vitan'izay fa resy koa amin'izay. Ry colabo GTT moa etsy an-daniny ihany.

6. xxx ( 15/06/2009 13:18)
rapatrie ahoana e, na i sarkôzy ary tsy maha roaka anay eto :-D :-D
7. essera ( 15/06/2009 13:25)
rapatrie ahoana e, na i sarkôzy ary tsy maha roaka anay eto

Zany ve ? Lisany zan ange vao miha tsy mana-kambo. Ny oul mivelona any an-tanin'oul no tena atao hoe tsy manak'ambo. Lisany zany izao le te ho frantsay noho ny frantsay. Aza miady an'izay ho filoha gasy elah fa i Sarkozy sy Lépen ltia ahindrahindra.
8. bazylou ( 15/06/2009 13:57)
tokony hiomana deny izaoa ialahy isany fa efa any ny enquete sy ny controle d'identité!!! :-D :-D :-D
9. yuka ( 15/06/2009 13:58)
essera kou anie miambo tsy tia varimoaka e! :-D :-D :-D
essera sy bazylou sy andrywui sy psny bobaka,kopy ve toi ;-) :-D :-P
10. Mirananirina ( 15/06/2009 14:47)
hihihi
11. Noue ( 15/06/2009 15:30)
essera:

Zany ve ? Lisany zan ange vao miha tsy mana-kambo. Ny oul mivelona any an-tanin'oul no tena atao hoe tsy manak'ambo. Lisany zany izao le te ho frantsay noho ny frantsay. Aza miady an'izay ho filoha gasy elah fa i Sarkozy sy Lépen ltia ahindrahindra.
ahoana lety zany oe tsy mana-kambo zany aa ?? oe ny olona mivelona any an-tanin'olona ve dia lazain'lah oe tsy mana-kambo ? fiainana daholo leisy zany ry essera aa ! fa firifiry moa ny % ny olona zay niova fonenana dia zany ve leisy dia atao oe tsy mana-kambo ? na aiza na aiza , na firenena aiza na aiza leisy tsy maintsy misy io miova fonenana io aa ! jeren'lah fotsiny aza zao i sarko , hongrois anie iny ee ! ohatra fotsiny iny aa !


12. benkintana ( 15/06/2009 21:22)
Reo tgv reo no misandoka gasy ato nefa vazah ttsy ,gasy fopla refa tsy miraharaha ny Malagasy leity a :twisted: :twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2631