Barak Obama am 4 juillet 2009

1. diamondra27 ( 13/06/2009 18:54)
Somary hivoaka kely ny resaka politika gasy isika fa hitodika kely ho any am be kintana.
Toa hoe 64% hoe ny pourcentage-ny am fankasitrahana azy eo am fitondrana am peuple amerikana nandritra zay nahalany azy ho filoha zay.

Tan izy nanaopropagandy ireny de tsy mba niresaka andrainy izy fa hay silamo moa zany ny rainy ka am zao resaka politika iran silamo sns izao dia lasa ohatry ny misy manome tsiny.

Ny tiako hihaviana dia hoe: mba hanao ahoana aza ny fetin'ny independence day 4 juillet 2009 am ty

http://fr.wikipedia.org/wiki/D%C3%A9claration_d'ind%C3%A9pendance_des_%C3%89tats-Unis_d'Am%C3%A9rique
2. bazylou ( 13/06/2009 19:22)
de raharahin'iza inn ze USnao!!! :-@ :-@ :-@ :p
3. dadasy ( 13/06/2009 19:49)
bazylou:

de raharahin'iza inn ze USnao!!! :-@ :-@ :-@ :p

tsy raharahan'i bazylou tokoa ze US nao satria ny azy lafrantsa ihany no reny malala. Samy manana ny tiany tokoa! :-D
4. xxx ( 13/06/2009 20:03)
Reny malala kosa reny malala ry dadasy an!

Io ange no mahavelona ny malagasy e! ny GTT aty an-dafy mahazo euro avy amin'ny lafrantsa. Avy eo izy mandefa euro any dago satria tsy an'asa ny havany any fa efa lasan'i Marc daholy ny bizna. Eny fa na dia fahaleovan-tenantsika aza dia mbola nangatahina tamin'ny reny malala ihany.

lafrantsa no teo dia lafrantsa no ho eo.
:)
5. dadasy ( 13/06/2009 23:06)
xxx:

izay ange no lazaiko hoe samy manana ny tiany io e! mety ho mba mahazo dolara avy @ amerikana koa ny avy aty "an-dafy" hafa, de alefany ho an'ny fianakakviany any M/car. Ka inona ary no olana am'zany fa samy mba manao izay hitany hahasoa ny tanindrazany sy ny havany sy ny mpiara-monina. Fa tsy hoe akorain-dry Bazylou akory refa tsy lafrantsa. Raha nangatahina t@ lafrantsa ny fahaleovan-tena taloha, tsy hangataka aminy intsony aho izao fa hitady. Ary zay no mahatonga ahy hitady sy hikatsaka hatrany fa tsy ao Frantsa. Izao tontolo izao malalaka. Tsara koa ny manokatra varavaran-kely vaovao, na dia efa misy iray mivoha aza eo. Manampy ny hazavana miditra ao an-trano izany.
6. Mirananirina ( 14/06/2009 12:15)
Tan izy nanaopropagandy ireny de tsy mba niresaka andrainy izy fa hay silamo moa zany ny rainy ka am zao resaka politika iran silamo sns izao dia lasa ohatry ny misy manome tsiny.

Ny tiako hihaviana dia hoe: mba hanao ahoana aza ny fetin'ny independence day 4 juillet 2009 am ty

Jereo eto

Ny rainy sa izy no nilatsaka président???????????????
Iza no tsy nahalala ny Américan fa afrikana ity dadany ,nefa mbola lany ihany izy.tsy hitako izay olana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0914