Fandresena sa Fahamenarana ity resaka TGVENDRANA ity ?

1. tsimati ( 09/06/2009 12:05)
Misy ny milaza fa afaka ny jadon'olon-tokana ary hivelatra amin'izay i Madagasikara. Ao koa no mahita fa tafiditra anatin'ny kizo ny firenena noho ity tolona tsy mitondra any amin'ny fandrosoana ity fa kosa dia mitarika fitambotsorana. Raha jerena moa dia misy fikatsoana eo amin'ny lafiny maro ary efa niloa-bava ilay filohan'ny tetezamita hoe misy ny tsy lavorary. Mitady ny fiaraha-miasan'ny vahoaka Malagasy tsirairay ry zareo mievi-tena ho mpandresy nefa mbola mamely ary milaza ny sasany ho tsy izy. Ny filazana ho tompon'ny vahoaka dia tsy misy afaka ny hilaza tena satria ny lanim-bahoaka aza voalaza ho mivadika ary mila manangana vaovao tsarabe. Ny vaovao milaza ho tsisy kilema sadasada satria na ny fakon'Antananarivo aza sarotra aminy ny mamaha azy. Na mbola mijanona ho resaka fotsiny kosa aza dia misy ny tanora vonona ny hanampy izay miaramilan'ny fikambanam-be afrikana satria nalehelo mafy ny tamin'ny fihetsiky ny miaramila Malagasy. Na tsy hisy aza izany dia ilay fisainana sy fisehoan'ny tsy fifantokisan'ny Malagasy samy Malagasy dia mitombo ka asa na izay tokoa no fahafahana sy fampandrosoana nozahavina.
novalian'i rodro ny 10/06/2009 13:20
2. andrywui ( 09/06/2009 12:10)
1 /: --Fitondrana vao teraka volana vitsy kely io!!
2/- ny vola mba tokony hietsehan'ny Fanjakna vaovao nopetahan'i Ravalo tao daholo jusk dern centime !!
3/--mbola kely ny vola miditra amin'ny hetra sy ny haba isankarazany fa rehefa miakatra tsikelikely eo ny taxes vao mba misy hioriranana ny fanjakna !!
4/ na averindravalo ze volampanjakana rehetra nalainy tao !
3. tsimati ( 09/06/2009 12:14)
Zay ilay noresahin'ingahy Ratsiraka raha nandray fahefana ny tarika Herivelona. Efa fantatrareo fa ho sahirana ianareo nohon'ny banga koa inona no nidiranareo ? Raha tsy hay naninona no tsy navela nitohy ny asa ary niandrasana ny fifidianana manaraka ? Maika handrombaka fahefana noho izany efa vonona any aminao ny vahaolana rehetra fa tsy mila mitaraina. Hasehoy ny hoe tonga ny fahafahana ary havotra ny vahoaka.
4. andrywui ( 09/06/2009 12:19)
Ho avy tsy ela io ry akama fa aza terenko masaka toy ny voalobojaza a! efa nahavoa amina miliara maro tam volampanjakana ny TIM sy ravalo de homana hano ze azo fa aleo ny Fanjakna hitady source ze hampandroso ny fitondranay !! sady otran'ny mamo miantso polisy anie nareo timzany e
5. harybe ( 09/06/2009 12:20)
nidradradradra tgv fa nahazo fanapiana 50million de dollars ! sa ve lany nomena andry comandant charles sy ny tariny doly zany?
6. tsimati ( 09/06/2009 12:26)
Ka raha tompon'ny vahoaka Malagasy tokoa ny TGVendrana inona moa no mahatonga ireo fitokonana maro etsy sy eroa ireo ? Tena mba sitraky ny vahoaka ve ny olona tondroin'ny TGVendrana fa mody manda ny fanedrena izy ireo ary mangataka ny hamerenana ny teo aloha ? Ka ahoana haverina ve ny teo aloha zahavin'ny vahoaka koa inona no tsy hanalana ny HAT raha ny lohany ihany no tazana ?
7. andrywui ( 09/06/2009 12:28)
nidradradradra tgv fa nahazo fanapiana 50million de dollars ! sa ve lany nomena andry comandant charles sy ny tariny doly zany?


io zao no mampihodina ny machin admin ao kou toi ve ahoana e!! sa mihodina amin rivotra ireo??

Ka raha tompon'ny vahoaka Malagasy tokoa ny TGVendrana inona moa no mahatonga ireo fitokonana maro etsy sy eroa ireo


alahelonkanina sy seza +fialonana

8. harybe ( 09/06/2009 12:30)
tsy ireo nanongana reo ve no nanao alahelokanina sy seza ?
9. sakaymena ( 09/06/2009 12:30)
tsy lainga ko ane le fiteny manao hoe ny vola azo @ makarakara mivoaka am lavadavaka e
ary ny lanin-dr8 ireo nigorobaka norobain'ny oul ireo kila sy may koa anatra ho an'zay tonga eo manaraka ane io mahazo ny tim sy ny filohany io e
Koa inoako fa mba ho filoha vanona @ manombok'eto tgv sy zay ho voafidy manarak'eo
10. tsimati ( 09/06/2009 12:37)
Tsy mino ny mahavaonona ny TGVendrana ny vahoaka Malagasy ary porofon'izany ny tsy fankantoavany ireo fanendrena olona sy fanapaha-kevitra noraisina. Raha mankatoa dia manaiky sy mihoby arahi-tehaka fa tsy fitokonana no mitranga. Koa tena TIM ve ireo miseho mijoro sy mitokona ireo ? Sao diso fihevitra fa tsy TIM ireo fa fisehon'ny vahoaka Malagasy tsy mba manam-basy sy hery avy tamin'ny CAPSAT.
11. andrywui ( 09/06/2009 12:45)
hoy sakaimena :


tsy lainga ko ane le fiteny manao hoe ny vola azo @ makarakara mivoaka am lavadavaka e
ary ny lanin-dr8 ireo nigorobaka norobain'ny oul ireo kila sy may koa anatra ho an'zay tonga eo manaraka ane io mahazo ny tim sy ny filohany io e
Koa inoako fa mba ho filoha vanona @ manombok'eto tgv sy zay ho voafidy manarak'eo
:-D :-D :-D :-D :-D :-D

marina zany e !! vola azo tam makarakara tokoa !!tonga de nataon'Andriamanitra kila daholo ze ambiny tsy lanain'ny olona !! ny tena amzany mbola andrasan'ny olona 4taona migadra sady mandoa 60M$ !! ha ha ha
12. tsimati ( 09/06/2009 13:06)
Sao tsy fantrao ry andrywui fa ny tompon'ny orin'asa Malagasy voa tamin'ireny hetsika TGVendrana ireny dia miandry ny hetsika goavana hataon'ny fitondrana amin'izao fotoana izao. Sahirana tokoa ny fitondrana ny amin'ny fanomezana fahafaham-po ireo may sy simba ary very fananana ireo. Koa ireo ary ve izany no kila ary lahatr'Andriamanitra nolazainao. Jereo fa manao izany hoe "Reflexion sur le Mecanisme de Relance" izao ny Ministera rehetra ary fanina satria mangataka hatramin'ny tsy fandoavan-ketra ireto tompon'orin'asa mba hivelomany tsara. Koa ahavita ny TGVendrana sa hanilika hoe lanin'ny TIM ny volabe ary tsisy hanatanterahina ny tiana hatao fa ny famenoana paosy sy fizarana seza atao ihany atsy ambadika ?
13. andrywui ( 09/06/2009 13:14)
rehefa tafarina tsara amin'ny laoniny ny Fanjakana de tsy maintsy aloa ny tombambidin'ireo entana sy trano rehetra kila e !! mbola anatin'ny manarina sy manamboatra zao ny Fanjakana fa tsy enjikenjehana daholo akory babay sy lohavohitra !!

--fa kosa ny TIKO sy MAGRO d'efa bye bye satria volambahoaka sy volampanjakana ary ny harenan'ny firenena ihany ireo navadiny ireo !! ireo aza tsy ampy !!!
14. reeves ( 09/06/2009 14:07)
Rehefa ny olona no mitady excuse lava , tsy mitady izay vahaolana am`probleme fa lany andro manilika izany any amin`ny teo aloha dia tsy an`inn , tsy an`inn izy zay ! Ny tena bon manager mitady solution avy hatrany , tsy manilika amin`ny hafa fa mandray andraikitra , mikaroka solutions ary mahavaha olana fa tsy be taraina lava toy ny hita amin`ny mambra amin`ny Governemanta HAT amin`izao fotoana . Zao dia tsy mahita solution afatsy hoe amidy ny fananana nefa ilay Air Force 2 aza tsy mety lafo satria fantatr`izay hividy tsara fa FAHEFANA TSY MISY FOTOTRA LEGAL io fa FITONDRANA FA HOANY FAHOANY ka sao dia very vola eo ,satria manao acte illegal avec un Gouvernement illegal . Ny zavatra izay mitranga am`zao dia ny calme avant la tempéte. Raha jerena ny zavatra mitranga dia tsy hisy fanantenana mihitsy ny amin`ny hisian`ny fivoaran`ny fiainam-bahoaka ankehitriny ho an`ny malagasy rehetra ( na TGV na TIM na HAFA koa) satria na tiana na tsy tiana dia tsy ampy aloha ny Budget , hisy ralentissement ny asam-panjakana sy izay asa fampandrosoana iandraiketany , ary misy rubrique budgetaire tsy maintsy annuler-na , ( io lay hoe mi-tourner a 10% depenses ) . Hitombo ny ho very asa avy amin`ny fampijanonana ireo Projet samihafa ( AGOA , MCA , ..sns) , miampy ireo Orinasa may sy voaroba . Ny Pbm sosialy maro mitambatra dia hisarika ny olona hanatevin-daharana ny FANOHERANA ( eto tsisy owe Pro-TGV sy TIM , sns intsony fa ny rehetra mihitsy ) ka amin`izay fotoana izay no hipoaka indray io . Raha mbola tsy mieritreritra ny hiditra amin`ny Gouvernement consensuel inclusif ny HAT fa miziriziry amin`ny heviny mihevi-tena ho tena mafy be satria hoe misy ny TAFIKA dia io sary etsy ambony io no miandry antsika , izany hoe ady an-trano satria ny Fanatisme eo anivon`ny HAT dia tsy hanaiky fa hampiasa ny hery ( CAPSAT) eo am-pelatanany , sady izy ireto koa efa tsy manan-tsafidy intsony fa efa nisotro ny aleoko maty ka tsy hanaikinaiky solutions hafa ka mizotra mankany amin`ny lojikan`ny ady ity raharaha ity ny fijeriko anazy . Ny firongatry ny asan-jiolahy amin`izao fotoana izao moa dia efa endrika isehoan`izany crise sociale izany !
15. bazylou ( 09/06/2009 14:24)
dia sahy sy vonona izany isika mianakavy hanao gera sivily an??!!! jereo fa raha tonga eo koa le8nareo iny dia tsy hisy anaiky eto e!!
ampitovina fona fitondrana 7 taona sy ny 3 volana!! izay sisa no ,argumentn'ny tim!!
dia maztotoa mandany andro eny amin'ny magro e!! :-D :-D
16. reeves ( 09/06/2009 14:39)
Ny zavatra mitranga amin`izao fotoana izao dia tena FANIMBAN`NY FIRENENA FRANTSAY NY FIRENENA MALAGASY MIHITSY izay nataony tamin`ny alalan`i Andry Rajoelina ( izay citoyen frantsay koa ) sy ny CAPSAT ( izay element RESEP n-dRatsiraka taloha very tombo-tsoa ) . Ny mampalahelo dia ny tsy fahatakaran`ny malagasy sasany izany teti-dratsy izany satria ny tanjon`izy ireo dia ny hampiady an-trano ity firenena ity mba ho simba tanteraka ary hiankin-doha bebe kokoa aminy avy eo ary ny adim-poko , ny ady ara-pirazanana , ny ady ara-pivavahana (izay matetika ahitana ny fanatisme ) no tena anisan`ny fitaovana nampiasaina h@ zay ary tena nahomby tany Afrika . Ny antso avo atao dia ny FIRAISAN-KINAN`NY MALAGASY REHETRA \" TSY ANKANAVAKA \" ( Rehefa mety ho gasy , tsy misy hoe merina sy Tanindrana , tsy misy hoe katolika sy Protestant , ..ssns , tsy misy hoe mainty sy fotsy , tsy misy hoe faritra avo sy iva , tsy misy hoe ambanivohitra sy ambonivohitra fa GASY IRAY TSY MIVAKY ) hisakana izany teti-dratsy izany tsy ho tanteraka fa hiaraka hirona kosa \" HANERY \" an`izy ireo ( na Ra8 , na TGV , na Ratsiraka , na Zafy ...sns ) hiroso amin`ny Gouvernement tetezamita consensuel inclusif ary ny fifidianana avy eo dia izay lany eo dia eken`ny rehetra fa Filohan`ny gasy rehetra . Izay lany eo koa tokony olona manana toe-tsaina mampiray ny Malagasy ary mihaino fa tsy hoe manao haza lambo ny mpanohitra . Izany hoe mila mahay manetry tena fa tsy dedaka .
17. tsiafoi1 ( 09/06/2009 15:36)

Ny tena marina dia fahamenarana tanteraka ity Révolution Orange tarihin'ny Tena Gasy Vendrana ity, satria nampivarina ny toeran'ny malagasy any @'ny andron'ny colonisation misaro-tava.

Ny tena mampalahelo aminy dia mba tokony ho bandy milay ihany le Andry, raha nahandry ny andro Zoma, fa tsy maimay toy ny tay entin-driaka. Zao nadaraboky ny dinozore mialohan'ny fotoana. Ho aiza intsony, ny crédibilité sy ny popularité very tanteraka. VITA KETSA ozy zalahy zay... Ho aiza intsony handroso maty raibe, hihemotra maty renibe!!!... Ny taux de crédibilité sy popularité ny sasany indray ity no miakatra mari-pàna ambony fa an'lery mitambotsotra ambany...
18. rodro ( 10/06/2009 07:31)
Itsika gasy mitsy no efa gegy satria ina moa ny atony ivarota dr8 io gasikara io

Nefa nareo milaza fa hivelatsa i gasikara hivelatsa aminina politika
sa adilava mba asio fieritreretana ihany

Zaho mino fa ny asasany gasikara io efa lafo ndravalo amby
efa maro ny vazaha manorina tragno agny de hohitatsika eo moa ny tohiny na


""Na mbola gasy no hitodra eo na vazaha""

:evil: :evil: 8O 8O
19. tsiafoi1 ( 10/06/2009 08:57)
rodro o, efa voapetaky ny vy mahamay ny sainao, efa lafon'i Andry t@'ny Frantsay 50000$ i Madagasikara tsika amby fa anao rogny aza be safaha eto.
20. sakaymena ( 10/06/2009 12:35)
tena marin ny voalazanao ry reeves fa vzao iza ary no afaka na her'y hahay hampitambatra ireo voalazanao ireo ??????????????????????????????? jereo fotsiny isika ato am serasera mbol panohana aantsoratra zay tohanany eto efa misy mifanao minan nyyyyyyyyyyyy am taimbava sy ny tsy hay tsony ko ahona
zah loh kely ny finoako satria tsika gasy be mokon-doha
ze tiako zay ro hatao ze tiako........................................
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.065