fa raharahan'ny malagasy inona...?

1. itaramasoandro ( 09/06/2009 02:14)
Novakiako an-gazety sasany androany ny hoe ny ambasadaoro frantsay eto antanindrazana dia niresaka momban'ny raharahampirenena sy ny olana eto an-toerana.
Fa ataon'ny malagasy inona ny hevitr''i Ramose? Fangaha izy no ilaina hitarika sy hanome ny heviny momban'ny nosy é? Ary heverina ho tenin'evanjily angaha ny voalazany ka tsy maintsy ho fantarina'?
Ndrao lahy manome lanja be hatrany an'i Ramose sy ny tany frantsay soloiny vava ny mpanao gazety sasany ka mandetika ny malagasy ao @ fahalemena sy ambanin'ny ziogan'ny frantsay!
Fa tsy ampy va re izay rehetra 80 taona nanjanahan'ny frantsay miampy ireo 40 taona mahery nametrahany tetsy sy teroa teto @ nosy ny voanjony?
Rahoviana ary ramalagasy vao hihetsika irery tsy hikaroka foana ny ho tantànan'ny frantsay?
itaramasoandro 8)
novalian'i soanja ny 16/06/2009 19:14
2. Papoose ( 09/06/2009 20:18)
mety hoe endriky ny demokrasia angamba dia milaza ny heviny aby :)
3. soanja ( 10/06/2009 01:12)
itaramasoandro:

Novakiako an-gazety sasany androany ny hoe ny ambasadaoro frantsay eto antanindrazana dia niresaka momban'ny raharahampirenena sy ny olana eto an-toerana.
Fa ataon'ny malagasy inona ny hevitr''i Ramose? Fangaha izy no ilaina hitarika sy hanome ny heviny momban'ny nosy é? Ary heverina ho tenin'evanjily angaha ny voalazany ka tsy maintsy ho fantarina'?
Ndrao lahy manome lanja be hatrany an'i Ramose sy ny tany frantsay soloiny vava ny mpanao gazety sasany ka mandetika ny malagasy ao @ fahalemena sy ambanin'ny ziogan'ny frantsay!
Fa tsy ampy va re izay rehetra 80 taona nanjanahan'ny frantsay miampy ireo 40 taona mahery nametrahany tetsy sy teroa teto @ nosy ny voanjony?
Rahoviana ary ramalagasy vao hihetsika irery tsy hikaroka foana ny ho tantànan'ny frantsay?
itaramasoandro 8)

Ny fahitako azy dia mbola raharahian'i Malagasy tokoa na ny mpitondra ny Malagasy ny fifandraisana sy ny hevitry ny firenena hafa momban'ny fitondrana ny firenena. Inona moa no mahatonga izany?
Satria mifandray ny fiainam-pirenana eran'izao tontolo izao na dia te hisafidy tsy handray izany aza ny sasany na na ny ankamaroantsika.
Mila mijery ny zavamisy isika ary mahay maka ny mahasoa antsika sy mahamety antsika. Ankoatr'izay dia tsy afa-miala isika fa efa tafiditra ao anaty vahoan'ilay antsoina hoe Politika. Mety mamelona ny vahoaka nefa ka mamotika antsokosoko na ampahibemaso ny miaina azy ankaterena!

4. itaramasoandro ( 10/06/2009 02:36)
Ny hevitro manokana dia ity: miankina loatra @ feon\'ny tany manan-karena ny mpitondra sy mpanao gazety malagasy sasany fa tsy sahy, asa, tsy manaiky ny handeha irery tohin\'ny tany mahaleotena. Mitady lava izao ny sitraky\'ny sasany toy ny zaza manoloana olo-matotra fa tsy mahay mamindra irery 50 taona aoriana ny fahaleovantena. Tsy ny vahoaka no tahaka izany, tsia, fa ireo mpitondra sy mpanao gazety sasany.
Iza ireo firenena na mpanao gazety manodidina ny lafrantsa-mahaleotena ihany koa, no mitonona na indraimbava fotsiny aza ny momban\'ny olana ara piaraha-monina misy ao aminy (fitokonana andalambe maro mifandimby, fizahana halaolana isan-karazany anivon\'ny sokajimpiasa sosialy, ny tsy aneken\'drizareo mpitondra mifandimby ny hidiran\'ny torkia ao @ fianakaviambe eoropeana, sns tsy voatanisa) ka mangataka sy miandry ny hevitri-Ranona vahiny momban\'ny hetsika itsy sy izato ka ho hita eo izay hataon\'ny fitondrana\" ???
Tsy ny fiankinana @ ny tenin\'ny olona-fanjakana-na-fianakaviambe vahiny iray no mahalavorary ny fifandraisan\'ny firenena iray @ vazantany efatra fa ny fahasahiana mijoro mitondra ny hetahetan\'ny vahoaka ao @ ka mamela azy io @ fomba maro samihafa maneho ny heviny @ mpilaminana. Satria io no antoka ho @ fandrosoana: raha mahay mifandray ny mponina iray dia mazava ho azy ny fahaizany mifandray @ hafa any ivelany izay hanaja azy toy ny rahalahy mitovy zo sy adidy @.
Manandanja lehibe ny feon\'ny vahoaka ary misy ny antenimieram-pirenena manampahefana, ny hevitrin\'ny tsirairay mivondrona anivon\'ny sehatra isankarazany, sns mitondra ny dinika manoloana ny firenena manontolo mba hisian\'ny fifidianana. Ny malagasy irery ihany no afaka mamolavola ny fomba hahitany ny fiainany ankehitriny sy rahatrizay fa tsy olonkafa akory.
itaramasoandro 8)
5. soanja ( 12/06/2009 03:04)

Marina tsy azo lavina ny fanirian'Itara saingy.... tsy izay aloha no zavamisy amin'izao. Mino aho fa izay hevitrao izay no fanirian'ny rehetra firenena isan-karazany; dia ny mba tsy hijabajabahan'ny hafa amin'ny raharaham-pireneny moa izy tenany te hahaleo tena amin'ny mahasoa azy sy ny olompirenena ao aminy. Saingy.... zaza bodo vao miana-mamindra ny gasy raha ny raharaha politika no resahina. Tsy manana ny ampy na fototra entina hiatrika zavamisy mifandraika amin'ny kolontsaina sy ny mahaMalagasy antsika isika satria ny politikantsika na ireo izay manao politika dia nifototra loatra tamin'ny firehan-kevitra vahiny sy ny fomba fitantanam-pitondrana nindramina avy any an-kafa, izay tsy iza moa no tena resaka eto fa dia ny Frantsay sy hafa.

Zazabodo hoy aho satria tsy nahalala izany fahaleovan-tena isika fa fahaleovan-tena sadasada no nisy hatramin'izay. Niorina loatra tamin'ny fitiavan-tena sy ny voninahitra diso fipetraka ny mpitarika ny firenana ary zary tsy nijery akaiky ireo zay ahiany dia tsy iza fa ny Malagasy tsy vakivolo. Ny any Paris na i DC no mahamaika ny heviny sy ny tanjony fa tsy ny vahoaka mandady harona manoloana eo. Maika ny hameno paosy amin'ny volam-panjakana ary hanorina fanjakana ho an'ny tena fa tsy ho an'ny vahoaka. Voavidy daholo na ny fampielezam-peo isan-karazany. Tsy mba misy te hitazona ny fahamarinana satria mamy loatra ravola sy ny fahefana. Voavidy mbamin'ny noheverin'ireo vahoaka ho fahafahana hampivoatra ny fanahiny. Fesona ny lalana!

Tsy ampy fitiavan-tanindrazana sy fiatrehana ny soatoavina tan-dalana mikendry ny fiahina ny rehetra ny mpitondra hatramin'izay. Tsy ampy fahalalana sy fahaizana handalina ny maha-manamboninahitra azy fa nandrorona avokoa ka nampiraviravy ny momba azy amin'ny tany, raha toa ka ny hampiakatra ny momba azy no heveriny ho tanjona. Tsy hainy io lalana io satrai tsy nianarany.

Akory atao, mbola tsimbotry ka na adrisa aza mety ho ditsoka am-panidinana raha tsy hanisy fiovana ny fomba fanabeazana ny daholobe ao anatiny.

6. itaramasoandro ( 13/06/2009 04:48)
Ny fahitako azy dia mbola raharahian'i Malagasy tokoa na ny mpitondra ny Malagasy ny fifandraisana sy ny hevitry ny firenena hafa momban'ny fitondrana ny firenena. Inona moa no mahatonga izany?
Satria mifandray ny fiainam-pirenana eran'izao tontolo izao na dia te hisafidy tsy handray izany aza ny sasany na na ny ankamaroantsika.
Mila mijery ny zavamisy isika ary mahay maka ny mahasoa antsika sy mahamety antsika.

raha io hevitrao voalohany io no heverina rasoa dia manoro fankasitrahana tanteraka ny fomba amampanao ny mpitondra sy mpanao gazety ankehitriny izay miankina tanteraka @ hevitra avy any ivelany ianao.

saingy soa fa niova hevitra ianao taty aoriana ka tsapanao ihany ny loza miandry ny vahoaka raha toa ka mivanàka miandry izay entinin'ny sasany fotsiny ny mpitondra fa tsy mamolavola rafitra mivoaka avy @ zava-misy eto an-toerana. Faniriana hoy ianao saingy misy indrindra finoana ao anatin'izany faniriana izany.

efa tsara raha misy ny dinika anivon'ny tsirairay, saingy toa ianao irery foana no mamaly ahy momba io ;-)

moa va re ka tsy manintona mihitsy ny eritreritry ny mpamaky-ny-serasera io resaka io araky ny fihevitrao?
itaramasoandro 8)
7. soanja ( 16/06/2009 04:51)

Tsia diso ianao raha mihevitra fa manohana na mankasitraka izany hevitry ny any ivelany aho momba ny fitondrana sy ny serasera misy ao Mada. Ny tiako avoitra eo dia ny hoe tsy afa-miala isika satria mifaningotra ny aim-pirenena rehetra ara-politika ary zavamisy io no atrehana fa tsy faniriana. Raha hofoana ny AGOA ohatra dia inona moa no azontsika atao. Mihena ny fidiram-bola ao Mada satria tsy hananan'asa intsony ny olona ao amin'ireo orinasa afakahaba. Ny antony alehany any dia satria noho izany. Zavamisy iainana ny fifaningoran-kevitra sy politika ary tsy afa-miala isika satria efa novolena ho toy izany hatrany amboalohany. Raharahian'ny Malagasy izany aloha amin'izao. Any aoriana tsy fantatro.

Raha ny faniriana no ipetrahan'ny hevitra dia any amin'ny fametrahana ny fanovana ny fanabeazana no tsara anombohana izany.

Asa nahoana tokoa no tsy misy mamaly ny hevitra toy izao? zah koa mba manontany. Misy idiran'ny politika mantsy ny resaka ka matoa ny olona tsy any amin'ny Forum politika dia satria misafidy tokoa tsy hiditra amin'izany. Ny tenako anefa dia sady tsy vonona ho any intsony nefa tsy midika hoe tsy manankevitra intsony koa ka dia eto aho no mameno ny tsy feno.

:-P
8. itaramasoandro ( 16/06/2009 16:02)
resaka sarotra heverina ny fifandraisan\'ny firenena tsirairay ary izany no hisian\'ny masoivoin\'ny madagasikara etsy sy eroa ary fifanakalozana masoivoin\'ny firenen-kafa eto @ntsika.

resaka hifanaovan\'ireo voatonona @ izany adidy izany ary io dia tsy hain\'ny vahoaka hotsabahana na kely fotsiny aza, indrisy satria samy manana ny sehatra hahafahany mandray anjara ny tsirairay.

saingy manana zo lehibe tsy hay leferina ny vahaoaka dia ny fitsapana ny heviny momban\'ny resaka, fiainana sy olana diaviny isan\'andro. Iza ny olona nitonona hanao izany atrizay niandohan\'ny korontana? tsy nisy atrq izao fa mieritreritra ny hameno ny paosiny avokoa ary hizara tany, vola sy fahefana @ mpivahiny atrany no hita mivoaka eo.

aiza ka dia fanararaotana lava izao ny fotona anankorontànana ny fianan\'ny vahoaka izay te-hiaiana milamina sy sambatra. ny loza dia ny vahoaka naona sy leo no anararaotan\'ny sasany iakarana an-tsehatra.

misy feon\'ny fieritreretana va re izy ireo? Ny tody tsy misy fa ny hatao no miverina hoy ny fahendrena malagasy.
itaramasoandro 8)
9. soanja ( 16/06/2009 16:55)
itaramasoandro:

.

saingy manana zo lehibe tsy hay leferina ny vahaoaka dia ny fitsapana ny heviny momban\'ny resaka, fiainana sy olana diaviny isan\'andro. Iza ny olona nitonona hanao izany atrizay niandohan\'ny korontana? tsy nisy atrq izao fa mieritreritra ny hameno ny paosiny avokoa ary hizara tany, vola sy fahefana @ mpivahiny atrany no hita mivoaka eo.

Ka iza moa no nifidy ireo olona ireo lazainao fa tsy ny vahoaka izay resahinao eto ihany. Zany hoe tsy mahalala izay olona hamono ny heviny zany ny vahoaka na hoe tsy ampy fandinihina ny ho avy fa sodokan'ny hetsiketsika madinidinika tsy mitondra mankaiza.

Ny vahoaka ihany no manapotika ny ho aviny amiko. Izay ilay resahiko hoe politika tsy avy aiza akory fa mila atomboka any amin'ny fanabeazana.

10. itaramasoandro ( 16/06/2009 17:28)
andeha aho aloha isakafo kely dia hiverenako ny resaka rehefa avy eo. izany?

itaramasoandro 8)
11. itaramasoandro ( 16/06/2009 18:34)
fantatrao fa ny olana lehibe dia ny tsy fifanojoan'ny teny ambaran'ireo voafidim-bahoaka sy ny asa ataony na ny vahaolana mety hoentiny. Raha mitsidika ny antenimierampirenena ianao dia ny zava mitranga matetika dia tsy hita ao avokoa ny atsasaky ny voafidy fa asa izay ataony ivelany sehatra...

io toe-javatra io dia TSY ny vahoaka no tomponandraikitra fa ireo olona voafidy izay nametrahany fahatokisana kanefa tsy manefa izany.

ny any azon'ny vahoaka atao manoloana izany fandikàna fahatokisana izany dia ny maneho ny tsy fankasitrahany isakin'ny miseo izany toe-javatra izany, ary isakin'ny voahitsakitsak'ireo voafidy ny zon'ny vahoaka nitondra azy teo @ io toerana fanelanelànana io.

maro dia maro ny fomba manoloanan'ny vahoaka andraisany ny ampinga anambaràna fa tsy manaiky ny fivadik'izatsy sy izaroa izy ary am-pilaminana avokoa no mety anaovany izany.

tsy hoe "nifidy andranona aho-vahoaka dia vita ny anjarako fa andranona irery no manefa ny adidy napetrako ampelatanany" fa kosa "nifidy andranona aho-vahoaka dia arahiko ny anantontosainy izany ka raha mivoana @ tsy nifanarahana dia indro indray aho-vahoaka ampahatsiaro izany isakin'ny miseo ny olana."

ny vahoaka no tompon-teny farany anivon'ny repoblika, sa tsy izany?

itaramasoandro 8)
12. soanja ( 16/06/2009 19:14)

Ka eo indrindra isika izao re. Tsy hoe akory ny vahoaka no tsy manao n'inona n'inona fa ny fanabeazana azy ho olom-pirenena handray andraikitra no tsy ampy. Ahoana ny fomba afahany manao izany raha toa ka nahita izy fa tsy nandaitra na tsy nanao ny nampanantenany ilay nofidiany? aiza izy no mandeha ary inona avy ny fitaovana ilainy amin'izany mba ho ara-dalana ny fitakiana. Raha mitaky izy moa ve hisy hihaino ny fitairainany. Mandaitra ara-demokratika ve ny fitantanana najoro??? Eo indrindra isika izao re. Mifameno ireo. Ny vahoaka beazina moa ny system manome nohana ny zavatra najoro hanome izany fahafahana malalaka isanisany izany.

Mbola lavitra ny lalana e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2601