cellule tactique

1. Onjakeli ( 05/06/2009 15:03)
Mba nahavariana ahy ity article tamin'ny gazeti ity. Fa inona ary aizany no tena zava-misy ao amin'io fitondrana io. Ilay resaka fisavana angalana ny fananan-dravalo ity matetika no tena saika hitrangana zava-doza.
Mampieritreritra

Cellule tactique ao amin'ny HAT

Tsy fantatry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena
Nifanitsaka ary saika niafara tamin’ny fifampitifiran’ny samy miaramila avokoa tato ho ato ny asan’ny CNME sy ny «Cellule tactique» mitsagana eo anivon’ny HAT tarihin’Ing. Alain Ramaroson. Tsy nandà ny fisian’io fisavorovoroana ao amin’ny fitondrana io ny Praiminisitra Monja Roindefo raha nohararaotina nanontaniana omaly sady nilaza fa «tsy misy manana fahefana manao fisavana toy ireny raha tsy mahazo taratasy avy amin’ny «Procureur de la Republique» ary ny CNME no afaka mangataka izany amin’izao krizy izao». Niezaka nilaza ny Praiminisitra fa tsy maintsy hiezaka ny fanjakana handamina ny fifangaroan-javatra ao ary rehefa milamina ny firenena dia mety tsy hisy intsony ity «cellule tactique» ity fa ny OPJ no hanao ny asa.
Tetsy andanin’izay dia tsy nihambahamba ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Kly Noel Rakotonandrasana fa tsy tena mbola mahalala tsara ny momba io «Cellule tactique» io ka tokony hasiana fandrindrana. Noho izany dia tsy namaly mazava ny Minisitra, raha nanontaniana, fa afaka manome baiko sy mandefa miaramila hanao asa toy ireny ny Filohan’ny Kaomision’ny HAT misahana ny filaminana na tsia.
Nanamarika ity Minisitra ity fa «tsy mbola «au courant» tamin'ilay tetsy Nanisana satria tsy teto ary hanao fanadihadiana vao handray fanapahan-kevitra»
Ny Tahiry R.
novalian'i rajorina ny 06/06/2009 13:33
2. xxx ( 05/06/2009 15:47)
film blood sport


:lol: :lol: :lol: 8O 8O 8O :lol: :lol:
3. Noue ( 05/06/2009 17:03)
samy zareo ao aza tsy mifanaraka akory fa toa samy manao ny danin'ny kibony kooo :^) :^) :^) :^)
4. fijo ( 05/06/2009 22:11)
foza miady ireo ka
5. sakaymena ( 05/06/2009 22:15)
tsys miady zany geh eo fa aza mandika vilana mo e
6. xxx ( 05/06/2009 22:33)
zao ve de mba dinika
tena arema marina ty klé
7. sakaymena ( 05/06/2009 22:35)
ianao no mamily ny dinika teo ary tsy mataty valina fa niritreritra oe tsy mamaly ny tgv e kinanjo zahay efa vonona am zay mtranga eo ok
8. xxx ( 05/06/2009 22:40)
sakaymena woa hors sujet foana fa heveriny fa inona ary ny ato....;
9. xxx ( 05/06/2009 22:42)
heveriny fa hoatran'ny any an-tranony angamba :-D :-D :-D
10. rajorina ( 06/06/2009 13:33)
Mba avelao @zay le sakaymena raxxx fa tena tototra mintsy a, sady efa nanjary mora tohana kely izy.
So de kosa aza misavorovora @le hoe fahatongavan-dra8 ry zalahy ka cellule tactile eroa tactille etsy e? De hisy ndray ny hialona avy eo hoe tony mahazo karama be sy ny sisa.... ra zao no hitohy de tsy ho hitan-dry zareo akory ny fahatongavan-dra8 eo @ville.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0072