Mba mahavariana!

1. ari.malala ( 05/06/2009 12:04)
Angaha moa lasa ny "Etat Malagasy" indray no miantoka ny fahavitan'ny laman'ny tanàna? http://www.taratramada.com/

POLITIKA

Lapan’ny tanàna

Hiantohan’ny Hat

Nidina an-tsehatra nizaha ny zava-misy teny amin’ny fiarahamonina, omaly, ny Filohan’ny Hat, Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy. Ho fanampiana avy hatrany ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra, Renivohitr’i Madagasikara no anton-diany. Voalohany amin’izany ny fanohizana ny fanarenana indray ny Lapan’ny tanàna eo anoloan’ny Araben’ny Fahaleovantena (Kianjan’ny 13 mey). «Vako-pirenena io Lapan’ny tanàna io ka tsy maintsy vitaintsika», hoy izy. Nanaovany fanamby ny hitokanana izany afaka herintaona, farafahatarany. Noho izany, handray an-tanana mivantana amin’ny asa fanarenana, izay efa mandeha ny Fahefana avon’ny tetezamita. Tsy nambaran’ny Filohan’ny Hat kosa izay mety ho tomban’ny holaniana ao anatin’izao mbola fisian’ny fahasahiranana izao.

Hanolo-tanana ny kaominin’Antananarivo koa ny governemanta tetezamita sy ny Hat amin’ny fanarenana ireo ampahan-dalana simba be. Anisan’ireny ny eny Ankasina (67ha Avaratra) sy ny eny an-tampon’Andrainarivo (Mausolée). Fampanantenana efa nataon’i Andry Rajoelina ireo, fony izy mbola ben’ny tanàna. «Faniriana ny hanombohan’ireo asa fanarenana amin’ity herinandro ity», hoy izy. Ho fanampin’ireo, hiara-kiasa amin’ny kaominina ny minisiteran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany amin’ny fanafoanana ny fako eto an-drenivohitra. «Tsy azo ampiainina ao anaty loto ny vahoaka ary tsy maintsy atao haingana ny fanadiovana», hoy ihany ny Filohan’ny Hat. 5 andro no fe-potoana nomeny. Hanampy tosika izany koa ny Samva.

Zoelson Randrianindrina






novalian'i fijo ny 05/06/2009 22:21
2. essera ( 05/06/2009 12:26)
Ka lé vola nosakanan'i Dada tsy hiditra tao am CUA io averina am kaisara io.

Tadidio tsara fa ny hetra-tany sns d namoahan'i Dada lalàna fa miditra any am fanjakana foibe vao lany kelikely i Andry, ary natao ho an'Antananarivo Renivohitra manokana io lalàna io. Nampitovizina kilasy tam Commune rurale(1) ambany indrindra ny kapitalin'i Madagasikara ilay HIDIRANA MILIARA MARO.

(1) : tsy manana fidiram-bola afatsy ny certificat de résidence, ny copie... ka tsy maintsy tohanan'ny foibe.
3. xxx ( 05/06/2009 12:28)
Ka Tanà ihany anie no firenena kelin'i Andry e! Any @ province tsy misy mahay azy zany. Coupe soroka no betsaka
4. essera ( 05/06/2009 12:32)
Aza matahotra mihitsy ianao miresaka amiko ry 2.xxx, Ekenao tsara ve aloha fa nisy ity resaka ity :

essera:
Tadidio tsara fa ny hetra-tany sns d namoahan'i Dada lalàna fa miditra any am fanjakana foibe vao lany kelikely i Andry, ary natao ho an'Antananarivo Renivohitra manokana io lalàna io.


Raha tsy ekenao mantsy io d hafa ny fomba hanazavako ny resaka raha ilaina izany sy mba azahoanao azy kokoa.
5. ifiona ( 05/06/2009 12:36)
essera ko ary sao dia hirotsaka ho prézidà ko
6. kidoropamba ( 05/06/2009 12:43)
Tsy ekena ny fampiasana ny volam-panjakana tsy mifanaraka amin'ny teti-bolam-panjakana na farafaharatsiny atao ankiharihary.
Hilàna lalàna ny fampiasana (fidirany sy fivoahany) ny volam-panjakana.

Mametraka ny fanadiovana ny "regie financière" rehetra ny tanjona voalohany hapetrako.
7. essera ( 05/06/2009 12:44)
sali Ifiona,

tsy sah an'izany a fa SAH kosa a raha ohatra hoe misy zavatra mba azoko anasoavana ny firenena ka zakan'ny zay kely mba haiko.
Raha hilatsaka prezda a zhann d aleoko lehiben'ny vaomieran'ny serasera politika d TAPITRA. ohatrinona ny karama Rahery ???? Tsy koï na tsis karama ary fa ts vola foana akory no atom-pisian'ny zava-drehetra.

8. rohy ( 05/06/2009 13:15)
oeeeeee! ekena lesy kidoro aa. Zany ka filoam-pirenena .Mangarahara daolo ny ady kle rehetra .lany elah eee.Ajanony any @ izay io Hat kely io fa efa kidoro zao e.Alaivo lesy ny fitondrana sao lanin-dry zalahy eo ihany ny volam-panjakana a.aza adinon'la aho fa efa manohana mahafatrapo an .
9. sakaymena ( 05/06/2009 14:06)
zah mbo atavy mpanolotsaina essera tsy koi mande boj
10. xxx ( 05/06/2009 14:26)
Za ko letsy ry Kidoro mba ataovy minisitry ny fahasahiranana fa io no nandalinako fianarana tany Commores.
11. kidoropamba ( 05/06/2009 14:37)
ari.malala:

Angaha moa lasa ny "Etat Malagasy" indray no miantoka ny fahavitan'ny laman'ny tanàna? http://www.taratramada.com/

POLITIKA

Lapan’ny tanàna

Hiantohan’ny Hat

«Vako-pirenena io Lapan’ny tanàna io ka tsy maintsy vitaintsika», hoy izy. Nanaovany fanamby ny hitokanana izany afaka herintaona, farafahatarany.

Zoelson Randrianindrina










Aoka isika hitandrina amin'ny vaovao rehetra manomboka androany.
8 ny isan'ny valin-teny etsy ambony kanefa tsy nisy nahatsikaritra na dia iray aza ny ZAVATRA FONOSIN'IO RESAKA ETSY AMBONY IO, ka izao: "HANAO FANAMBY....AFAKA HERITAONA AHAVITAN'IO TRANO IO.

Dikany:
- 14 volana ny fe-potoana voafetra hijoroan'ny Tetezamita manomboka @ andro hanaovana sonia ny CHARTE
- Hanao sonia io Charte io ny REHETRA @ volana Jiona 2009 (Any Addis Abeba ny fotoana - Tadidio fa NANAO PASIPAORO RATSIRAKA (site GTT), nilaza ADDIS ABEBA ny gazety LDGI androany).
- Telo volana farafahakeliny ny fotoana ahafahana manangom-bokatra @ fifidianana filoham-pirenena.

FEHINY:
1. Amin'ny volana Aogositra 2010 no misy filoham-pirenena vaovao (Mety ny tenako io, ary hisaorana mialoha izay hisaotra ahy)
2. Amin'ny volana Mai 2010 fara fahatarany (3 volana alohany) ny daty hifidianana ny filoham-pirenena.
3. Tonga ilay FANAMBY an'i TGV etsy ambony: Afaka HERITAONA (daty jiona 2009 io vaovao io) FARAFAHATARANY.

Io mihitsy no nanaovako deklarasion androany fa HILATSAKA HO FIDIANA AHO.

"Miomana fa tsy maintsy tonga izahay" - slogan KPB
12. andrywui ( 05/06/2009 15:25)
Milatsaha mitsy letia ry kidoro fa be no ho fanina a!

Ny vola misy ! isika manana tafika raha miaramila no ilaina !

13. Rajakoo ( 05/06/2009 20:05)
Tsy mila an'izany kidoro zany ny aty fa efa manana,ndàna mankany swaziland ty fa aza mitonatonana aty Madagasikara :evil: :evil: :evil:
14. fijo ( 05/06/2009 22:21)
ka le izy anie ry ari ts misy lalana mihantra izany amin'ny TGV fa izay tiany no atao ho e lalana e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.098