Tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery

21. niryna ( 10/06/2009 20:19)
niryna:

Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena II Tim 1:7
...
Ahoana no ahalalana fa ny fanahy masina no miaraka amintsika?

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. I Kor 2:14

...
bor2lais:


Misaotra an'i Niryna nanokatra ity lohateny ity (izay mifandraika amin'ny vanim-potoana Pentekosta vao nankalazain'ny Kristiana).

Araka ny hevitro sy ny fahitako azy dia mifandray amin'ilay fanoharana momba ny "voaloboka sy ny sampana" (lohateny natolotry Tywa ery ambanimbany ery) izy io.

Fanahy Masina : ilay ranon'aina mahavelona azon'izay mitoetra ao amin'ny Tompo sy itoeran'ny Tompo ("sève" mikoriana avy ao amin'ny foto-boaloboka mankao amin'ny sampana)

Voaloboka : Andriamanitra Ray no mpamboatra azy.

Fanamboarana (ilay voaloboka) : taratry ny fifandraisan'ny Ray sy ny Zanaka (foto-boaloboka)

Fifandraisan'ny Ray sy ny Zanaka : Fitiavana

Io Fitiavana io no ampitaiNY sy/na omen'Ilay fototra ny sampana izay mitoetra ao Aminy ka hamoa araka an'Andriamanitra. Voa ateraky ny sampana miray amin'ilay foto-boaloboka : tokony ahitana taratra io Fitiavana io.

Voalaza teo hoe :
"Ahoana no ahalalana fa ny fanahy masina no miaraka amintsika?"

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=5&andininy=22-23&dika=

Hevitro sy fomba fahitako azy ihany io fa tsy voatery hitovy amin'ny fijerin'ny hafa. Ialako tsiny raha toa ka tsy mazava na mety HS koa aza !


misaotra anao nizara e
:-* :-*
22. niryna ( 10/06/2009 20:28)
tywa68:

Mitovy hevitra @ i Bor2lais : zany hoe hita @ilay voany ny fototra niaingàna sy nikolokolo an'ilay voaloboka.
voasoratra tokoa io ,mamafaza voa fa aza mba malaina fa tsy fantatrao izay ho vanona,ary ny voa izay hafafintsika no ahafantarana antsika tokoa na voa tsara na voa ratsy .Indraindray anefa dia toa tsy fantatra fa rehefa ampitahana ny tenin'Atra ny teny izay omena ny olona dia amin'izay isika no afaka mandray ilay izy sa ahoana ?

Amiko rhf tsy mahita an'lay tena mahafa-pò isika d tsy voatery hoe tsy nahay nivavaka, nangataka, fa mety efa zay koa ny voasoratra ho lalovanao. :wink:
Eo no mety maha-osa antsika satria sasatra foana ny mangataka nefa ilaina koa ilay mandray zay eo (mionona @misy zany e).



:D andao ary isika anandrana tsy angataka fa isaotra fotsiny indray aloha e
omaly aho nandeha tany amin'ny doko ary hoy aho mantsy ilay ramatoa hoe tsy maintsy mandeha aho fa tapitra ny ora nametrahako ny fiarako,teo ka teo,nivavaka aho mba tsy hisy loza itranga ahy ,nony nivoaka tao amin'ny doko aho ,inona tokoa fa tsy tapitra ny ora,nisy fiara anefa teo anilan'ny fiarako niandry ahy angamba.Nisaotra ,nisaotra ,nandratra Azy no nataoko,toa vetivety dia tonga tany an-trano aho.
Izay ilay izy,mahafantatra ny zavatra mety anjo antsika koa Atra ,toa kely ilay izy kanefa isa-minitra dia mampiseho amintsika ny fitiavany antsika izy.Noho izany tsy tokona atahotra na dia kely akory aza na inona mitranga amin'ny fiainantsika,mahavita izany ve isika e? :D
indraindray fa tsy matetika ,mila mivavaka mafy mila mitana ny finoana mafy ary mila tena mino tokoa fa manao fahagagana isan'andro izy izay tsy takatry ny saintsika indraindray ,izay no antony iderana azy isan'andro.
sa ahoana ?
23. niryna ( 10/06/2009 20:32)
fahamarinana:

:arrow: Misaotra anareo rehetra fa miha-mazava ihany koa na ho ahy aza !
tywa :eo indrindra tsika zao ! :wink: (l)

tsy misy fisaorana ,Rehefa misy zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia tsarovy ny tenin'Atra,tsy nomeny fanahy osa isika na fanahy atahotra,miatrika izay zavatra mitranga ,mivavaka dia apetraka eo am-pelantanany izany dia izay,esorina ilay tebiteby fa izy no manao ny sisa rehetra ,efa nanao izany faha ?
mizara aho satria mitsangana ho vavolombelona ho antsika aho rha mbola nisy tsy nanao izany hianareo.

:D
24. niryna ( 10/06/2009 20:43)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 04-06-2009 04:44:15
Lohateny : Tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery
Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena II Tim 1:7
Raha resaka fanahy masina dia tsy dia mba maheno firy na tsy dia mba heno firy izany resaka fanahy masina izany
Ie ,tsy nomen'Atra fanahy osa isika hono fa fanahy mahery sy fitiavana,izany hoe tsy tokony atahotra izany isika,tsy tokony ho kivy ? sa ahoana no fandraisanao izany ?
cutie:

Tsy haiko ndray alou le we Masina fa raha io araka ny voasoratra io de we fanahy fotsiny le izy donc raha tsy ao anatintsika ny fahatoaniana sy ny filaminana tanteraka tsy mahatsapa an'io fanahy io ny oul iray.
mitombona izany eritreritrao izany ka ,mitovy ny toetran'ny olona ilay fanahy masina izay mitoetra ao anatin'ny kristiana,io fanahy io no manampy antsika amin'ny fiainana rehetra ,io fanahy ioa dia miaraka amin'izay rehetra mino an'i kristy,izy no niteny hoe raha andeha aho dia angataka amin'ny raiko ny fanahy masina izay hiaraka aminareo mandrakizay.

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. I Kor 2:14
raha araka ny teny voalaza io izany dia tsy mahafantatra sy tsy mahalala izany fanahy masina izany izay tsy manana azy ? fa raha manana ny fanahy masina isika dia mahafantatra ny fanahin'Atra izay miaraka amintsika ary mandray izay teny izay nomeny koa ?
niryna
ahoana izany ?
cutie:

tsy zay ndray ny fahazahoako azy, manana sy mahalala an'io daholo isika fa safidintsika no te hivily any @ lalan-kafa.

misaotra aky cutie a

:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0788