mila torohevitra

1. xxx ( 03/06/2009 11:10)
Azafady indrindra fa hitako tsy dia be mpitsidika loatra ilay dinika nampidiriko tao @ "fahasalamana "momba ny "nono mivoaka ronono ".Ka mba manentana antsika vehivavy re mba hijery azy ao a!Asa na diso fametrahana lohahevitra ve za sa ahoana ! Tena mila fanampiana indrindra.
Misaotra antsika mialoha
novalian'i TWING ny 09/06/2009 09:57
2. ni81 ( 03/06/2009 11:15)
Ary maninona raha manatona gynéco ianao e? Izy ange no mety mahita tsara ny toe-pahasalamana e! Eto mantsy misy toro-hevitra ihany fa tsy mitovy @ atoron'ny Dr mihitsy fa samy manana ny hitany sy fantany na koa ny nanjo azy!
3. vale ( 04/06/2009 11:33)
Matetika ny fihnanana fanafody sasany dia mahatonga ny nono hivoaka ronono, fa zavatra tsy atahorana be ilay izy, na izany aza dia mila manatona Dr ihany mba hahafantaranao izay tokony hatao!!
4. sakaymena ( 05/06/2009 18:12)
marina abi manko zao voalazanareo zao fa ny ahy zao ny hevitra hitako an de asaivo nonoan ny vadinao hotran ny refa mapisara-nono io kay eeeeeeeeeee
de ho ritra le izy avy eo
5. ikaretsaka ( 05/06/2009 23:00)
mamonje doko marina e
6. boozkel ( 06/06/2009 05:49)
Nisy zokinay zay (mbola tsy niteraka) nitaiza zanaky ny zokinay vavy hafa, fa reefa mitomany le zaza @ alina reefa avy omena biberon ka mbola tsy mangina de omeny ny nonony,
de ohatr'izany foana, fa taty afara, nisy nono ny nonony satria voatsentsitr'ilay zaza foana,
7. tess ( 06/06/2009 07:01)
ni81:

Ary maninona raha manatona gynéco ianao e? Izy ange no mety mahita tsara ny toe-pahasalamana e! Eto mantsy misy toro-hevitra ihany fa tsy mitovy @ atoron'ny Dr mihitsy fa samy manana ny hitany sy fantany na koa ny nanjo azy!

izany anie oà e!
ny dokotera angamba no afaka manome valiteny mahafapo


8. vale ( 06/06/2009 20:58)
[quote=boozkel]
Nisy zokinay zay (mbola tsy niteraka) nitaiza zanaky ny zokinay vavy hafa, fa reefa mitomany le zaza @ alina reefa avy omena biberon ka mbola tsy mangina de omeny ny nonony,
de ohatr'izany foana, fa taty afara, nisy nono ny nonony satria voatsentsitr'ilay zaza foana,
_______________________________________
boozkel: hihihihihi


9. ikaretsaka ( 07/06/2009 00:38)
to mi existe io lazain'i bozikely io @ biby .. fa @ olona no tsy haiko...
zahako efa nahita ombivavy ohatran'io koa.. le reniomby maty teo ampiterahana ilay zanany dia omby bevoka tsy mbola tokony hisy ronono no nasaina nampinono ilay ombikely fa lasa nisy ronono talohan'ny niterahany ilay omby vavy hafa
10. boozkel ( 08/06/2009 11:02)
vale > tena marina izany ka
11. sakaymena ( 08/06/2009 12:36)
tena marina zany tanareo refa misy oul maty miteraka ireny rah manajanaka vavy lehibe izy de iny no mapinono iny zza iny fa misy non zay mitaiza azy satria tsotsohiny de msy nono am farany ar de afaka mapinono lay zaza izy mandra-pisara-nono lay zaza
12. TWING ( 08/06/2009 14:36)
fahasoavana izany e
ataovy analyse ilay ronono dia raha milay dia amidio fa misy mividy foana ireny
13. mmmhh ( 09/06/2009 07:33)
TWING:
fahasoavana izany e
ataovy analyse ilay ronono dia raha milay dia amidio fa misy mividy foana ireny


Ataovy serieux ......................aza mampme !!!!

Le oul mba mila vonjy ry TWING a,
14. TWING ( 09/06/2009 09:57)
mmmhh

tsy miblague za e,
oeuvre social zany ary tena misy, indrindra ho an'ireny reny niteraka eny @ hopitaly tsy misy ronono ireny e. Eo koa misy ny reny adala manary zaza, dia aiza ary ireny no mahita ronono ? sa atao "GALIA"?LAFO BE.


Efa nahita za matoa miteny e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2147