Tena mihaino Atra fa tandremo an mahaliana ity

21. ari.malala ( 11/06/2009 05:45)
tywa; :-D :-D :-D :-D zay zany :-D :-D :-D :-D :-D
22. niryna ( 24/06/2009 04:00)
tiako ny vadiko nefa mbola tiako lavitra sy ambony foana Atra,fa ny olana de zao rhf manao firaisana @vadiko aho tsy mahazo filinina zany aho toa mafy amiko ilay izy nefa tsy hitako zay atao .Dia mety ilay vavaka nataoko taloha ve no nahatonga zany hoy ianareo.VALIO

aza afangaro ny hoe fitiavana an'Atra sy ny fitiavam-bady kosa e
Atra mihitsy no nanolotra vady ho an'i Adama,tsy tsara raha irery ATra ary dia nanaovany vady sahaza azy.
Inona no idiran'ny hoe tiako ny vadiko kanefa mbola tiako lavitra Atra?
ka naninona hianao no nanambady raha izany fa tsy nanao masera na monpere dia mety ho afaka ny olana.Ohatra nalaiko io satria misy ny olona nanolontena ho an'Atra ary nivoady ny tsy hanambady fa hanompo an'Atra .Izay no antony nakako io ohatra io


lhl sa vhv ianao azafady,
Mirananirina:

samy mivavaka daholo anie ny olona rehetra e,fa tsy noho izany mihitsy ny antony,na koa mety mbola tanora ianao nanambady dia mbola tsy hitanao ny tsirony.tokony nanao mopera na masera ve????asa e
oops ,hay koa nisy niteny toy ny teneniko eto ambany
izay mantsy
niryna:


ny olona iray raha toa ka nanolontena an'Atra izy,dia ny fanompoana an'Atra no betsaka sy mibahana ao an-dohany.Mitombona ny hoe matahotra koa izy hoe aza mijangajanga ,aza manao izao,mila madio ny tena ,mila manaja ny tena koa,misy tahotra ao ,misy fanarahana ny didin'Atra ao,na dia ny teny hoe hajao ny ray sy ny reninao mba ho lava andro hiainana aza hianao dia tena manaja tokoa satria misy tahotra(fear the Lord,na hoe fanajana ilay tenin'Atra sy ny tahotra amin'ny lafiny hafa fa tsy hoe matahotra ilay rakaka be maso ao ambanin'ny fandriana akory a)
ny tiako tenenina izany dia rehefa nandray ny fanahy masina isika dia mahafantatra tsara fa hoe mety izao na tsy mety ary raha toa ka mitady ho voan'ny fakam-panahy dia misy fanahy masina manampy antsika ao anatintsika ka iny no mampianatra antsika ary dia miverin-dalana moramora isika,io ilay hoe manenjika ny eritreritra,misy hery mahatonga antsika tsy anao iny toetra iny intsony na dia tonga aza ilay fakam-panahy eny rehetra eny.Tsy hoe ffijangajangana ihany fa izay fahotana na zavatra manohitra an'Atra izany



niryna:

Mikasika ny filan'ny nofo dia marina izany ,tsy mifandanja ireo,satria ny tenantsika dia tempolin'Atra ka noho izany dia hajaina .

io izany dia ohatra fotsiny no teneniko eto fa tafiditra amin'izany avokoa isika rehetra na manambady na tsia.Manaja ny tena ary manome hasina ny tena fa tsy hanaiky hoviravirain'ny hafa na hamiravira ny hafa
Azavaiko ari-malala: manambady ? hajao ny vadinao. Tsy manambady ? hajao ny tenanao

eto ary ny fanontanian'i ari-malala ka ho valiako.Inona no tiako ho tenenina amin'izany.
isan'andro isika dia miady amin'ny fakam-panahy na amin'ny inona izany na amin'ny inona.Ny tenin'ATra dia manambara amintsika fa ny fanahy masina dia miaraka amin'izay mino an'ilay kristy ary io fanahy masina io no mampianatra antsika andeha amin'ny fahamarinana ,manitsy antsika mba hiverin-dalana isika,mananatra antsika ,manoro lalana antsika,io fanahy masina io koa aza no mivavaka antsika satria indraindray dia tsy fantantsika akory izay hivavahana.Io no mifona antsika amin'Atra ary hoy kristy hoe mahatsara anareo ny andehanako fa raha andeha aho dia angataka ny raiko ny fanahy masina hiaraka aminareo mandrakizay.

Atra dia tsy manome zavatra tsy zakantsika ary raha toa ka misy fakampanahy izay tsy voatohantsika dia io fanahy io no mampianatra antsika hibebaka.
Ny mahatonga ahy hiteny hoe tsy mitovy dia izao indray ry ari-malala: rehefa ny fanahintsika no vokisantsika ny tenin'Atra sy hiainantsika andro aman'alina dia maro ny zavatra voatohantsika ary tsy avy amintsika irery izany fa avy amin'ilay Atra izay inoantsika ary ny fanahy masina no manampy antsika amin'izany fa tsy isika irery .
Lesona lavabe io fa andramako ho fintinina ka raha toa ka misy tsy azonao dia andramako ho hazavaina ny fanontanianao raha tsy aiko sy tsy fantatro moa dia teneniko ihany fa samy mbola mianatra avokoa isika ka mizara izay kely fantatra eo :
Maka ohatra aho mikasika ny fandanjana zavatra eny amin'ny mpiivarotra Raha mitovy ny lanja dia mahitsy ilay fandanjana 200g sy ny siramamy ,raha ny iray mavesatra dia mirona any amin'ny mavesatra ilay fandanjana ary ilay maivana dia miakatra avo dia avo e.Ohatra ny ahy io
Toa izany koa ny fiainantsika,rehefa nandray an'Atra isika,rehefa Izy no mameno ny fontsika dia mamoky ny fanahintsika amin'ny tsara izany isika,raha toa kosa ka feno havinirana,fahatezerana,fahankalana,toetra ratsy,fiafonafonana sy izay toetra mety ho ratsy e,sy ny fitaka sy ny halatra sy ny fahotana rehetra miaraka ny teny ratsy sy ny fananana toetra dia lasa ilay toetra ratsy no mibahana amintsika,vokisantsika zavatra ratsy izany ny tenantsika ary dia iny no mavesan-danja amin'ny fiainantsika ka na miteny isika dia feno teny ratsy,na manana toetra maro izay fantatra fa ratsy.Asa mety mazava ve izay.Noho izany ny olona izay mamoky ny tenany amin'ny vatsim-panahy dia tsy miraika firy intsony amin'ny filan'ny nofo izay mety hanimba azy. Tsy misy idiran'ny hoe mpivady miray eto an,efa nomen'Atra alalana izany ary efa nahazoana tso-drano teo aminy miaraka ireo fianankaviana marobe vavolombelona ny fanamasinana ny fanambadiany tao am-piangonana .Efa nahazoana alalana ka tsy fahotana intsony izany
mazava
fa ny fahafatesana no tambin'ny ota
Mbola ety an-tany isika ary olombelona miloloha lanitra ka mety ho lena ary mandia tany ka mety mbola hosolafaka kanefa rehefa mahatsiaro fa meloka teo anatrehan'Atra dia mibebaka aingana no fanafodiny.
niryna:

Anjaranao no mizara ny hetahetanao amin'ny vadinao amin'ny mahavadinao azy,raha toa ka misy zavatra toa tsy mitovy ny eritreritrao dia mandehana any amin'ny dokotera ary lazao azy ny mahazo anao fa mety misy antony koa.
io no mba hevitra nomeko azy fa avereno aty amiko raha toa ka tsy mety
niryna:

Isika tonga ety an-tany dia mihaina toy ny rehetra kanefa na izany aza dia mila manaja ny vatan-tsika isika,
amin'ny fanomezana hasina ny tenantsika
niryna:

izany koa anefa tsy midika hoe kristiana dia tsy mba afaka mifaly toa ny olona,manana fifaliana isika fa hafa ny lalan'ilay fifaliana,[/quote[ afaka mandeha mitsangatsangana miaraka ny fiangonana,afaka miaraka ny tanora rehetra ka misy mpampianatra mampianatra azy ny fiainana,inona no antony mahatonga ny tanora tsy iray alohan'ny fanambadiana,izay izao dia ohatra iray misy ao amin'ny fiangonana,fandaharana ho an'ny tanora
[quote=niryna ]misy lalana alehan'ny zanak'izao tontolo izao tsy tokony alehantsika.Fa nahoana? satria fantan'ny satana fa zanak'Atra isika ka raha mitsabatsabaka any amin'ny territoire-ny dia tonga dia vitany ny amingana antsika ary lahoana isika vao afaka ao anaty harato ao
,izay no mba azoko zaraina anao
(l) niryna
mora ho an'ny kristiana no solafaka raha mandehandeha any amin'ny toerana tokony tsy alehany izy.
efa nozaraiko ity:sendra nilalao ordi ity rangahy iray ary dia nisy film porno tanzany tampoko ,nangalatra nijery izy ,tsy nisy nahita ,tsy andriny foana izay ahatongavana ao any am-piasana ary dia nijery tsikelikely .... inona no mety hiafarany ? tratran'ny fakam-panahy izy ary dia mody tara foana ary nanomboka nandainga tamin'ny vadiny fa manana asa betsaka hay manidy trano irery eo mi-chat-chat aman'olona.Ahoana no niafarany ? nisaraka,potika ny tokantrano fianakaviana maro no simba noho ilay fakam-panahy kely tsy voatohatra.


23. niryna ( 24/06/2009 04:02)
mmmhh:

nyrina:
toa izany koa ny olona iray raha toa ka nanolontena an'Atra izy,dia ny fanompoana an'Atra no betsaka sy mibahana ao an-dohany.Mitombona ny hoe matahotra koa izy hoe aza mijangajanga ,aza manao izao,mila madio ny tena ,mila manaja ny tena koa,misy tahotra ao ,misy fanarahana ny didin'Atra ao,...

Dia ny olona nanompo an'Andriamanitra ve zany tsy mahay manavaka hoe firaisana tahaka ny ahoana no eken'Atra dia ny firaisana tahaka ny ahoana no fijangajangana ? Sa de lasa Donto ny sainy reefa manolo-tena ho an'Atra de tsy mahay manavaka an'zany?


mahatsampa fa rehefa tonga izany fakam-panahy ka tsy mahatohitra ny olona iray dia izay
firaisana ahoana moa no eken'Atra ary rehefa ahoana no tsy ekeny ?
ilay olona manao firaisana ihany ve tsy ahalala hoe mety ity na tsia sa ahoana ?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1736