RADIO FAHAZAVANA

21. tafondro ( 27/05/2009 11:37)
Ka ny medias en general rehefa natao ny fanadihadiana dia ,tsy misy mihintsy izany hoe neutres izany n' aiza n' aiza tany alehanao .Misy foana ny principes moteurs mi-activer azy ireny na avy @ DG- ny ,na ny antoko hianteherany , na ny toerana misy azy , na ny firenena hisiany .Déontologiquement parlant , dia tsy maintsy misy foana ny desinformations des ressources dûs aux mélanges du genres et de types rehefa tsy manana organes de controles ny médias mampita ireny vao² ireny.Ka tsy tokony hahagaga ary koa tsy tokony harahina be fahatany , satria raha te hahafantatra ny vaovao marina ianao , dia tsy maintsy mi- verifier im- pito ny sources aloha farafaharatsiny vao afaka ny hino na tsy hino ny fahamarinany. :idea:
22. xxx ( 27/05/2009 12:31)
Rehefa tsy rever-nareo dia aza henoina fa aza be menomenona moa e, izy tianareo henoina dia basta
23. naritsimba ( 27/05/2009 12:31)
Iza moa no tena mpitsara olona tsy ny TIM ve? izy ireo no milaza fa mpangalatra, mpanongam-panjakana ny TGV, ny hitako aloha dia ny HCC no nampanao fianianana azy teny mahamasina(investiture).
T@ 2002 ange Ravalomanana in-droa nanao investiture e, dikan'izany tsy izy ilay voalohany fa halatra izany, nefa toa tsy nisy ny fitarainana sy filazana fa halatra no niakarany teo, ary izaho anisan'ny nanohana azy, saingy tsy mpanohana be fahatany akory aho na mitady seza fa rehefa tsy mety dia tsy mety, dikan'izany amiko dia malahelo toerana ny TIM satria nanantena ny ho lasa Emperora Ingahy Ravalomanana, tsy nampoizina anefa fa voahaja tsara ilay zavatra noteneniny hoe: VITAO HATRAMIN'NY FARANY REHEFA HANAO IHANY, dia iny vita iny ny tantara, tsapao aloha ny herinareo dia iny izy nitsoaka nandositra iny.
Ny hafatro dia tsotra: tsy mitsara aho fa ny zava-misy niaraha-nahita no lazaiko, sanatria ny hamorona.

ravatorano> atao ahoana e, efa tsy manao fandaharana @ Radio intsony zao fa ny kandra no imasoana, hainao ihany fa ny ahy rehefa izay dia izay, tsy mba mivadika zany rehefa hanao zavatra, tsy toy ny sasany, hafa ny lazain'ny vavany fa hafa ny tondroin'ny tanany.
24. bogoskel2009 ( 27/05/2009 12:35)
haha.omeko vola ve ranga e.Mb omeo sosy hono io bandy io ry pro ra8 a.zao no teneniko anse reo olona lazain se mangina reo ane ka matahotra e.ts sah mamoaka ny heviny izireo satria @zao tsika miteny izao dia na dia hevitra mivoaka dia mety hampigatra.Ra tena tia tanindrazana se de ts niala tao @ radio,mijoro @ hevitra tena hananan'se.fa ts mamadika palotao refa mafy ny ataky .zay lesy ranary fa aza mapme a.
25. xxx ( 27/05/2009 13:57)
bogoskel2009:
Ra tena tia tanindrazana se de ts niala tao @ radio,mijoro @ hevitra tena hananan\'se.

ka i bogosy ve tsy mahazo zavtra ?? ka noho izy tsy afaka mijoro @ heviny no nialany tao, satria tsy heviny no nentiny teo fa hevitra forcer-na ho hevitrao,
tsy afaka mijoro @ hevitra na de te-hijoro aza,

26. reeves ( 27/05/2009 14:13)
Tam`andron-dRa8 , firy ny filazam-baovao mpanohitra . Raha tsy hiteny afa-tsy ny Gazety , Lakroa , Verite , le Quotidien , Express ? Ary min`izao andron`ny FAHALALAHANA HAFA KELY zao , mba firy ny radio mpanohitra eto ? Tsy efa tapenam-bava daholo ve rehefa tsy samborina ? Tena nampiomehy ahy ilay filazana fa raràna ny manoratra Graffiti fa mandoto ny rindrina . Teo amin`ny tambohon`ny Stade Alarobie , nisy hoe TGV = COUP D`ETAT , CAPSAT = V...DY , dia ireo nisy namafa tamin`ny loko fa ilay hoe MANANDAFY=SAMBORY , sy ilay hoe MANANDAFY = PM ANTITRA tsy mba nisy namafa nefa samy nandoto rindrina ihany . Dia hitanareo amin`izany fa tsy misy zavatra logique ilay fitondrana amin`izao fotoana .
27. fijo ( 27/05/2009 19:50)
hoy naritsimba:" ny tenako anefa sy izay nitovy fijery tamiko dia tsy afaka mihitsy ny tsy hamoaka ny hevitro amin-kalalahana,"
de izao ve naritsimba mba miady hoan'izay te haneo hevitra ankahalalahana koa sa?????
28. naritsimba ( 28/05/2009 05:14)
fijo> tena miady ny fahalalahana mihitsy ka, fa kosa ny zavatra marina no lazaina fa tsy mamorona. Ny mampalahelo ange dia ny olona efa hita fa tsy nanjary ny zavatra nataony teto @ firenena no arovana eh, amiko rehefa tsy mety ny nataon'ny olona iray dia tsy mila arovana.
Malalaka tanteraka izao ny fanehoan-kevitra, malalaka ny fampahalalam-baovao, ary raha mihaino Radio ianareo, na mijery TV dia tsy misy tsy mandefa ny zava-miseho daholo izy rehetra, na ny TV VIVA aza dia milaza ny zava-misy eny Ankorondrano. T@ andron'ny Ra8 tsy mahazo maneho hevitra toy izany ny mpiasa tao aminy fa tonga dia voaroaka.
29. xxx ( 28/05/2009 06:18)
"naritsimba":
Raha miverina iny dia mamono tena, saingy indrisy fa aleoko dieny izao dia manangona fonosana Marna Gold hamonosana ny fatiny, dia boatin'yaourt no atao famangiana, ary asiana lohan'osy eo ambonin'ny fasana ilevenany.
tena deçu be mints zah am naritsimba , hay ve tahakizao ianao eh ? soahiany fa tsy tahaka anao daholo ny olona mpaneho filazantsara am hira sy dihy .... :( :( :( :(
30. naritsimba ( 28/05/2009 13:13)
xxx> angaha Andriamanitra naniraka hoe mangalara ny fananan'ny sasany, tsy izany no notoriana t@ hira sy dihy ara-pilazantsara, fa ny teny soa mahafaly. Inona moa no aha-deçu anao amiko? zà ange tsy mahalala anao akory ary izaho koa tsy deçu mihitsy t@ zavatra nataoko sy mbola ataoko ho an'ny asa tsara rehetra. Ianao no deçu fa ny olona mifanerasera amiko akaiky toy ny mpiara-monina sy ny mpiara-miasa mahalala tsara ahy sy ny toetrako, ny ahy rehefa marina dia marina ary tsy azo ahodina, izay fisainako izay no nahavitako zavatra maro ho an'ny manodidina ahy rehetra. Na fokontany io na fiangonana, na fikambanana izay mila izany.
31. fijo ( 28/05/2009 22:51)
izao ve no atao hoe malalaka ny fanehoankevitra ry naritsimba???????sao dia diso fandraisana ny atao hoe malalaka ise?,
ny mpiasan'ny tvm aza anie mitalaho fa terena izy amin'ny vaovao avoakany e?nanidy radio mada anie i tgv e,
misambotra ny mpitarika eny aminn'y magro anie ry sarla e.iza no nosamborina teo amin'ny 13 mai???mba ilazao iray aho hoe?
za tsy miaro an dravalo.antatro ny nataony teo,ary izay no hilazako hoe tsarao izy.fa itako koa izao ny ataon'ity mpanongana fanjakana.ary amiko ny fanonganam panjakana dia efa tsy eken'ny saiko satria mitarika firehana olontokana izany.
jereo fotsiny ,milaza ry andry fa ny vahoaka no nametraka azy teo.ekeko izay rah atalohan'ny 26janvire,fa taorian'izay,dia efa nialan'ny vahoaka izy ary maro izao no mankeny amin'ny magro ireo nanohana azy taloha
32. coucou2 ( 29/05/2009 09:11)
naritsimba:

xxx> angaha Andriamanitra naniraka hoe mangalara ny fananan'ny sasany, tsy izany no notoriana t@ hira sy dihy ara-pilazantsara, fa ny teny soa mahafaly. Inona moa no aha-deçu anao amiko? zà ange tsy mahalala anao akory ary izaho koa tsy deçu mihitsy t@ zavatra nataoko sy mbola ataoko ho an'ny asa tsara rehetra. Ianao no deçu fa ny olona mifanerasera amiko akaiky toy ny mpiara-monina sy ny mpiara-miasa mahalala tsara ahy sy ny toetrako, ny ahy rehefa marina dia marina ary tsy azo ahodina, izay fisainako izay no nahavitako zavatra maro ho an'ny manodidina ahy rehetra. Na fokontany io na fiangonana, na fikambanana izay mila izany.


Fa A/tra kosa naniraka ny HAT anongampanjakana eh!

33. naritsimba ( 29/05/2009 10:01)
coucou2> fa Andriamanitra naniraka hoe alaivo ny volam-panjakana hividiano Force One hitsangatsangananareo mianakavy e! Izaho ange manaiky fa fanonganam-panjakana iny nitranga teo iny
fijo> izaho aloha tsy ho eny @ Magro mihitsy raha misy tsy mety ataon'ny AndryTGV e, izay niaraka tamiko nitolona dia tsy mankeny na iray aza. Ny mpivadika palitao no mivezivezy ohatran'ny firaka atakalo ka androany manongana rahampitso miverina any @ ilay nahongana.
Ary izay no mahatsara ny Baiboly fa tsy misy izay tsy voalaza ao ny fiainan-janak'olombelona:
OHABOLANA 26: 11 Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany
34. coucou2 ( 29/05/2009 10:59)
naritsimba:

coucou2> fa Andriamanitra naniraka hoe alaivo ny volam-panjakana hividiano Force One hitsangatsangananareo mianakavy e! Izaho ange manaiky fa fanonganam-panjakana iny nitranga teo iny
fijo> izaho aloha tsy ho eny @ Magro mihitsy raha misy tsy mety ataon'ny AndryTGV e, izay niaraka tamiko nitolona dia tsy mankeny na iray aza. Ny mpivadika palitao no mivezivezy ohatran'ny firaka atakalo ka androany manongana rahampitso miverina any @ ilay nahongana.
Ary izay no mahatsara ny Baiboly fa tsy misy izay tsy voalaza ao ny fiainan-janak'olombelona:
OHABOLANA 26: 11 Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany



Mazava fa nanaiky ianao fa nisy ny coup d'état. Raha tena milaza anao ho kristianina ianao dia tsy anindrahindra ny mpanongampanjakana mitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081