prochainement sur Grand Ecran
1. pimaso
(
26/05/2009 19:07)
Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, izay maro an’isa, ary mitolona tsy mitsahatra, tsy manaiky lembenana, miarahaba anareo aho.
ankehitriny i madagasikara dia entin’antokon-jiolahy manana tetika maizina miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay.
Ny tanjon’izy ireo dia ny hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevo ny Vahoaka malagasy. Ny tetika fitaka vaovao hitan’ny frantsay ialana amin’io savorovoro naterany io, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao nataony tamin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto Madagasikara.
Ny mpitondra an’i madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miara-miasa akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra - tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana, ny famonoana, ny fanagadrana, ary ny fampihorohorona ny vahoaka malagasy, izay hita fa tena mahery fo ; tsy manaiky lembenana, fa mijoro amin’ny fitakiana ny ara-dalàna sy famerenana ny lalampanorenana.
Hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny io, dia mampiasa hery izy. Mihevitra izy ireo fa izany fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.
Tsy tian’ny frantsay handroso mihintsy i madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombontsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I madagasikara sy hampivaotra ny farim-piainan’ny Vahoaka malagasy.
Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy. Amin’izay dia mahantra sy mijaly ny Vahoaka Malagasy.
Hahatongavany amin’izany dia notafihany ireo fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra. Ao koa ny fangalany vola tao amin’ny Banky Foibe sy ireo fikambanana, toy ny «Assurances», izay fananan’ny firenena Malagasy.
Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna sy ny fampiasana herisetra rehetra izay ataony.
Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, mijoro, mitaky ny ara-dalàna,
Hanao izay tratry ny heriko aho aho, ary hampiasa fahaizako sy ny fahefako, handrodanana haingana io fanjakan’ny baro tarihin’I Andry Rajoelina io, ary hamerina ny ara-dalàna sy ny hisian’ny fanarahana ny Lalampanorenana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.
Hahatongavana amin’izany dia nitety firenena maro aho. Nanaiky daholo ireo firenena ireo, izay hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany.
Koa ambarao amin’ny Malagasy rehetra mpiray tanindrazana izao resaka lazaiko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.
Aza matahotra fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra!

novalian'i tsimatimanota ny 27/05/2009 18:07
2. Noue
(
26/05/2009 19:30)
ny tena olana manko dia be dia be ny malagasy tsy maharaka ny vaovao , hany ka na dia tsisy fahamarinana aza dia lazaina fa OK