FIRY?

1. 08051972 ( 26/05/2009 14:18)
Firy amintsika mpisera eto no nahatsapa tena very vao niala tany Dago? firy amintsika eto no nisaotra ny serasera fa mba afaka mifanoratra @ Malagasy rehetra manerantany ? Inon'ary no antony mahatonga an'izany ? Satria TIANTSIKA NY FIRENENTSIKA! Maro ny Gasy tonga taty Eropa ary nahatsiaro nitondra mangidy satria na dia ny farimpahaizan'izy ireo aza tsy nohekena taty ankory dia voatery namerina nianatra izay nazoto fa ny tsy nazoto lasa mpanadio ...? De tsy tokony hampieritreritra antsika ve hoe ny TARANATSIKA koa mbola hiharan'io raha tsy misoroka dieny izao zay fomba handrosoan'ny firenena Malagasy isika?
Firy anefa ny firenena na de i Amerika aza manana ny harena nakibon'ny tany anantsika? Nahoana no tsy tafavôka isika? :idea: :idea: :idea: :idea:
novalian'i Noue ny 26/05/2009 16:25
2. andrywui ( 26/05/2009 14:24)
Firy amintsika mpisera eto no nahatsapa tena very vao niala tany Dago? firy amintsika eto no nisaotra ny serasera fa mba afaka mifanoratra @ Malagasy rehetra manerantany ?


misaotra andra hery ihany zany raha izany ko !! de aleo zany tsy alefa tsony le daty sy fotoana nifanekena fa zara aza rahery nanao ny serasera ?? ony ry 08051972 ??

--de avela hiala maina zany lery !! eny e ! mety ampandalovina afo fandiovana lery de avela ny helony ,de tsy misy daty sy fotoana tsony mandé eto amin'ny serasera !! mbola ho dinihan'ny birao anefa zay raha manaiky i OAY sy i Essera sy Bazylou de lazaina eto ihany oe nahazo grace i hery !!
3. xxx ( 26/05/2009 14:32)
08051972:

Firy amintsika mpisera eto no nahatsapa tena very vao niala tany Dago? firy amintsika eto no nisaotra ny serasera fa mba afaka mifanoratra @ Malagasy rehetra manerantany ? Inon'ary no antony mahatonga an'izany ?
olona iray ihany zao no fantatro nisoratra anarana tato, ato foana izy, tato foana izy, ary mbola ho ato foana ! midika inona zany ? midika fa tiany ny fahatongavana ato mba ahitany ny malagasy mpiray tanindrazana aminy , saingy asa re maninona loatra na inona ity nahazo azy fa dia ny mpiandraikitra ity sehatra iraisantsika mianakavy ity foana no henjehiny ! nefa tsy ho aiza anie fa ato ihany e !


4. 08051972 ( 26/05/2009 14:53)
andrywui:

Firy amintsika mpisera eto no nahatsapa tena very vao niala tany Dago? firy amintsika eto no nisaotra ny serasera fa mba afaka mifanoratra @ Malagasy rehetra manerantany ?


misaotra andra hery ihany zany raha izany ko !! de aleo zany tsy alefa tsony le daty sy fotoana nifanekena fa zara aza rahery nanao ny serasera ?? ony ry 08051972 ??

--de avela hiala maina zany lery !! eny e ! mety ampandalovina afo fandiovana lery de avela ny helony ,de tsy misy daty sy fotoana tsony mandé eto amin'ny serasera !! mbola ho dinihan'ny birao anefa zay raha manaiky i OAY sy i Essera sy Bazylou de lazaina eto ihany oe nahazo grace i hery !!



:lol: :lol: :lol: Ne 'elà kosa zany fôna ! ;-) ;-) ;-) F'efa woe Aza miadiady zany ny ZAnak'i Gasikara! :cry: :cry: :cry:
5. Oay ( 26/05/2009 14:56)
08051972:


De tsy tokony hampieritreritra antsika ve hoe ny TARANATSIKA koa mbola hiharan'io raha tsy misoroka dieny izao zay fomba handrosoan'ny firenena Malagasy isika?
Firy anefa ny firenena na de i Amerika aza manana ny harena nakibon'ny tany anantsika? Nahoana no tsy tafavôka isika? :idea: :idea: :idea: :idea:



Mahafinaritra be ilay dinika napetran'i Fahavalon'ny Volana Mai ny Taona roa ambiny Fito-polo sy Sivanjato sy Arivo ary tena mampisaina na indrindra moa ho anay aty Madagasikara satria MISY @ ireo any ivelany any no azo lazaina hoe efa any no tena misy anazy fa ho anay izay eto an-toerana d tsy maintsy hatsaraina ny eto raha tsy izany d ho zava-doza!

Inn ary ny tena olana misy eto amintsika: "MPIVAROTRA TANINDRAZANA DAHOLO NY MPANAO POLITIKA NANDALO TETO HATRAMIN'IZAO"
Aleo azava fa tsy miteny aho hoe ireo IZAY NITONDRA IHANY fa ny MPANAO POLITIKA indrindra ireo izay afaka ni-influer ny FITONDRANA (Lobby).
Miseho ho mafy loha kanefa rehefa manoloana vahiny d KELY AINA!
Jereo @ izao fotoana izao :"IZA NO TSY MIANTSO VAHINY"
D aza avadika indray ny resaka @ ilay resaka cooperation an!
i Oay d mahalala tsara fa tsy maintsy misokatra @ vahiny isika satria tadidio fa na CHINE na INDE na USA izay manana tsena anaty ngoda be d mbola mifanerasera @ hafa satria tsy maintsy misy ilay fifanakalozana.
Fa ny tiako holazaina d ilay MPanao politikantsika d kely aina rehefa manoloana vahiny hany ka EKENA DAHOLO izay lazain'ny vahiny fa tsy mba afaka MIADY ho an'ny TOMBOTSOAN'ny Firenena!

Ohatra: i ngahy Ratsiraka nandroka Amerikana (NASA) sy Frantsay d nanafatra Sovietika sy Koreana, d mazava ho azy fa ny Frantsay no lasa fa ny Sovy indray no nanao izay tiany io moa ilay hira manao hoe : "NANDROAKA VAZAHA MBA HOSOLOM-BAZAHA"
D otran'izay ihany koa ny nataon'i Ravalomanana :"Noroahana ny Frantsay d nampidirina ny SINOA, ALLEMANA, AMERIKANA" d ireo indray no lasa mpanjanaka ara-toekarena vaovao!
Tsy mba ain'ny Mpanao politika Malagasy mihintsy ny milalao ilay concurrence,
Tsy mba ain'ny mpanao politika Malagasy mihintsy ilay vazaha mody miady,
Tadidio anefa fa ny lalana ny tolotra sy tin'ady d milaza fa rehefa betsaka ny mpitady d miakatra ny vidiny, ary ny zavatra rehefa tadiavina d lafo ka nahoana no tsy aintsika Malagasy ny manararaotra an'izany.

Tsy hoe tsy aintsika fa ny marina d MANAO VALALA AN-KARONA ISIKA MALAGASY ka mifanipaka!
Tsy mba aintsika mihintsy ny mifandefitra fa ny mifamotika d aintsika!
Valy faty no mibahana ao an-dohantsika raha vao mahazo toerana!
Fiarovana ny TOMBOTSOA MANOKANA no atao fa tsy ny fiarovana ny tombotsoam-pirenena!
Aiza ve ka misy sekretera jeneraly ambony toerana zara raha mahay mamaky teny d rehefa manoloana vahiny d yes na no no ainy mba tsy hilazako hoe Oui sy Non!

Ka raha misy ny fitiavana an'i Madagasikara d ny zavatra tokony atao d tsy ampy ilay hoe :
NY FITIAVANAY TSY MIALA FA HO ANAO ...
Ka MIla ampiana ilay hoe: TAHIONAO RY ZANAHARY...MBA AHITA OLONA TENA TIA SY TSY HIKATSAKA HAFA TSY NY TOMBOTSOAM-PIRENENA fa io no tsy ampy antsika é!

Misaotra namaky d misaotra ny mpandrindra @ ilay support azahoana mifanerasera.
6. 08051972 ( 26/05/2009 15:16)
Misôtra betsak nanome hevitra! Dia atonntsika toy ny DIATANA ary ! ITODIHANY NY AORIAN HITSINJOVANA NY HOAVY §Tokony tsy hiantehatra mpano pôlitika intsony isika vahoaka fa hifidy olona azo antoka " Sarotr'io" ,nefa azo atao! Miainga avy amin'ny fokontany sy ny Mairie ary any @ deputé anie ny Tenimidina ifampiherana e! Ka izay indrindra no ilantsika olona tsy miankina mba hanaramaso io fanararaotampahefana io ! Ny mpitondra indray tsy afa-mihetsika rehefa voafehin'ny député ao aminy ary ny minisitra koa mba olona sahy no tokony ho fidina f'indrindra ny RAHARAHAMBAHINY satria t@ andron-dRanavalona aza ny gasy efa nahay nifampiraharaha t@ Aglisy sy ny tariny....!Mety tsy anio hariva no hahitantsika vahaolana nefa hoy ny Frantsay hoe "Paris ne s'est pas fait en une journée"
Manoratr'aho satria TIAKO I MADAGASIKARA (l) (l) (l) (l) (l) !!!
7. Noue ( 26/05/2009 16:25)
08051972:
Firy amintsika mpisera eto no nahatsapa tena very vao niala tany Dago? firy amintsika eto no nisaotra ny serasera fa mba afaka mifanoratra @ Malagasy rehetra manerantany ?
na ireo tsy niala tany aza anie dia be dia be no eto eee! de toute façon, site gasy ity dia amiko aloha normale ihany sy automatique oe gasy ny tena dia site gasy no atao ambony lavitra noho ny site ny firenena hafa, marina fa oe ao ny fitiavan-tanindrazana fa ao koa ny tena oe site gasy @ maha gasy antsika dia tiantsika ny site gasy satria gasy isika koo ! Dia tena hisaorana ny tompon'ity site ity mba nahafahan'ny MALAGASY midinika sy mitafa eto eee !


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2128