homosexuelle ???????

1. ninichantal ( 24/05/2009 13:37)
Fa maninona kay ny mahatonga ireny olona ifankatia samy mitovy sexe ireny e ? inona ary kay no mety nahatonga azy ireny tofoka na tsy té ierika olona samihafa sexe aminy ? Fitiavana sa andrakandrana sa noho ny fandrosoana e?????
novalian'i xxx ny 12/06/2009 19:15
2. fahamarinana ( 24/05/2009 13:43)
:arrow: satria ohatr'izay ny tenany ! Tahaka ny mety mahatonga ny olona roa mifankatia ihany io :tsisy nahoana ,tsisy satria fa izay no zava-misy ! Tsy voatery akory hoe mitovy dia voatery ho andrana na tsy te ierika na fandrosoana na aretina !...Amiko manokana izay aloha ! (l)
3. xxx ( 24/05/2009 14:16)
lhl zà.

fahamarinana:
tsisy nahoana ,tsisy satria fa izay no zava-misy

Miombi-kevitra aminio zà kanefa mahagaga anà ihany aloha ny lhl homo, amin'ny fomba ahoana re no tsy hitiavana ny vhv rehefa mahita ny hatsarany ianao. Tena maty antoka mihitsy ry lerony.
4. fahamarinana ( 24/05/2009 14:33)
:arrow: xxx2 : Amiko manokana aloha an ! Tsy misy resaka fatiantoka,izay ilay fitiavana e,mistery ! ary voakasika daholo izay tia na lahy na vavy io ! tsy voafetra ! Ny sentimaka mitovy ny fiatraikany amin'ny olombelona ! hevitro izay an ! (l)
5. lemenakely ( 24/05/2009 15:10)
Aza adino fa misy koa ny atao hoe bisexuel , izany hoe sady tia olona mitovy sexe aminy izy fa tia koa ny mifanohitra @ izay!
6. xxx ( 24/05/2009 18:46)
Raha ny fandinihako azy manokana dia resaka fitiavana tahaka ny fitiavana rehetra io , saingy ny "projet de vie" mitovy sady mafy fatotra no mampifamatotra azy mafy,ary mety mahomby matetika izay atao rehefa mitovy firehana sy tadin-dokanga, afaka mifampi-comprendre tsara é, eo koa angamba ny hoe" miala andraikitra" tsotra izao satria tsy manana anaka. Tsy marina tanteraka anefa io satria misy manangan-jaza ry zareo.
Tsy voatery hino an'izany ianao fa hevitro sy vokatry ny fandinihako ihany izany , izay mety ho diso mety ho marina.
7. xxx ( 24/05/2009 18:54)
io no atao hoe fitiavan-demony é! fitiavana efa noraran'Andriamanitra io fa tsy ho tafiditra @ fanjakany, ninoninona lazainy olona.
8. locl ( 24/05/2009 19:12)
Tsy misy izany hoe fitiavana avy @ demony izany, ny fitivana tsy azo adika ho zava-dratsy. Sa hianao ry xxx milaza fa tsara ny lehilahy mampirafy na ny vehivavy mampirafy, raha dinihina manko dia ireny koa fahotana ara-baiboly.

Ny homosexualité dia tsy aretina na fahotana, fa hoatry ny fifankatiavany olona roa ihany, tsy asiana hoe nahoana na koa hoe misitery. Raha misy moa olona afaka mamelabelatra eto hoe nahoana izy no tia ilay olona miaraka aminy dia mitovy amin'izany koa ny homosexualité.

Ny tena olana @ kolontsaina Malagasy manko dia nofemperana araka ny fomban'ny ntaolo ka lasa mibahana ao antsaina avy hatrany hoe ratsy raha vao mifanohitra amin'iny.
9. xxx ( 24/05/2009 21:00)
Tsy misy izany hoe fitiavana avy @ demony izany, ny fitivana tsy azo adika ho zava-dratsy. Sa hianao ry xxx milaza fa tsara ny lehilahy mampirafy na ny vehivavy mampirafy, raha dinihina manko dia ireny koa fahotana ara-baiboly.

Voalazanao tsara tokoa fa fahotana ara-baiboly, za koa tsy milaza hoe ny mampirafy tsy fahotana, ny fahotana voalazany baiboly ataoko angamba fa no dikain\'olombelona daholo, ary ty no ôtrany adinony olona matetika ny devoly anie ka niaraka nampidin\'Andriamanatra t@ olombelona tety an-tany, ary mihezaka mafy izy mba hisarika olona maro hiaraka aminy fa ny olona no tsy miheritreritra hoe ty anie ka asany devoly! rehefa betsaka ny olona manao azy na hakalazaina b dia ôtrany hoe mety na ara-dalana.Ity misy ohatra iray zay tsy d hakalazaina b ôtrany homosexualité nefa fantatry ny olona maro d ny fifankatiavany olona @ biby zay manao firaisana @ izy reny! raha hakalazaina b koa angamba io d betsaka koa no hanaraka sy hanome ny heviny.
Ny fitiavana zay nomeny Andriamanitra d ny fiharahany lahy sy ny vavy
10. xxx ( 24/05/2009 22:27)
safidy tsotra izao io amiko. Tsy we vo avy any am-bohoka akory de efa we homo le oul lol.
11. soanja ( 24/05/2009 23:43)
ninichantal:

Fa maninona kay ny mahatonga ireny olona ifankatia samy mitovy sexe ireny e ? inona ary kay no mety nahatonga azy ireny tofoka na tsy té ierika olona samihafa sexe aminy ? Fitiavana sa andrakandrana sa noho ny fandrosoana e?????


Ny fomba tena ahitanao valiny mahafapo dia mamakia boky be dia be, manaraka ireny documentaires isan-karazany momban'ny olombelona; siansa, religion, fiaraha-monina, tantara sns.., mandinika ny manodidina sy ny fomba fiaina isan-karazany ary indrindra vonona hijery zavatra amin'ny maso vonona handray zavatra mifandanja.

Raha tsy ianao mihitsy no manao fikarohana dia tsy ahita fijery mifandanja. Mahaiza mikaroka foana! Ny fanontaniana eto mety tsy hanome anao izany...


:-* :-* :-*

12. tafondro ( 25/05/2009 00:33)
Dia mahaiza mikaroka sy mandanjalanja ny fandehan' ny fiainanao .Oz' izy !!
13. Mirananirina ( 25/05/2009 12:46)
maninona moa raha hapetrakao amin'ireo manokana ny fanontaniana e.izy tsinona no mahay hoe nahoana.
14. xxx ( 27/05/2009 18:21)
fitiavan'Andriamanitra lahy sy ny vavy no miaraka fa ny ankoatr'izay fitiavan-devoly ninoninona fanazavana atao.
15. Djhamhal ( 28/05/2009 13:35)
Ny filana no mibaiko ny saina no mahatonga an'io ! nefa ilay filana tsy voa-janahary fa baikon'ny fahazarana ! ary ilay fahazarana ,antony maro no nahatonga azy; izay izy tompony ihany no mahafantatra azy ho voafatotra taminy!
16. tess ( 28/05/2009 14:57)
lemenakely:

Aza adino fa misy koa ny atao hoe bisexuel , izany hoe sady tia olona mitovy sexe aminy izy fa tia koa ny mifanohitra @ izay!


ary saodé mba mijery an'i TILA celibat. and bi aza enao


:wink:
17. fijo ( 29/05/2009 22:19)
vao mianatra mitia ngaha i nini kely izany???
18. kotobekibo ( 03/06/2009 20:31)
zà mànana namana homo fa ny filazandry zareo rehetra azy dia efa h@ fahazazan-dry zareo dia ny olona mitovy sexe aminy no manintona azy ; voajanahary izany .

Resaka hormone io e!
- raha ny hormone maha-lhl ( testosterone ) no betsaka ao aminao d ny vhv no manintona anao na lhl enao na vhv .
- raha ny hormone maha vhv ( progestérone ) no betsaka ao anatin'ny vatanao dia ny lhl no manintona anao na lhl enao na vhv .
19. Djhamhal ( 08/06/2009 14:52)
ny olona mitovy sexe aminy no manintona azy ; voajanahary izany
tsy voa-janahary miitsy zany ! fa EVA vhv no vadin'i ADAMA lhl zay no voa-janahary !!! ary zay no nalahatr'ilay nahary zao tontolo izao !!!!
20. xxx ( 12/06/2009 19:15)
ITY dia ho an'i fahamarinana

Efa voalaza ao @ baiboly fa fahotana ny firaisan'ny lahy samy lahy na koa ny vehivavy sy ny vehivavy, fahotana ihany koa ny fijangajangana.(jereo baiboly) Ary jereo tsara fa izay rehetra lazaina fa fahotana eto dia tena ankafizin'ny olona fatratra,(fitiavan'ody, fitiavana fijangajangana, fitiavana miteny ratsy....) nahoana hoy ianao? SATRIA izay tena ankafizin'ny olona indrindra eo @ fiainany no isintoan'ilay ratsy azy, satria any @zay tena mampalemy azy (point faible) no isarihany azy, ka ataony mihintsy izay tsy aharetan'ny olona , ( incapacité de résister)
Ary ny firaisan'ny olona mitovy sexe dia tsy avy @ Atra, satria vehivavy anie no nataon'Atra ho vadin'i Adama tao edena fa tsy lehilahy mihintsy eh!! dia toy izany kou i Eva, lehilahy no nomen'Atra ho vadiny fa tsy vehivavy. koa ra tsy fahotana ny homosexualité, nahoana no nataon'Atra ho olona roa samy hafa sexe no nataony hivady! ??? ny dikany dia ny firaisan'ny lahy sy ny vavy no noforonin' Atra, fa tsy namorona ny homosexualité mihintsy izy sanatria!! ary rehefa tsy Atra no namorona ny homosexualité, dia mazava ho azy fa ilay mifaninana aminy dia ilay ratsy izany!!!

Ary marihana tsara fa tsy ny fitiavana velively no fahotana, fa ilay origine an''ilay fitiavana, toy ny fitiavan_tena, fitiavan'ody, sns....

Koa izay fantatrao fa mety @nao atao, fa izahay eto @ serasera dia manoro hevitra fotsiny fa anao ny farateny fa ho avinao io, fa raha ny amiko manokana aloha tsy hitako izay maha probleme ny oe fomban'ny ntaolo sy ny fomban'ny kristianina, ny fandrosoana fandrosoana ihany fa tsy izany mihitsy no hampijoro ahy tsy ho malagasy 100/100 na tsy hampijoro ahy ho kristianina. lazaina matetika mantsy fa oe ny gasy borqué @zay oe fomban'ny ntaolo sns ka oe sarotra mandray "sens de civisme, sens de l'évolution", fa @ko ny maha olona civilisé an'ny olona sy ny maha olona évolué an'ny olona dia ny fahaizany mieritreritra sy mamakafaka @ sainy manokana fa tsy afonjafonjan'izao culture an'ny olona rehetra izao; "faculté de penser par soi_meme et faculté de ne pas se laisser influencer par les autres".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098