Fandraisana/ fanofanana mpiasa

1. soanja ( 23/05/2009 12:34)
Hono hoy aho azafady. Raha amin'izao kirizy isan-karazany mianjady amintsika ao Madagasikara izao dia inona no tokony atao manoloana ny fanampiana ny olona 100 raha hanofana azy ireo hiasa na hianatra asa aloha.

Ny tiako tenenina dia te hanatsara ny fiaimpiaina ao anaty orinasa , mikatsaka taoraha haingana sy mavitrika ary kalitao ara-dalana nefa koa tsy te ho lanibe mba hitsinjovana ireo izay efa miasa ao amin'izao.

Ny mampisalasala ahy dia ny hoe tokony handray karama ve ny olona mianatra asa na miofana sa omena sakafo isanandro izy ireo isaky ny tonga mianatra asa raha toa ka atao hoe kajiana hahay ny asa izy ireo ao anatin'ny iray na roa volana eo farafahatarany.

Hatramin'izay mantsy dia tsy mandray karama izy ireo rehefa miofana fa rehefa mahavita zavatra tsara vao karamaina amin'izay sady mahazo asa maharitra. Ny tenako taloha dia tsy nandray karama rehefa niofana fa nandoa ekolazy aza.

Ahoana ny hevitrareo? Niniako natao aty ity mba hisian'ny fanadihadihana ara-piarahamonina satria ny tetikasa sns ary ambany somary tsy be mpitsidika. Misaotra indrindra.
novalian'i soanja ny 16/06/2009 04:40
2. bilakarenjy ( 23/05/2009 23:06)
Tsara le soson-kevitra arosonao ry soanja ,fa miankina @ tsirairay io hoe :le asa ve sa le karama no atrehina sy atao ,satria ao mantsy ny mijery ny asa atao aloha vao ny karama ,ary ao koa ny mijery ny karama vao manao ny asa (raha hisy karama) .

Ho ahy manokana aloha de betsaka ny azao atao hialana @ ity krizy ity ho an'ny tsirairay indrindra ny eto dago .HIhihihihihihiiiiiiiii ....... mbo resaka ny ahy fa te-hampiresaka fotsiny za . Alefaso ary ny dinika e!
3. soanja ( 24/05/2009 22:29)
Misaotra Bila namaly.

Ilay izy aloha dia miankina amin'ny asa vita ny karama azo. Zany hoe taozavatra isan-karazany ilay izy ka izay vita no tonga dia efa misy mandray , mividy. Raha kamokamo zany le olona dia tsy ahazo karama betsaka izy fa raha miasa mafy kosa izy dia hahazo betsaka. Marihana anefa fa tsy ny rehetra 100 no hovoafidy fa mety ny antsasak'io no hiraraka raha tsy dia mikaly asa izy na tsy haharaka ny kalitao takiana. Raha mahay anefa ny 100 dia tsara indrindra saingy tsy izay no misy matetika hatramin'izay fa be ny mihitsana eny an-dalana.

Raha sakafo anefa dia mazava fa eo amin'ny 10.000 fmg sakafo atoandro eo no saika hatao ho sakafo atoandrony. Sakafo mitambatra amin'ny hafa koa fa tsy hoe sakafo mandeha mitokana. Misy mpahandro ny sakafo itambarana.

Dia ny olana izany hoe raha karama dia ambony kokoa noho ny sakafo nefa karama faran'ny ambany no azo omena amin'izany satria mety ho voa ny orinasa satria mety tsy hahay aby ny rehetra hofanina. Dia mihena ny volan'ny fikambanana. Ny mpikambana teo aloha anefa mety ho tezitra koa hoe ry zareo tsy nandray karama tamin'ny nofanina. Nefa noho ny krizy misy dia tokony hiova ny hijerevana azy. Mba mifamelona eo aby. Asa anefa!

Izay no tena anontaniako azy eto hoe sao misy ankizy miasa amin'ireny orinasa Zone Franche ireny eto dia mba tiako ho fantatra hoe inona no hitan-dry zareo fa manatsara ny fiainany raha hiroso amin'izay ny fisehon'ny asa hidirany. Tsy misy bus mpaka nefa ry zareo fa samy manao izay ahatongavany any amin'ny centre. Ambohidratrimo, Ambositra, Bira tampo-tanana no hisy azy ireo.

Tsy tiako mantsy ny miangatra nefa koa tsy vonona ny hiditra fatiantoka ny orinasa. De le marimaritra iraisana no tiako tsinjovina hoe aiza ho aiza amin'izao olana mianjady amintsika izao.
4. ni81 ( 25/05/2009 04:58)
Iny @ faritra Ambohidratrimo iny toa maro no manana Bus mpitatitra aloha e!
5. bilakarenjy ( 25/05/2009 07:40)
raha ny fahitako ny zava-misy aloha de raha betsaka ny tombotsoa omen'ny orinasa ny mpiasa ao aminy de mihena ny karama raisiny faran'ny volana .

Ka miankina @ ilay orinasa ihany io raha toa izy ka vonona ny hanome sy hikarakara ny mpiasany .

Misy ohatra iray ity atolotro . Orinasa mpanao fiara any ivelany izy io ary matanjaka tokoa . Ilay orinasa no miantoka ny 80% ny fiainan'ny mpiasany .Sady mahazo trano no manana fiara roa ary ari-fomba daholo ny ao an-trano .Iatohana daholo ny lany @ fikarakarana ny mpiasa (fahasalamana - sakafo sy fitafiana ary ny kojakoja ao an-tokatrano - sns) , saingy ny manaiky ny zavatra takian'ny orinasa kosa ilay mpiasa @ izay .
6. xxx ( 25/05/2009 15:54)

Ampianarina manjono aloha ny olona ,hihihihih !!!
7. soanja ( 27/05/2009 04:35)
ni81:

Iny @ faritra Ambohidratrimo iny toa maro no manana Bus mpitatitra aloha e!

Toa tsy hila bus aloha ilay izy rehefa mahay ry zareo fa samy manao ny azy any an-tranony any no sady koa afaka mikarakara tokatrano. Izay no tanjona. Ilay mianatra fotsiny no mila ezaka kely.

8. soanja ( 27/05/2009 04:39)
bilakarenjy:

raha ny fahitako ny zava-misy aloha de raha betsaka ny tombotsoa omen'ny orinasa ny mpiasa ao aminy de mihena ny karama raisiny faran'ny volana .

Ka miankina @ ilay orinasa ihany io raha toa izy ka vonona ny hanome sy hikarakara ny mpiasany .

Misy ohatra iray ity atolotro . Orinasa mpanao fiara any ivelany izy io ary matanjaka tokoa . Ilay orinasa no miantoka ny 80% ny fiainan'ny mpiasany .Sady mahazo trano no manana fiara roa ary ari-fomba daholo ny ao an-trano .Iatohana daholo ny lany @ fikarakarana ny mpiasa (fahasalamana - sakafo sy fitafiana ary ny kojakoja ao an-tokatrano - sns) , saingy ny manaiky ny zavatra takian'ny orinasa kosa ilay mpiasa @ izay .

Asa re ry Bila fa ny antsika mbola sinoa vao mivelona ka tsy hanana omena sy ampihantaina tahak'izany mihitsy aloha. Ny zavabitany ihany no hahatretrika azy rehefa avy eo raha tia sy mazoto izy amin'izay ataony.

Misaotra indrindra anefa amin'ny torohevitra fa rehefa toa an'i Bill Gates ny misy antsika dia tsy hisalasala mihitsy aho fa izao tontolo izao afaka hatolotra ho azy ireo hifaliany sy hifanomezam-boninahitra. Sa ahoana/ Ndao ataontsika hoe tsy nofy fotsiny izany fa tanjona!

:-* :-* :-*
9. soanja ( 27/05/2009 04:45)
xxx:

Ampianarina manjono aloha ny olona ,hihihihih !!!

Zah tsy mba mahatakatra hatsikana ry xxx. Mba azavao anie ny hevitrao raha sitrakao? Misaotra indrindra.

10. ari.malala ( 27/05/2009 11:50)
Soanja, tsy maintsy any Ambohidratrimo ve? dia misy salan-taona raisina ve sa izay mazoto? misaotra indrindra
11. soanja ( 27/05/2009 13:59)
Ari> Ny toerana hanaovana ny fiofanana dia ao Ambohidratrimo fa izay fiavin'ny rehetra mino aho fa afaka daholo ny rehetra ka. Resaka fitaterana io anefa no mety ho olan'ireo avy lavitra.

Ny faniriako aloha hatramin'izao dia ireo reny sahirana sy tsy ampiampy ara-pivelomana sy ny tovovavy tsy manan-javatra atao loatra hanomezana lanja ny fiainany no kendrena mba hahazo asa. Mandray lehilahy koa ny orinasa ary iny tsy misy fetra hoe ahoana na ahoana fa eo amin'ny fahaizana ny asa sy ny fahazotoana no hisian'ny sivana.

Manorata manokana amiko any amin'ny mail izay te hifandray amiko momba an'ireo. Tadidio anefa fa voafetra ny toerana noho ny vola fampiodinana mbola tsy afaka mivalampatra loatra aloha. Saingy asa 500 isan-taona ao Mada tanjona no hoforonina raha possible dia mitombo hatrany raha mahita ezaka sy hatsarana ny fikambanana.

Misaotra nanontany sy milaza amin'ny ankizy rehetra any.
12. Koditra ( 11/06/2009 19:08)
Raha 1 na 2 volana ilay fotoam-piofanana dia somary lavalava ihany izany, tsy misy antoka anefa fa tsy maintsy ho voaray ilay olona satri mifaninana dia tsy maintsy misy ny hihintsana. Misy ireo matoky tena, misy koa anefa ny matahotra ny ho lany andro sy fotoana nefa tsy ho tafa akory avy eo.

Tsy fantatro hoe tena io 10.000Fmg io ve no tena faratampony @tokony ho laniana isambatan’olona dia izay anaovana azy na sakafo na karama sa afaka manao miohatra an’io raha izay no hita fa mety hahatsara zvtra?

Soso-kevitra ary,
Raha io 10.000Fmg io no faratampony dia ahenao ataovy 8.000Fmg ny vola laniana @sakafon’ny tsirairay, tairo @hen’omby sy voamaina na hen’omby sy legioma, indraipande isankerinandro vao misy henakisoa na akoho, izay fomba itantanana azy eo fotsiny. Ny ambiny (2.000Fmg) hataovy «sous forme indemnité de déplacement», omena daholo ny rehetra na mipetraka lavitra na eo antanàna ihany. Tsy andrasana faran’ny volana ny anomezana azy nefa tsy omena mialoha ihany koa fa hatao isankerinandro, ohatra hoe miasa mandritran’ny herinandro dia zaraina ny zoma na ny Alatsinainy manaraka ilay indemnité. Hampazoto ny mpandray anjara kokoa sy ho fitsinjovana ireo mipetraka lavitra indrindra indrindra.
13. ari.malala ( 15/06/2009 08:31)
Kely ihany anie izany 2000F izany e! raha oh fotsiny hoe any Ambanidia ilay olona no mipetraka dia tsy maitsy maka taxiB in2 izy, ny frais nefa 1500F izany hoe 3000F izany ny frais, ny mankany Ambohidratrimo indray koa mbola frais hafa (raha tsy mbola niakatra dia 2500F ny frais aller fotsiny) izany hoe mila eo hoeo @ 8000F eo izany ny olona iray raha avy aty Antananarivo no mandeha mankany... Farafaharatsiny hoy aho mba ny antsasany (4000F) no homena izay avy aty Antananarivo, sosokevitra ihany moa ny ahy fa ianareo no mahalal izay tokony hatao :)
14. soanja ( 16/06/2009 04:34)
Koditra:

Azafady fa izao vao hitako ity hevitra tena mety ity tokoa.

Ny tena izy dia tiako raha mba miakatra ny vola omena mandritra ny fiofanana na 10.000 fmg- 20.000 fmg saingy tsy hinoako fa hanaiky an'io ny fikambanana satria ry zareo tamin'ny niofana dia tsy nahazo n'inona n'inona ary izay no mampimenomenona azy ireo hoe nony narosoko ny resaka fanampiana ara-bola ny vao hiofana dia hoe mandany volan'ny fikambanana nefa tsy fantatra na haharitra ireto farany na tsia.

Ndeha izany anontaniana hoe iza no mazoto handray frais dia iza no mazoto hahazo sakafo rehefa tonga ny fotoana. Dia izay mahamety azy atao eo.

Misaotra indrindra amin'ny hevitra.

15. soanja ( 16/06/2009 04:40)
ari.malala:

Kely ihany anie izany 2000F izany e! raha oh fotsiny hoe any Ambanidia ilay olona no mipetraka dia tsy maitsy maka taxiB in2 izy, ny frais nefa 1500F izany hoe 3000F izany ny frais, ny mankany Ambohidratrimo indray koa mbola frais hafa (raha tsy mbola niakatra dia 2500F ny frais aller fotsiny) izany hoe mila eo hoeo @ 8000F eo izany ny olona iray raha avy aty Antananarivo no mandeha mankany... Farafaharatsiny hoy aho mba ny antsasany (4000F) no homena izay avy aty Antananarivo, sosokevitra ihany moa ny ahy fa ianareo no mahalal izay tokony hatao :)

Hitako ho mazana be ihany aloha ny hamonjena an'i Ambohidratrimo avy any Antananarivo ry Ari raha toa ka ilay asa no atao satria na dia hoe atao any an-trano aza ny ankamaron'ilay asa dia mila mbola mivenjika ao amin'ny centre ry zareo mampiasa ny fitaovana isan-karazany izay tsy ho ananany any an-trano fa any ihany, izay takiana alohan'ny fahavitan'ny asa. Zany hoe ny olona iray mety tsy maintsy mandalo any amin'ny centra in-2 isakerinadro farafahakeliny.

Mino aho fa mbola ho avy ny ao Tana rehefa miodina ny rehetra amim-pilaminana.

Misaotra indrindra nanome ny hevitrao.

:-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7643