tsy misy ny malagasy tia tanindrazana

1. profesera ( 22/05/2009 12:09)
tsy misy ny gasy tena tia tanindrazana na patriote satria raha ny mahantra no jerena dia tsimaintsy ny tenany aloha no jerena ary raha ny efa manana no jerevana dia tsimaintsy hanao izay hampandroso ny aferany izy aloha va ny hafa.

Ka sao ho gaga ianareo mahita an i tgv hampitombo ny biznesiny ka hanal azy eo rehefa avy eo. Ra8 mantsy dia izay koa no nataony na dia nanao zavatra aza izy ka nampitombo sy saika haka ny bizin ny sasany.

Ny atahorana fotsiny dia ny hahaverezan ny zon ny eo amin ny taniny satria rehefa hanjaka ny vahiny sy ireo mpanambola dia hiverina ny fanandevozana ny malagasy ary ireo vitsy an isa sisa no ho tavela eo.

Mety mbola ho betsaka anefa ny olona afaka maanipulena ka hanao ny korotana, nefa raha mbola voavidy vola ny miaramila ary mande ny fitaovampiadiana dia tsy hilamina i madagasikara

Ka hoy aho tia tanindrazana ve ianao dia ahoana ny fomba hitiavanao azy
2. 08051972 ( 22/05/2009 12:32)
profesera:

Misôtra betsaka t@ fanontanianao. Ho valiko @ fomba tsotsotra toy izao izy io: Ny fitiavam-pirenena dia tsy tokony hiankina @ antonko aloha voalohany indrindra mba tsy hisian'ny X sy Y. Faharoa rehefa tsy momba n'izan'iza ianao dia afaka koa mampahafantatra malalaka @ manodidina anao hoe "inona no tokony hatao mba hampandrosoana ny firenenao?" Oh fotsiny hoe : matetika maro eto @ mpisera no mametram-panontaniana hoe f'angà isika mbola colonie no mila vazà? Valin'io dia tsotra ihany: n'iza n'iza firenena eto ambonin'ny tany (Na Amerika na Frantsa) dia voaterin'ny lalàn'ny Banque mondial ! Izany hoe Misy ny antsoina hoe "étude de faisabilité" ka raha tsy mahafeno io fepetra io ny firenena iray dia tsy manampy azy ny Banque mondial sy ny FMI naIZY IZY NA IZA ! eo no indrindra no ilana ny FILOHAMPIRENENA SY NY MINISITERNY mba hiaro ny tombontsoam-bahôka! Ary ny adidin'ny vahoaka dia ny mampita izay hetahetany any @ somombavambahôka izay nofidiany !
Ny fivarotana fitaovampiadina indray dia anjaran'ny mpitondra fanjakana ny hividy na hifanakalo @ firenenkafa ( fifanankalozana ara-barotra )

3. xxx ( 22/05/2009 13:07)
Options de reponses possibles mety ho azonao @ io soson-kevitra io ity .
Raiso ohatra hoe , olona efa tena nahita ny mangidy sy ny mafaitra tao @ firenena , nefa tsy dia nisy akory na olona iray aza mba nanampy azy satria hita fa tena tsy nisy vahaolana mihintsy azo natao mba hanamaivanana ny zavatra nianjady taminy .Nahatsapa tena fa tena irery ambonin' ny tany ny tenany ka dia naleony nifindra monina lavitry ny tanindrazana ary nanapa-kevitra ny hanadino tanteraka ny fireneny mandrakizay .
Dia ahoana no hieritreretany ny mbola hitiavany ny tanindrazany @ izany hoy ianao ? Ny fony fotsiny no tena haharary azy anaty mandrakizay , ary tadidy hitambesatra mandra-pahatapitry ny ainy izany hipetraka ao andohany ao,na izany aza dia tsy hisy ny fanadinoany ny tany nahalatsahan' ny tavoniny sy ny fasan- drazana hilevenan' ireo taranaka niaviany efa taonjato amam-polony mihoatra hatramin' izao fotoana mbola hiainany izao . :oops: :oops: :idea:
Fanontaniana ho an' i profesora ity ; fitiavan-tanindrazana =?= fitiavana ny mpiray tanindrazana @ tena =?=fitiavana ny tany nihaviana =?= fitadiavana fahefana ho @ inona =?=fitondram- panjakana sy fahefana ho atao inona =?=fampijaliana ny mpiray firenena sy mpiray fihaviana =?=fanambakana ny tsy ampy fiheverana ? :oops:
Tokony hiresaka ny momba ny tenanao ianao aloha vao afaka ny hitsikera ny fireham-pitiavan' ny sasany , indrindra momba ny hevitra nosoratanao eo ambony fa tena mampamoha fady ny sasany , miala salohy fito fa tsy mendrika ny ho profesora ianao fa tokony mbola handalina sy hianatra ambonin' izany.
Mahereza fa mbola ho mazana ny dianao !!!
4. miangalyandria ( 22/05/2009 14:18)
Nahoana moa no ataonao hoe tsy misy tia tanindrazana ny Malagasy ? Misy tena tia tanindrazana ny Malagasy saingy tsy hitanao izy ireo satria tsy manao politika politisiana fa miezaka miasa araka izay tratrany. Ny tokony ho resahina angamba amiko dia hoe inona no tokony ho ataon'ny Malagasy tia ny tanindrazany sy hahatonga ny Malagasy sasany ho tia ny tanindrazany toa azy.

Misaotra
5. bozyboleta ( 22/05/2009 14:27)
Samy manana ny hevitry ny hoe tia tanindrazana na ho an’ny olon-tsotra, na ho an’ny mpanao politika na ho an’ny mpitondra fanjakana.

Ho an’ny olon-tsotra tsy mieritreritra ny hanao politika na hitondra firenena dia betsaka ny afaka anehoany ny fitiavany ny tanindrazany. Ny voalohany sady lehibe dia ny fanajany ny rafitra sy ny lalàna velona eo @ fireneny. Ohatra, ny fandoavany ny hetra isan-karazany, ny tsy fanaovany kolikoly, ny fitandroany ny fahadiovan’ny tanàna, ny fanaovany ny adidy maro samihafa @ fokontany dia efa mariky ny fitiavany ny tanindrazany.

Ho an’ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana angamba no tena iantefan’ity resaka ity fa hafa mihitsy ny famaritana ny fitiavan-tanindrazana raha ho an'ireo.

6. Mirananirina ( 22/05/2009 14:59)
Ka hoy aho tia tanindrazana ve ianao dia ahoana ny fomba hitiavanao azy

Sarotra be ilay fanontanianao?
Satria ny manatanteraka ny valiny no tena sarotra e.Ataoko izao sy izao,nefa tsy tanteraka
7. profesera ( 22/05/2009 15:02)
raha tokony ho zohivina dia ireo mpanao politika no tokony ho tondroina satria izy ireo no mahatonga izao korotana eto amintsika izao

Matoha betsaka ny olona mbola manaraka azy iro dia azo lazaina fa tsy misy malagasy tia tanindrazana.

Matoa ka tsy manaraka ireo ny fa lazaina fa masse silencieuse dia lazaiko koa fa gasy tsy tia tanindrazana satria mikipy eo anoloan ny famotehina izay ataon ireo olombitsy mpanao politika

Ny tena mampalahelo dia ireo very seza mbola mivazavaza anefa efa hita nibaribary koa ny fikatsahana tombotsoa nataon izy ireo

Indrisy anefa fa ireo nahita ny nataony hanao zavatra pire noho ny teo aloha
8. Mirananirina ( 22/05/2009 15:12)

Miandry ilay olona vaovao angamba isika e,izy no mety ho tia an'i Gasikara an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1767