ERITRERETO
1. 08051972
(
22/05/2009 07:30)
Miarahaba mpisera rehetra ny tenako! Tsy mpanao politika na mpanohana atokompolitika ny tenako fa Gasy ti tanindrazana toanareo rehetra!
Mba aok'izay re ny fifandrangitana sy ny fifanambaniana fa aoka mba hiara-hihevitra ny hahasoa an'i Gasikara isika rehetra e! Ataovy toy ny diatana ka itodihana ny lasa ary tsinjovina ny ho avy! Apetraho any anaty pôsy any aloha ny fitiavana antoko na X na Y. Tsy azo lavina fa nisy ny tsy nety nataon'ny mpitondra teo aloha nefa kosa maro ny zavatra tsara vitany ! Ny momba an'i Andry indray dia tena tsy mety ny ataony nanongampanjakana nefa kosa nisy ny nahatsara ny fiokona mba hampiova ny fitondrana,ka tokony handinika vao manao zavatra satria izao ny firenentsika dia lasa latsaka ambany noho ny firenena Afrikana rehetra ary tena mahamenatra mihintsy satria isan'ny mba nampireharehantsika Gasy ny hoe NY FIRENENAY!
Farany dia mba miangavy ny tenananay ny mba hahatongavantsika rehetra hanana toentsaina tokana dia ny hoe " FITIAVA-TANINDRAZANA"
Misôtra anareo rehetra!

novalian'i fijo ny 22/05/2009 20:16
2. bazylou
(
22/05/2009 07:41)
lalana tsy maintsy andalovana ireny e!! tsy nisy firenena nandroso sy demokraty raha tsy nisy ady antrano anie eeee! :-P
3. bozyboleta
(
22/05/2009 11:52)
lalana tsy maintsy andalovana ireny e!! tsy nisy firenena nandroso sy demokraty raha tsy nisy ady antrano anie eeee!
Tsy maintsy izay ve?
Ka tiana hiady an-trano izany i Madagasikara no nahatonga ity fitabatabana ny demokrasia ity? 8O 8O 8O 8O
4. 08051972
(
22/05/2009 12:48)
Io dia miankina betsaka amintsika liampivoarana eto @ serasera.org. Tandremo ny manamparitaka vaovao tsy marimpotitra sy ny fifandrangitana rehtra fa kosa HEVERONTSIKA NY HAMPANDROSO NY FIRENENTSIKA ! (l) (l) (l) (l)