Ahoana marina moa izany ity toe - tsaitsika gasy ity e?

1. xxx ( 22/05/2009 06:45)
Fahiny na ny Ntaolo malagasy aza niteny hoe :ny fanahy no maha olona , tao koa ny hoe ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina fa ny toetra ratsy kosa azo ovaina.Ataoko fa mahafehy zavatra ireo raha mijery ny zava- misy eto @ tananatsika e.

Amiko matoa tsy mety mandroso isika @ lafiny rehetra na politika na sosialy na fanatanjahantena sns dia anisany ity resaka Toe- tsaina ity : maro ny be fialonana , ny fosafosa ,ny miditra @ raharahan- tokatranon olona,ny mpamaly faty ...

Raha anontaniantsika angamba ohatra ilay suisse nanazatra ny scorpion de Madagascar t@ izany hoe inona no tsy nampandeha ny baolina kitra malagasy dia mino aho fa hilaza izy fa anisany ity toetsaina gasy ity ..Toy izany koa ireo allemands 2 tao @ Jirama sy ny Air Madagascar .
novalian'i fijo ny 22/05/2009 20:20
2. essera ( 22/05/2009 07:01)
Misy marina ny lazainao ry xxx, fa ampiako kely fotsiny ilay resaka toe-tsaina hoe : ny fitiavan-tena no tena betsaka ho an'izay tonga teo. Tsy nitady afa-tsy izay hahasoasoa ny tenany. Ary mahavita manao mizana tsindrin'ila mihitsy.
3. xxx ( 22/05/2009 07:16)
Marina aloha ilay tia Kely e! Fa ity fialonana ity dia tena mahavariana mihintsy , satria tsy ny mahantra ihany no mialona ny manana eto amitsika fa ny manana koa dia mialona ny mahantra ! Mety maha choquer ilay lazaiko nefa raha ny zavatra hita t@ toetran i Sarah Ravalomanana na i Lalao te ho rĂ´le sy mialona ny mpiasa tao @ Tiko t@ izany dia mba nahagaga ihany !Afaka hilaza momba io sy hanamarina izany izay mpiasan ny Magro sy Tiko ato !
4. fijo ( 22/05/2009 20:20)
indrisy fa dia ten amisy tokoa amintsika io toetsaina mialona ny hafa miakatra io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.051