Ministra tgvendrana ao @ MEI tsy manova STAFF

1. penguin ( 20/05/2009 06:13)
MEI dia avy amin'ny fanasarahana ny MECI na Ministère de l'Economie, du Commerce et de l'Industrie nentin'i IVOHASINA izay tena azo nolazaina fa nankasitrahan'ireo mpiasa tao. Izao moa ny tgvendrana nanangana Ministère du Commerce ary Ministère de l4economie et Industrie izay nosoratako hoe MEI. Gaga sy talanjona ny mpiasa satria ny Ministra Invohasina no lasa saingy na nanova DirCab aza ty ministra tgvendrana dia ny Mpanolontsainan'Ivohasina daholo indray no antsoiny. Ny DG dia ny an'Ivohasina no tazoniny ary ny Directeurs rehetra tazoniny daholo hono. MITORY NY FAHOMBIAZAN'NY TEO ALOHA VE IZANY SA NY TSY FAHATOKISAN-TENAN'ITY ministra tgvendrana ty ? Inona no nanalana an'i DADA raha toa ka ny any amin'ny toe-karena izay nolazaina fa nosimbainy no tsy ahitan'ny ministra tgvendrana fanovana. Sa ny MAP izay navadika ho MAPmé lasa tsara indray ka ho tohizana ny tetik'asa ao na tsy tononina aza ny anarany @'ny maha MAP azy ?
MBA MISAINA RY TGVENDRANA A. Hovay rehefa ratsy ary lazao rehefa tsara
novalian'i fijo ny 20/05/2009 20:10
2. tsoraka ( 20/05/2009 06:15)
Rehefa donto sy vendrana dia ny nataon'ny olona fotsiny no arahin'ny TGV avy eo lazaina indray fa tetezamita io ka tsy mila fanovana betsaka sao manakorontana. DONTOBE
3. Bazily ( 20/05/2009 06:17)
Penguin> Ny TETEZAMITA dia fanohizana ny asa izay tokony hotohizana fa tsy fanoloana ekipa. Noho izany tsy midika ho tsy fahatokisantena izany.
4. penguin ( 20/05/2009 06:21)
Ny ratsy sy lo tsoahina fa tsy tazonina. Izao izaho tsy mankatoa tgvendrana mbola afaka mitarika ny olona tsy ho tia tgvendrana satria mbola MPITANTANA. Ho hitan'elah koa ny valiny ry tgvendrana. Tsy sahy manala anay koa elah fa vendranabe tsy mahita aleha
5. essera ( 20/05/2009 06:34)
Zao ange no mahavariana amin'ny Penguin sady tsy fantany :

1/ Tsy ny TIM rehetra no ratsy fa ny ankabeazany. Misy ny élément azo tazonina. Efa nisy foana io zavatra io na tamin'iza nitondra na tamin'iza nitondra teto Mcar.

2/ Manao toetran-jazakely ange i Penguin e, omena toerana midongy (zah tsy hanao). Tsy omena toerana (midongy) Zah omeo seza.

Raha izaho ohatra izao no minisitra d i Penguin no anisan'ny ho-tester-ko voalohany : Antsoiko mihitsy satria fantatro fa hidongy be avy eo. D hitabataba ery am magro avy eo hoe isika tsy miara-miasa am ranona. Izay ilay fiainana izay.
6. bozyboleta ( 20/05/2009 06:49)
Ny TETEZAMITA dia fanohizana ny asa izay tokony hotohizana fa tsy fanoloana ekipa. Noho izany tsy midika ho tsy fahatokisantena izany.


Kay ve e!
Ary inona ny antony hanapotehina aty antenantenam-potoana ny rafi-pampianarana vaovao izay efa nandroso tsara?
Ny fanambarana voalohany nataon'i julien razafimanazato dia ny hoe averina ho 5 taona ny ambaratonga fototra. Satria tsy nanaiky an'io ny katolika fa aleo ny Malagasy ho bado?
Raha tetezamita tokoa, nahoana no tsy tohizana izay efa teo fa ny fiainan'ny Malagasy mandritra ny firy taona no potehina?
7. essera ( 20/05/2009 07:07)
Ny fanambarana voalohany nataon'i julien razafimanazato dia ny hoe averina ho 5 taona ny ambaratonga fototra.

Dimy taona aza rangah ty mbola betsaka ny tsy mahatody tsy manana baoritra na dia iray aza ara-panjakana. Mainka fa atao fito taona. Izaho d ianao no manana moyen hahavitana fianarana ambony fa ilay tantsaha na cepe aza efa savolaina vao vita. Azon'i bozyboleta ve ?

Raha tetezamita tokoa, nahoana no tsy tohizana izay efa teo fa ny fiainan'ny Malagasy mandritra ny firy taona no potehina?

Raha nahavita mandat teo Ra8 dia tonga d tenenina anao tsara fa nivadika Empire Mcar. Fitondrana tsy refesi-mandidy. Izany ve no irianao. Ny taranaky isika no hivadika ho andevon'i Ra8 tompoko ô.

8. bozyboleta ( 20/05/2009 07:28)
Dimy taona aza rangah ty mbola betsaka ny tsy mahatody tsy manana baoritra na dia iray aza ara-panjakana. Mainka fa atao fito taona. Izaho d ianao no manana moyen hahavitana fianarana ambony fa ilay tantsaha na cepe aza efa savolaina vao vita. Azon'i bozyboleta ve ?

Raha izao valintenin'i essera izao dia ianao izany lay faly @ hadondronan'ny zaza Malagasy @ zay mora ambakaina satria tsy maninona ny ankizy raha tsy mianatra aza fa tsy mila anaovan'ny fanjakana ezaka akory. Indrisy!!!Famporisihana ny Malagasy hitozo @ fianarana no anisan'ny tanjon'ny fitondrana teo aloha nametraka io rafitra 7 taona io. Be ny ezaka natao nanampiana ny RAD handefa ny zanany any an-tsekoly raha tsy hiteny afa-tsy ny fanomezana fitaovana ny mpianatra, ny fanampiana ny mpampianatra FRAM ary tena nandeha io tetikasa io.
Raha nahavita mandat teo Ra8 dia tonga d tenenina anao tsara fa nivadika Empire Mcar. Fitondrana tsy refesi-mandidy. Izany ve no irianao. Ny taranaky isika no hivadika ho andevon'i Ra8 tompoko ô.

Hay ve izay izany no tanjona nanesorina ny fitondrana tsy refesi-mandidy ho soloina fitondran'ny baroa?
Fitondrana tan-dalàna tompoko no ilaina ary tsisy resaka fanandevozana fa samy tompon'andraikitra sy mandray tombotsoa @ tandrifiny.
9. Oay ( 20/05/2009 07:55)
Bozy a! efa niady hevitra t@ TIM za momba an'iny FITO TAONA SY FAMERENANA NY FANAGASIANA INY d izao no fika t@ iny araka ny voalazan'ilay mpanolotsaina:

>>Mitombo be ny radioparitra any @ faritra isankarazany noho izany d atsy ho atsy hanjary ny teny frantsay no hohain'ny olona noho ny teny Malagasy ofisialy ka d aleo averina ny fanagasiana fa manjary tsy hifankahazo ny Malagasy ka hametraka fizarazarana izany.

>>Antony faharoa d ny hoe raha toa ka 5 taona ny amabaratonga voalohany d kely taona loatra ny ankizy miakatra eny @ CEG ka manjary tsy mandefa ny zanany hanohy fianarana ny ray aman-dreny any ambanivohitra noho izany mba hitazonana an'ireo zaza ireo eo @ ilay faritra misy anazy mandrampaha lehibebe anazy d natao fito taona ny ambaratonga fototra.

Momba ilay fanjakan'ny baroa d mbola averiko fa TETAZAMITA io noho izany mila filaminana isika, za moa d miteny foana hoe jereo izay niseho tao Thailande fa tsy azon'ny olona ialy izy,

Fa d izao é La fin justifie le moyen!
D Jereo fa raha ny eto an-toerana aloha d milamina izao ny tanana @ izao fotoana izao!
Momba ny tsy nanovana ny ekipa d tsotra be ny fahazahoakao anazy d "TSY MAINTSY NIRESAKA T@ MPIARA MIASA INGAHY MINISITRA d NANAIKY NY TEKNISIANINA FA AFAK MIARA-MIASA D TSY NOVAINA ILAY EKIPA NA D NIOVA AZA NY COACH"
io fahazarana mametraka akama io koe tokony hialana fa tsy mampandeha raharaha!
Jereo ny attaché de presse eny @ présidence ireny any ivelany any fa tsy miova na d lasa aza ilay président teo aloha ny antony d satria ilay attaché de presse de manaiky izay lazain'ilay nouveau patron!
Ento amintsika koa misy marina io JEREO ao @ ASSAMBLE ao fa tsy miova mihintsy ilay chef protocole ao efa hatramin'ny andron'ny AREMA ka hatramin'izao!
10. essera ( 20/05/2009 08:11)
bozyboleta:
Indrisy !!!Famporisihana ny Malagasy hitozo @ fianarana no anisan'ny tanjon'ny fitondrana teo aloha nametraka io rafitra 7 taona io. Be ny ezaka natao nanampiana ny RAD handefa ny zanany any an-tsekoly raha tsy hiteny afa-tsy ny fanomezana fitaovana ny mpianatra, ny fanampiana ny mpampianatra FRAM ary tena nandeha io tetikasa io.


I Bozyboleta, tadidionao tsara fa raha ny rafi-papianarana eto amintsika tsy hitovy amin'ny any ivelany mihitsy raha tsy mandingana 50 taona angamba. Ohatra ny an'ny amerikana d dien'ny mbola kely d efa formation mifanaraka amin'ny asa eritreretiny atao no omena azy. (Hanao sportif, pilote de ligne, etc etc). Raha mijery tsara ianao eto amintsika dia Enseignement général hatrany amin'ny classe de seconde.

Firy % ny olona nahavita fianarana ambony no miasa amin'ny tena fianarana nianarany. Dokotera izao manao chef de chaîne any amin'ny zone franche. Firifiry ny olona manana bacc + mitaingina tamboho. Misy ny matik'ambo tsy miditra miasa raha tsy amin'ny diplaomany, misy moa ny tena tsy mahita mihitsy. Firy taona teo amin'ny sehatry ny fanabeazana ny katolika ry bozyboleta. Fantany dia fantany ny lafiratsin'io concept vaovao nataon'i le8 io.

Raha ny mety eto amintsika izay efa atomboky ny katolika dia ny fampianarana arak'asa ny ankizy rehefa tsy ho tafita any amin'ny enseignement général izay mila fitojoana lava be. Sao ataonao manohitra be fahatany ny katolika fa ny mopera sy ny masera ange efa manana sampana hatry ny ela mampianatra mamboly, manjaitra, manao asa tanana, miompy, mandrafitra, manao trano. Mijereva ianao eny Bevalala sy ny Masera Atsimondrano eny.

Tsy atao ambony latabatra fotsiny ilay izy ry bozyboleta d atao cobaye ny ankizy fa ny zanaky ny mpitondra sy ny manan-katao tsy ampidiriny hianatra any fa mety ny zanako na ny zanakao no sady tsy ho gasy tsy vazaha, tsy ambony tsy ambany, tsy hita izay andraisana azy. Efa hatramin'ny andron'ny 72 no nisy izany. Izay izao anisan'ny lasibatran'izany fa tsy mahamenatra (betsaka ny ankizy miaraka aminay metisy frantsay vazaha rehefa miresaka). Samy tsy voafolaka tsara na ny teny gasy na ny teny frantsay vokatry ny fanavaozana ny rafi-pampianarana tsy nandé am zé laoniny.
11. halloween ( 20/05/2009 10:05)
Za ndray ny torohevitro amin Penguin de ny manatona psy4 alou no testiavana azy avy eo miresaka rah norm tsara ny servo an'i penguin ,
sady milamiina i toi rehefa mikozy fa misavoritaka be ny zavatra soratan'ise , hita oe olona vao avy narary marina nareo , mihinana ganidà kou ref hariva fa reny manala asa loha , de ataovy fohifoy mazava ref manoratra de tsy mikorotana ny zavatra soratana !
12. pouf1 ( 20/05/2009 11:19)
Mato ts manova staff n ministr ny HAT DE DIKANY ZANY FAVORIS DAHOLO REO STAFF T@andron'ny IVOHASINA REO! MAHERY REO SURTOUT NY DG NY INDUSTRIE.OLONA TSY AZO SOLOINA FA MAHAY.EO REO NO RAISINA RA MANOLO STAFF EO!
13. vaninna ( 20/05/2009 13:04)
izany no atao hoe "continuité de l'Etat ", fa tsy voatery hoe dondrona na tsy mahay rehefa mitazona ny ekipa taloha
Toy ny nataony Ravalomanana niara niasa t@ ny ry Honoré Rakotomanana, Noro Robinson, sy olona efa teo taloha t@ Ratsiraka io é
Izany hoe misy foana moa ireo antsoina hoe 'irreductible politique", jambany politika dia tsy mety hiara miasa aminy opposant
Ny Gauche sy Droite aza miara miasa eto France, ny Democrate sy Republicain any Etazonia, ny deputé rehetra tao @ antenimiera koa ange ka tsy 100% Tim na dia vitsy aza no tsy Tim e

Ouf, mahafinaritra mahare izany vaovao izany:tsy difotry ny Politika ny Fihavanana Malagasy !
14. xxx ( 20/05/2009 13:44)
Inona no tsy hasain'i Andry an'i Ravalomanana é, ato toa mamaly vilany daholo ny tgvendrana
efa hita zao fa toekarena no tena poste klé de ny teo ihany no nalaina satria ve matahotra ny tsy havoa ny tgvendrana ha ha ha
sauvez wiwi
15. vaninna ( 20/05/2009 13:53)
xxx13< ka ilay Staff koa ange matoa nijanona dia efa nanao serment d'allegeance " @ HAT izany éé ;

Raha resy lahatra @ tolony dia efa nametra-pialana daholo fa tsy mijanona tao
16. xxx ( 20/05/2009 14:38)
Diso be ianao ry xxx 14
Voambana basy tao reo ;tsy ampy olomanga ny tgvendrana fa mila mangalatra fahaizan'olona ndray
17. vaninna ( 20/05/2009 15:13)
xxx15
18. fijo ( 20/05/2009 20:10)
tsotra izany ry essera sy oay an,moa ve miadana ny gasy izao fa efa ny tgvnareo no eo???raha eny ny valiny,dia lazao sy omeo porofo izahay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2523