Rahoviana no samborina @ izay RANJEVA e?

1. kidoropamba ( 19/05/2009 11:04)
Izaho aloha tsy hanaiky ny hamelàna an'ingahy Ramarisely ho afa-bela amin'ireny nataony ireny e.

Ho sahy ve ny HAT hanambotra an'ity Marisely ity ka halefa any @ Manandafy manao stazy any sa ahoana?
Toa variana loatra isika izany kanefa ingahy Ramarisely dia hanisan'ireo nanodikodina ny taolam-balo avy ao Manjakamiadana ka lasa any ankodahoda any.
Tokony mba hanaovana batemy @ izay ity Ranjeva marisely ity fa toa miala bala foana lery rehefa misy fiovam-pitondrana.
Tsy rariny e!
novalian'i fijo ny 20/05/2009 20:16
2. tafondro ( 19/05/2009 11:16)
Fa hono hoa ra kidoro , I Ranjeva marcel ilay ancien recteur n' ny oniversité ve aloha no tian' i kidoro ho resahina eto é ? sa olona hafa ?
3. Oay ( 19/05/2009 11:28)
tafondro a!

Raymond Ranjeva no ancien recteur ny anjery manontolo d efa any La Haye izy izao d izy no doyen ao @ izao fotoana izao raha tsy diso za é!

4. xxx ( 19/05/2009 11:39)
Kidoro a! ny fisamborana ve no tena hitanao hivoahany firenena amizao tunnel tsy hita farany izao ?
Ny fampihavana mpirenena tokony ho dinihina lasa hadinontsika tanteraka.
5. tafondro ( 19/05/2009 11:41)
Hay marina izany , hadinoko ny anarany !ra oay !
6. kidoropamba ( 19/05/2009 12:06)
Tsia e! Tsotra loatra raha toa ka miala bala hatrany ny dinozaoro mpanabotry firenena tahaka andry Ramarisely.
Notezain-dRatsiraka izy, lasa ministry Zafy, nanompo an-dRatsiraka, no sady nanompo an-dRavalomanana ihany koa.

Raha mpanao politika dia io Rangahy io no tena nisaosy sy nanorohevitra @ fahantran'ny malagasy amin'izao. Io izy fa miaraka atsy ambadika @ HAT indray mba tsy ho samborina.

Manome baiko anao ny tenanay Sarla hanambotra tsy misy hata-kandro an'ity Ramarisely ity.

Raha avela ny toy izao dia hitohy ihany ireo mpisabakabaka manoro hevitra ny famonoana ny firenena io.

Nametra-pialana ity Ramarisely ity raha nanao "état d'urgence" Ratsiraka t@ fotoanandrony. Tsy nametraka fialàna izy raha nisy ny TIFITRA t@ 07 febroary 2009.

SAMBORY ANY IO MARISELY IO E.
7. xxx ( 19/05/2009 12:46)
Elah no efa nihinana tany ry kidoro de tadiavin'elah ho any bakan'ny dadan'elah koa ve é, marenina fa aza mirediredy é,refa tsy manakam-bara de mipetraka refa voa ,taolam-balo zany foana no asesika eto!!!
8. kidoropamba ( 19/05/2009 15:27)
Tsaraina izay nanao ratsy. Fa maninona ingahy Ramarisely tsy sahy samborina? Tsotra loatra raha izany ny fandehany.
Tantara mbola mitohy ity fa tsy vitavita ho azy.
9. xxx ( 19/05/2009 23:21)
hoy kidoropoakaty


Tsaraina izay nanao ratsy.


Ary zany no nitsaraina anao fa tsy misy ratsy afa -dela zany teo de refa ninana elah de tsara zay efa voazazy ,ary aza be taraina
10. fijo ( 20/05/2009 20:16)
le filazana hoe nanompo an'i ravalo aloha,dia tena hita fa resaky ny tsy mahalala zavatra no misy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0542