Fa nahoana no mandohalika..........

1. ARICO ( 19/05/2009 08:00)
Somary mahagaaga ahy ka mba mila fanazavana amin'izay mahalala fa mety tsy ho ao an-tsaitsika angamba hoe nahoana no tsy maintsy mandohalika eo anoloan'ny pastera na mopera ny olona raisina ho mpandray ny fanasan'ny Tompo na sahala amin'izany kanefa hoy Jehovah hoe " Izaho irery no handohalihan'ny lohalika rehetra any an-danitra sy ety an-tany ka hatrany ambanin'ny tany "
novalian'i soanja ny 16/06/2009 14:03
2. ikaretsaka ( 19/05/2009 12:20)
Ny fanontaniana tsara hodinihinao angamba dia hoe iza marina no tena andoalihana rehefa @ ireny zavatra ireny?
Ny papa tokoa ve sa le zavatra entiny sy soloiny tena?
Le boky na lakroa sy baiboly sy saple...sa le hafatra sy zavatra ambaran'ireny?
Le mofo sa le Jesoa ao @ mofo?
Samihafa ny manaja sy ny manompo koa.
Toy ny arofenitra maramila io amiko... raha manao mon amiral ianao tsy I amiral loatra mihitsy no tompoinao en tant que amiral..fa le didy... izy no nomen-kaja hanome anao iny didy iny ...zay noo hitorahanao sali azy fa tsy hoe satria nohoianao kaporaly akory
3. artefy ( 20/05/2009 08:20)
marina zany ikaretsaka
4. kerena09 ( 20/05/2009 12:07)
Efa io ny tenin' Andtra, dia io zany no ankatoavina raha manompo an'Andtra, tsy azo ovaina ny teniny. An' ny olona no safidy: na anompo an'Andtra izy dia manaraka ny tenin' Andtra, na anompo olona dia manaraka ny tenin'ny olona.
5. ikaretsaka ( 20/05/2009 13:26)
misy koa io hoe fahazarana na fomba fitadiavana concentrations sns..
ohatran'ny manao meditations rehetra ihany... misy milaza fa ireny fihetsika ireny aza no mampifantoka kokoa any @ le fivavahana... sy le fifandraisana lalina misy aeo aminao sy ilay ivavahanao
amiko manokana dia mahatsiaro fifandraisana akaiky izany @ ilay Tompoiko aho rehefa mandoalika raha mitsaoka sakramenta masina na avy manao komonio nohon'ny mitsangana ohatra, tsy haiko fa iny no ohatran'ny mi degager ireo fanorisoriana ivelany rehetra!
misy ny mikimpy @ izy io, misy ny mitsongolika.. misy ny manainga tongotra... misy ny mitsingatotra @ fomba m,aro isan-karazany!

amiko dia izay fomba maha comfortable anao @ le fifanantonana no ilaina fa tsy ny fijerevanao ny ataon'ny hafa
6. sergiolala ( 20/05/2009 13:31)
TAm zahay tam kely ref bedy d mifona d mandoalika, mariky ny fifonana
Am fahalalam-pomba n'aiza n'aiza eran-tany, rehefa mandohalika di manetry tena no dikany manoloana ny olona manatrika anao, satria mahatsiaro fa kely sy bitika, ary maneho fanajàna.

Iza no omenao voninahitra??? Andriamanitra ve sa ilay olona manoloana anao??? Ny fandohalihana dia midika fa miondrika manoloana ny voninahitr'Andriamanitra, satria lehibe izy ary isika tsy afaka na dia mijery azy satria tsy ho zakantsika ny hahita ny tavan'Andriamanitra, sady tsy mendrika izany isika.

tandremo ny mandohalika ho an'ny olona, satria "Andriamanitra irery ihany no tokony homem-boninahitra"
7. ari.malala ( 27/05/2009 06:27)
ARICO:

Somary mahagaaga ahy ka mba mila fanazavana amin'izay mahalala fa mety tsy ho ao an-tsaitsika angamba hoe nahoana no tsy maintsy mandohalika eo anoloan'ny pastera na mopera ny olona raisina ho mpandray ny fanasan'ny Tompo na sahala amin'izany kanefa hoy Jehovah hoe " Izaho irery no handohalihan'ny lohalika rehetra any an-danitra sy ety an-tany ka hatrany ambanin'ny tany "



Nenao zany le olona @ maha olona azy no jerevanao ra zany! Matoa pasitera na mopera no eo anoloana, d izy no nahazo fahefana t@ Fiangonana hanome ilay Sakramenta, noho izany rariny raha eo anoloany no mandohalika satria hanome anao ilay Sakramenta izy ireo, izany akory tsy midika fa izy ireo no tompoina sy andohalihana.
8. ravakamalala ( 09/06/2009 09:21)
marika fanetren-tena ihany koa ny fandoalihana, ary angatahina amintsika foana io rehefa mivavaka.
9. soanja ( 10/06/2009 01:59)
ARICO:

Somary mahagaaga ahy ka mba mila fanazavana amin'izay mahalala fa mety tsy ho ao an-tsaitsika angamba hoe nahoana no tsy maintsy mandohalika eo anoloan'ny pastera na mopera ny olona raisina ho mpandray ny fanasan'ny Tompo na sahala amin'izany kanefa hoy Jehovah hoe " Izaho irery no handohalihan'ny lohalika rehetra any an-danitra sy ety an-tany ka hatrany ambanin'ny tany "


Rehefa miresaka finoana an'Andriamanitra isika ary indrindra eo amin'ny sehatry ny Xtianina dia tadidio foana fa ny fanetre-tena no isan'ny goavana indrindra hiatrehantsika ny ao anatintsika sy ifandraisantsika amin'Andriamanitra.

Tsy ny zavatra torin'ny vatana no zavadehibe ka iasan'ny saina fa ny fifohazam-panahy manainga antsika hanome ny momba antsika ampitiavana sy ampanetre-tena lalandava. Tsy ifampitahana ary tsy ifampitsarana ny finoana fa ifandraisana ary ifanaovantsoa eo amin'ny samy olombelona ary ny tontolo iriariavana.

Milamina lalandava rehefa miaraka amin'Izy Ray!


:-* :-* :-*
10. tywa68 ( 10/06/2009 06:19)
Soanja > misaotra anao be d be @lesona apetrakao :-* :-*
11. soanja ( 16/06/2009 14:03)
tywa68> Namaste!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0679