tena tsy malagasy ireo ray aman-dreny FFKM @zao

1. xxx ( 17/05/2009 07:31)
Tsy sanatria fitsarana na hoe fanamavoana ireo ray aman-dreny loholom-piangonana fa hita fa manary ny kolon-tsaina mahamalagasy ny ray aman-dreny FFKM @zao. Ny rehetra manko dia mahatsapa fa manan-danja teo amin'ny tantaran'ny firenentsika ny hasin'ny raiamandreny, na ireo ao amin'ny fomban-drazana na ireo ao amin'ny fivavavahana kristianina, na izay rehetra manana ny an'io hasina io eo amin'ny fiarahamonina. Ankehitriny dia tsapa fa manetsin-tadiny ny eveka sy ny filoham-piangonana, dia ho fankahalana ny rariny ve? ekena fa tsy mety ny nataon-dRa8manana, saingy miseho miharihary hoatry ny kary an'efitra ny koa ny ataon'ireo olona mitondra ankehitriny, izay minia manakipy ny masony amin'ny fitakiana ataon'ireo atao hoe mpanaraka ny ara-dalana, izay tsy azo lavina fa manana ny fahadisoany anefa koa misy marina lalina hitompoany ao ary eken'ny sain'izay rehetra afa-mandinika fa misy hitsiny fa tsy sanatria heloka daholo akory. Marina fa tsy mesia politika i Kristy, anefa tonga ho teto amin'zao tontolo izao mba hanavao indrindra an'izao tontolo izao.
novalian'i xxx ny 17/05/2009 20:28
2. ravalotgv ( 17/05/2009 08:56)
malagasy ihany ireo fa anisan ny malagasy vitsy an isa

sniff
tcroufff

:^) :^) :^) :^) :^)
3. ndaty ( 17/05/2009 11:42)
Tsy sanatria fitsarana na hoe fanamavoana ireo ray aman-dreny loholom-piangonana fa hita fa manary ny kolon-tsaina mahamalagasy ny ray aman-dreny FFKM @zao


tena mitsara sy manamavo mihintsy ianao, saingy tsy izay le olana, fa hoe: marina ve ny fitsaranao sa vandy? olombelona ireo, mety ho raty, azonao atao ny mitsara, satria rehefa raty dia raty, fa izao kosa:

-HAT no eo, teteza-mita io. ny rehetra rehetra no antsoina, ary na ny TIM aza raisina

normal ry zareo raha manohana ny teteza-mita, satria ny rehetra no ao, tsy haharitra io, ary lalana mankany @ fifidianana no tanjona eto.

Maintenant, ny pro-Ravalo no tokony hisaina, tsy mandeha hono ny fifanarahana raha tsy tonga i dada.

Raha parti politique ny TIM, donc ideologie no mibaiko azy, Tsy olona iray izany no tokony hi-bloquer ny negociation.

4. xxx ( 17/05/2009 20:28)
Somary manahirana ihany ny fandraisana ny hevitr'olona iray raha toa ka terena hanaraka ny eritreriny ny marina.

Hoy ndaty:"Maintenant, ny pro-Ravalo no tokony hisaina, tsy mandeha hono ny fifanarahana raha tsy tonga i dada."

Io no zava-misy, ka tsy azo terena hiova indray, ny mainty tsy azo avadika ho fotsy, manana ny heviny izy ireo, ka tsy maintsy hajaina izany.
Tsindriana mazava koa ny olana noho izany fa TSY VOAVAHA NY KRIZY, ary misy tombana koa fa TSY HO VOAVAHA MIHINTSY NY KRIZY, raha toy izany no fomba fijery ny tantara, noho izany tsy maintsy miova lalana, tsy mahazo manome rariny an'i TGV ary tsy manome hitsiny ho an'ny mpanohana an'i dada.

Ny vahaolana amin'ny olan'ny gasy amiko dia avy amin'ny gasy ihany no tena mahatsara azy, saingy indrisy fa firenena mahantra raiamandreny na manana raiamandreny moana i Madagasikara. Sa tsy haiko hoe vokatry fandrosoana ka atahorana ho be famaliana ny tanora.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3732