Mandingana kilasy,Manaiky izany ve hianao?

21. niryna ( 27/06/2009 13:55)
Hinagasy:

Hono'aho ny an'i Nyrina ve izany, atao mialoha ny programme rehefa vakansy? ka tsy vao maika ve izy leo satria efa avance izy mbola ampijerenao azy mialoha ny fianarana tokony ataony? sa hoe izany no mety aminy?

Ny ahy koa tia mamaky boky be, io indray hitako hoe fahazaranay rehetra ato antrano dia lasa tia mamaky koa izy. Isan-kerin'andro dia maka boky any amin'ny bibliothèque eo amin'ny 6 eo izy, nefa any ampianarana koa dia misy obligation mamaky boky iray isan-kerinandro atao résumé. Ka eo amin'io manao résumé io mihitsy no mahatonga saina an'ilay mpampianatra foana satria ny azy ohatra ny discussion littéraire izany.
yap ,fa ny ahy miaraka amin'ny fitondrana azy mandehandeha eraky ny musee na park na programmes misy ho an'ny ankizy na miaraka milomano izahay .Ampifandanjako ary ato an-trano izahay dia tsy maintsy milalao domy na indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aza,dia miaraka manao baolika kitra amin'ny dadany izy dia izaho no miaraka azy ireo any amin'ny terrain manotrona,izaho koa no arbitre ato an-trano amin'ny judo hi,hi


:D
22. endrika01 ( 14/08/2009 03:19)
niryna:
Misy zaza maranintsaina be izay,ampianaran\'ny reniny kosa aloha izy e,izany hoe raha mbola tsy tonga ny fotoam-pianarana dia efa alainy daholo ny programmes rehetra dia ampianariny tsikelikely ilay zaza.Rehefa miditra kosa anefa ny ankizy dia be fanontaniana be ilay zaza,matetika dia ambony be foana ny naotiny ary toa tsy misy dikany aminy indrray ilay kilasy misy azy.Hoy ny mpampianatra hoe afindra kilasy izy fa tsy sahaza azy intsony ilay izy,tsy vitan\'izay ihany fa kilasy feno fampianarana hafa mihitsy no asiany andefasana azy.Dia mba naka hevitra tamin\'olona ity reniny dia sendra ilay ramatoa nafindra kilasy tamin\'ny mbola kely hono izy ary io ramatoa io no niteny hoe avelao ihany izy ao fa izaho tamin\'ny mbola kely nandingana kilasy fa tena tsy nisy nilaiko azy ,maro ny zavatra tokony niaranarako no najanona Maniaky ny zaza ampandinganana kilasy izany ve hianao raha zanako no eo amin\'ny toerany ? (l) niryna
niryna > zah zao anisany manaiky,raha mbola mahazo ny voalohany hatrany ny zanako kely :-P (zanaky ny rahavaviko ve mou tsy ho zanako) io zanako kely io,ny mpianatra efa niditra voalohandohany Sept,izy efa Janvier vao vonona ny hampidirina classe voalohany amina ecole misiona.Na efa tara 4volana aza izy,dia mbola izy no voalohany t@mpianatra 40isa tao an-dakilasy.Faly be ny maitresse sy ny directrice,@ty taom-pianarana ty raha mbola volou foana izy,de zah makasitraka anle fandinganana classe,na T4 de asiana maka CEPE. :D
23. Ratoa ( 16/08/2009 11:40)
niryna, ianao ihany no milaza ireto:
fa ny ahy miaraka amin'ny fitondrana azy mandehandeha eraky ny musee na park na programmes misy ho an'ny ankizy na miaraka milomano izahay .Ampifandanjako ary ato an-trano izahay dia tsy maintsy milalao domy na indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aza,dia miaraka manao baolika kitra amin'ny dadany izy dia izaho no miaraka azy ireo any amin'ny terrain manotrona,izaho koa no arbitre ato an-trano amin'ny judo hi,hi

Tohizo ireo dia ampio ny fanarahana azy amin'ny devoir sy lesona. iarahana mandinika ny lesona dia adino izy ahafantaranao fa arany ny niveau. Ary koa, anontanio izy raha mazoto. raha izaho aloha dia alefako izy handingana fa rahana tsara ny fianarany ary anontaniana iza raha reraka any ampianarana, jereo tsara koa rehefa mody raha mihena ny entrain na fahazotoany. Izaho nandinga kilasy tany amin'ny primaire fa tsy olana tamiko mihitsy. Nisy mpampianatra koa moa tena akaiky ahy.
24. aivetinakely ( 05/09/2009 19:12)
Tsara tokoa ilay dinika.
Manaiky ny fandinganana kilasy aho.
Zava-nisy hitan'ny masoko no holazaiko eto.Nisy zaza t@ sekoly notazoniko, misy kilasy hatramin'ny maternelle jusqu'@ 3è io sekoly io. Zanak"olona sahirana ilay zaza ary somary tara vao niditra. Niditra 10 avy hatrany izy. hita fa izay ampianarian azy eo dia voarainy tsy misy tomika. Nampiakarina 9è, ary tena naharaka tsara. Niditra 8è ny taona faharoan'ny nianarany, lany ny Telovolana faharoa fa hita mbola naharaka ihany. Nafindra 7é haka CEPE ny telovolana farany fa mbola izy ihany no voalohany eran'ny CISCO nisy azy. Nampanaovina 5é avy hatany de mbola nitazona ny voalohany, niakatra 3 é fa mbola tahaka izay ihany. Raha atao ny compten'ny fianarany de 5 taona nianarany nahazo BEPC , tsy azo nampandinganina intsony rehefa niditra 2nd satria tsy nanaiky ilay Talé .
Ilay zaza aloha tsy ny RAD no niantoka azy fa mpanao soa ka izay koa no nohararaotina dieny mbola nisy niantoka. Any @ université izy izao ary mitovy @ tsy nandingana kilasy .
Valin-teny, ekeko ny fandinganana kilasy fa ifanarahana kosa @ mpandaharaha ary ilay zaza no tompon'ny teny farany, satria izy no hameno ny banga raha misy izany, tohanan'ireo RAD izay fototra hankahery azy.
25. rhina ( 15/09/2009 15:11)
ny zanako reto mbola kely batitiny a tena gaga za eto maita anareo mresaka
raovina re ny zanako no ho lehibe e!!!
26. tisera ( 22/09/2009 19:34)
Mahafinaritra sy mahaliana ilay dinika. Isika ray aman-dreny dia tena mila mahay mandanjalanja ny tena ilain'ny ankizy mba ahafahany mivelatra araka ny tokony ho izy : tsy tokony ho an-katerenea mihitsy ny fandiganana kilasy fa atao tenimiera : ny ahyteny anelanelan-taona (fin 1er trimestre) t@ grande section ny zanako no nasain'ny mpampianatra hoe halefa cp avy hatrany fa ohatry ny tsy dia nazoto loatra izy dia najanona navela namita taona ary tsy nasaoty kilasy . Izay indray aloha tsy mi-s'ennuyer izany mihitsy : tsy manadala ny iray kilasy etc... fa rehfa vita ny anjarany dia maka boky hono izy dia mamaky boky hoy ny mpampianatra .Nony CE1 izy dia nangataka indray ny mpampianany sy ny talen-tsekoly hoe aleo avy hatrany dia alefa CM1 @ fidirana fa tsy ilainy ny manao CE2 - dia nampadinganana satria ny avis-n'ny psychologue koa nanamafy ny hevitry ny mpampianatra sy ny mpanabe .Marihiko fa tena tsy misy hoe ampanaovina exercices manokana sns... izany izy fa izy ihany no avy hatrny dia liana amin'ny zavatra tiany . Misy niresaka mozika teo : izy izao nentina nanao séances découvertes musicales fony kely fa eeee eeee tena tsy tiany mihitsy é! Etsy anilan'izany anefa izy no nangataka anay hianatra échec sy lomano ka tena ilofosany mihitsy ireo satria tiany : vao t@ maternelles izany an!Asa ianareo raha nisy namaky ilay boky hoe " Méthodes Arthur" nosoratan'i Jaona Ramiandrisoa rain'ilay lehilahy gasy kely mahay (14taona nahazo maîtrise mathématiques)fa tena fanaraha-maso akaiky ny tontolo manodidina rehetra raha tiana ho olom-banona ny ankizy. Ambonin'izany rehetra izany ny fanankinantsika ny fiainan'nireny sombinaintsika ireny eo ambany fitahian'Andriamanitra hanome saina matsilo sy fahendrena ho azy. Mirary soa ho an'ny rehetra é!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.7387