Tsy hilaina ny SADC koa mbola hiadivana hevitra ry tgvendran

1. penguin ( 15/05/2009 08:10)
Lazaina fa manery é, baikon'ny olo-tokana ny SADC é, tsy hilaina é nefa dia hiadivana hevitra sy raisina hatrany. Manino no tsy alefa mandeha any araka ny taim-bavanareo ireo SADC ireo ary tsy avela hiditra eto Madagasikara satria milaza mahaleo tena ianareo ry tgvendrana a ?
Manao resaka diplomatika ny olona fa tsy miteniteny foana sahalan'ealh tgvendrana akory
novalian'i xxx ny 15/05/2009 23:23
2. locl ( 15/05/2009 08:23)
Tsy hitany intsony izay atao ka dia mijapy izay mandalo eeee!
3. rahiratra ( 15/05/2009 08:25)
Manomboka hatrany amin'ny lohan'ny HAT ty dia hafa no lazain'ny vavany ary hafa no nataony sy mbola hataony ary ataony. Tsy azo hitokisana satria na ny tenany aza tsy mahatoky tena fa miteniteny foana. tgvendrana na ny tsy mahay teny gasy aza mahalala hoe TGVendrana ary hita any amin'ny YOUTUBE.
4. bozyboleta ( 15/05/2009 08:32)
Ka zay no maha-foza azy. Feno maloto ny lohany ary tsy afaka misaina ôtran'ny olona.
Variana isanandro mihaino ny tabataban'ireo. Mifandimby manakiana ny vahiny ry fat mianakavy nefa midodododo any ihany mitady 19.
5. naritsimba ( 15/05/2009 08:41)
Fa iza no nandeha tany @ SADEC? ny SADEC no nisolatsolana toy ny vinanto tsy mahare fosa, efa tsy tiana mbola misisika ihany.RAha ny Filoha Andry Rajoelina no nandeha tany dia marina ny anareo.
EFa nilaza fa nahato M/kara nefa dia io misisika io ihany, tsy manakambo mihitsy.
6. xxx ( 15/05/2009 08:52)
naritsimba : aza manao firesaka mandany andro eny @ pômpy na manasa lamba eny @ bassin e!
i Ra 8 no nande tany @ sadec, ary noho ny asa maloto nataony TGV no nahatonga any Mcar nahato tao @ sadec.

Mazava ?
7. essera ( 15/05/2009 09:46)
Aza manantena mana avy any an-danitra re ry Penguin. Jereo ilay dinika iray ao ambony ao "Inona marina no tena mission sadeky aloué."
8. xxx ( 15/05/2009 10:04)
Penguin : raha ny fahazahoako azy dia matoa ny sadec mi s interessé ny momba ny cas Mcar dia misy tombotsoanireo membre ao @ sadc koa i Mcar.

marina fa tany mahantra isika ary mila manondrana ara-barotra any ivelany, isan izany ny Sadc, ny produits TIKO no tena nahazo laka tamin izany. Dia misy ihany koa ny contre partie satria efa nanomboka heniky ny produits avy ao Afrique du sud teto amintsika. Resaka fifanakalozana ara-barotra io izany no tena izy.

Tsy adala ireo sadc ireo ha handany rora lava hiresaka ny olana ao Mcar fa ahazoany firenena membre tombotsoa koa i Mcar.

Hamintinako azy dia raha nesorina tao @ sadc i Mcar dia vao maika misy fiantraikany @ toekarena mivantana izany satria mihena be koa ny exportation ataony Mcar.
9. naritsimba ( 15/05/2009 11:05)
xxx> tsy hampiova ny hevitro izany fa ny ahy dia tsotra ra8 no tena nanao asa maloto sy asan-devoly teto madagasikara, raha tsy zany ve izy andeha ho any firenena manambady maro no hitsoaka mandositra, maninona raha nankany etazonia raha samy andeha ihany? zao vao tokony ho tsapany fa ataon'ireo SADEC ireo fitaovana fotsiny izy.
10. penguin ( 15/05/2009 14:31)
Tena io indrindra no tena manambady maro miafina. =)) =)) =))
11. xxx ( 15/05/2009 23:23)
naritsimba tony ve tena fohy fisaianana é,R8 legitime ,ary aleony miandry ei akaiky eo fa tsy hitsoaka akory fa ny hiverina no paika ,inona koa tony naritsimba tony toa tsy mahalala zava-misy akory :idea: :idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0851