Matahotra fifidianana i Andry TGV

1. hery ( 15/05/2009 05:33)
Aleo dia tsorina.
Ny antony nitenenan'i Andry hoe tsy hilatsaka hofidiana izy raha toa ka tsy milatsaka daholo ny filoha taloha dia fantany tsara fa ho lany i Ravalomanana raha mbola milatsaka eo. Ary mazava ho azy fa matahotra izy hoe any Tsiafahy daholo no mialokaloka ireo izay nanao coup d'etat.

Fantany tsara mantsy fa na hilatsaka hofidiana aza izy hifaninana amin'i Ravalomanana dia tsy handresy mihitsy satria eo no haneho ny heviny ireo Malagasy nangina fa voaporitra tamin'ny basy.

Fantany tsara mantsy fa olombitsy ao Antananarivo ihany no mety hifidy azy satria na ireo sasany TGV mba tia azy teo aloha aza dia nanjary kivy tamin'ity fombany mampihorohoro amin'ny basy.

Fantany tsara fa tsy nampitombo fa nampihena ny popularité-ny ny tetezamita... ary rehefa mihalava ny tetezamita dia miha mihena koa izany popularité-ny izany.

Niezaka ny nanao tetezamita 2 taona izy mba hoe hamafàna ny fitiavan'ny olona an-dRavalomanana fa toa vao mainka indray mitombo izany, tsy noho ny nataon-dRavalomanana nefa fa noho ny nataony ihany.

Koa asaivo milatsaka izy raha te hilatsaka... ary raha tsy te hilatsaka dia aza ny olona no sakantsakanana fa samy olona manan-jo izao. Rehefa matahotra dia mijanona avy hatrany fotsiny.

2. Noue ( 15/05/2009 05:51)
indrisy fa tsy zay fanaovana tetezamita mandritry ny 2 taona akory no hitiavan'ny olona azy ee ! Hita kosa aloha fa matahotra nedala ee ! ary tena fantany tsara fa tsy ho lany eo mahintsiny izy na dia andeha mbaka ny lohany aza ! dia mody oe io taonany io koa no mba atao argument :-D :-D :-D
Na izany aza dia jereo fa namaly an'Ravalomanana izy
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/
3. ravatorano ( 15/05/2009 06:42)
inona marina moa no atahoran-dry zareo amin'ny filatsahan'i RAvalomanana e
Aleo samy milatsaka dia ho hita miharihary eo izay tena lanim-bahoaka e amin'izay samy hahatsapa ny fitiavan'ny olona azy .
Ingahy Monja Roindefo moa dia efa nilaza fa tsy matahotra fifidianana izany ny HAT fa mamim-bahoaka hatraiza hatraiza ary nisy aza mpikmabana tao amin'ny hat nilaza fa raha atao na izao dia izao aza ny fifidianana dia mety ny faritr'i vakinakaratra ihany no tsy hahatafa andry zareo fa afaka mandry ivohon'ny vato ry zareo fa ho azony ny fandresena.
amin'ny lafiny iray tokoa aloha dia misy fahamarinany ihany io satria ilay mpitarika ao amin'ny antoko naorin'ingahy Ravalomanana dia efa mizarazara nohon'ny seza sy ny filana fahefana ka ao ny efa nijoro sy naneho hevitra ny hanohana ny HAT izay noraisin'ireto farany tsara tokoa.
Raha te hiverina eo amin'ny fitondrana anefa ny tim dia tokony izao fdia efa manamafy tsara ny ambaindain'ny antokony ka hanamafy ny fototra eny amin'ny sampana rehetra misy eto madagasikara ireny fa raha tsy izany dia ho sahirana tokoa ry zareo vao hahazo score tsara !
4. xxx ( 15/05/2009 06:57)
Na hoe matahotra fifidianana aza i TGV dia misy tetika hafa tiany hapetraka koa. Raha toa ka manaiky tsy hilatsaka iretsy 3 (zafy , ratsiraka, ra8) dia mora ho any Pierrot ny handresy @ fifidianana, ary i Pierrot dia afaka miaro tsara any TGV amin'izay herisetra sy fitondrana nihoampefy nataony ka tsy hisy ny fanenjehana azy fa hilamina tanteraka izy ary na ny orin asany aza dia hiroborobo fatratra fa tsy hisy fanenjehana toy ny mahazo ny TIKO amin izao fotoana izao.
Fandrika apetraky TGV io satria , na misy aza ny fihaonambempirenena, izay hevitra azo avy amin ireny dia famenoana fotsiny izay volavolan-dalampanorenana efa nokarakaraina fa tsy dia hampiova zavatra be akory. Fa ny zava-misy dia efa eo ampanaovana ny volavolan-dalampanorenana ny ankolafin olona miara-miasa @ HAT amin izao fotoana izao, ary ilay limite d age 40 ans dia mbola voatazona. Midika izany fa ilaina ny fahamatorana ara-taona raha hitondra firenena tokoa fa na ry zareo aza mahatsapa izany. Mahatsiaro somary voatsindrona ihany ingahy Andrinirina TGV ka dia mametraka paikady hiaro azy raha toa ka misy ny fialany eo.

Na mody aty @ Renimalala izy satria vazaha ihany koa. Il n' a rien à perdre fa mitsaitsaika maka fiaramanidina izy de mody aty @ Ile de France.
5. xxx ( 15/05/2009 06:59)
Amiko indray Ravatorano dia , angamba mbola tsy mety ny hilatsahan'ireo efa nitondra teo aloha. Tsy midika akory izany fa hoe tsy afaka ny hilatsaka mandrak'izay izy ireo fa mba omena fotoana kely hisainana.
Mbola mafana manko ny fon'izy ireo sy ny mpanara-dia azy ka mety ho zavatra tsy misy dikany dia hampirafitra ny ady an-trano.

Ny mampalahelo koa dia ity. Izao vanim-potoana izao indrindra no tena tokony hipohiran'ny olomanga sy olona manam-pahendrena hitarika antsika satria dia hita fa dia ireo izay eo sy teo dia efa nahitana olana avokoa. Nefa moa dia tsy misy mba heno henoa mihintsy na iray aza mba hoe hijoro amin'ny hevi-baovao hitondra ny firenena.
Lany olomanga ve i M/car ka ny teo ihany no avadibadika???
6. nancy ( 15/05/2009 07:16)
Ilay manao politika eto Mcar mihitsy no tena dangereux e. Jereo fa maneho ny hevitrao aza enao dia mety tsy hahazo ary possible samborina sy gadraina. Ny jiolahim-boto politika anie ka betsaka eto e, vitsy dia vitsy no mba manana saina madio. Ka na dia misy tokoa aza ny manam-pahaizana, maranitra sy tia tanindrazana, nefa raha toy ireny rehetra nitranga ireny ve no mahazo anao raha hiditra hanao politika ianao dia iza kosa no ho tianareo hamono tena eo. Tsy fantatra mihitsy anie fa na dia manao ny mety aza ianao rehefa tsy tian'ny mpanao politika hafa dia finganiny e, tampoka eo ianao dia samborina na misy mamono mihitsy aza. Lotoiny sy potehiny tsotra izao ny momba anao.

xxx:

Amiko indray Ravatorano dia , angamba mbola tsy mety ny hilatsahan'ireo efa nitondra teo aloha. Tsy midika akory izany fa hoe tsy afaka ny hilatsaka mandrak'izay izy ireo fa mba omena fotoana kely hisainana.
Mbola mafana manko ny fon'izy ireo sy ny mpanara-dia azy ka mety ho zavatra tsy misy dikany dia hampirafitra ny ady an-trano.

Ny mampalahelo koa dia ity. Izao vanim-potoana izao indrindra no tena tokony hipohiran'ny olomanga sy olona manam-pahendrena hitarika antsika satria dia hita fa dia ireo izay eo sy teo dia efa nahitana olana avokoa. Nefa moa dia tsy misy mba heno henoa mihintsy na iray aza mba hoe hijoro amin'ny hevi-baovao hitondra ny firenena.
Lany olomanga ve i M/car ka ny teo ihany no avadibadika???



7. xxx ( 15/05/2009 07:17)
xxx: Inona moa no hevi-baovao ankoatrany efa nisy hampivoarana any Mcar ka azo atao any?
Raha ny fampandrosoana any Mcar dia ny fiantsoana Bailleur hampiasa ny volany any no tena zava-dehibe (tsy hoe mpanambola hanadio vola toy ny misy amin izao fotoana izao akory). Matoa voasarika ny mpampiasa vola vahiny hitondra ny volany any , dia azony antoka ny filaminana, ny énergie, ny resaka fananantany, ary ny sehapifamoivoizana.
Io resaka fananantany io no tena securité ho any mpampiasa vola satria ny lalàna misy any amintsika dia lalàna efa t@ androny Gallieni, izany hoe lalàna natao hiarovana ny tombotsoany mpanjanaka tamin izany fotoana izany. Tsy mbola nisy mihitsy ny reforme ho any resaka fananantany raha ny lalàna no resahina. Fanamboamboarana angaha dia manaiky aho fa tsy nampiova zavatra betsaka izany. ra8 no niezaka nanao saingy lasa lavitra loatra indray ny nataony satria be loatra ny tany nomeny ny Daewoo, na izy aza mety mahatsapa izany matoa niala tsiny t@ vahoaka malagasy hoe nisy ny tsy nety nataony. Tokony nolanjalanjainy ihany ilay izy satria eo ihany koa ny toetsaintsika malagasy izay tsy manaiky ny hanomezana tany ny vahiny izay tokony hiova amin izay satria tsy hitondra fandrosoana ho antsika mihitsy ny protectionnisme.

Ny hoe maninona no tsy mipoitra ny olona sasany afaka mitondra dia angamba matahotra ny hitondra ny olona, raha olona manana ny maha izy azy, matahotra izy ireo satria poste politique, raha miala eo @ fitondrana dia considerer ny olona toy ny tsy misy valeur akory na dia be galona be , nianatra nandritra ny taona maro aza. Potehiny olona @ tsy misy dikany fotsiny ny fiainanao. Ny fanaovana politika malagasy dia rehefa manala izay eo @ fitondrana dia manapotika tanteraka ny fiainany no atao. Antony mety tsy hahasarika ny maro tsy hiditra aminio izany.
Ireo sahy miditra moa matetika, dia ireo mpijapy train, te hahazo fiara sy chauffeur, ... sy hihebohebo hoe manana garde de corps ; izany hoe ny tombotsoa manonkana no jerena sy tena manosika azy ireo hidirana aminizany.

8. bazylou ( 15/05/2009 07:20)
ny olona marina sy mijery alavitra no milaza ny tsy hilatsaka, ary tsyilainy akory aza izany !! fa ny adala iray lavaka sy ireo mpomba azy dia ny hisesika ihany no adiny eo!!!
9. naritsimba ( 15/05/2009 07:31)
Ho hitantsika eo fa hisy zavatra mafimafy kokoa hanjo an-DRavalomanana amin'io toetrany mandainga io, tsy ampy azy angamba ny sazin'Andriamanitra dia mbola manao ihany, ka dia mbola ho mafy noho izay ny hanasazian'Andriamanitra azy.
Andao fa ho hitantsika eo, amin''izay vao hangina ireo mpanohana azy ireo, satria tsy olombelona no hanao izany fa ilay Andriamanitra marina.
10. xxx ( 15/05/2009 08:03)
Antony 2 :

- te hitomanian'i bazylou sy ry essera sy andrywui izy hoe milatsaha re ry Andry fa ianao no tena ilaina a. Dia rehefa avy eo dia hiteny hoe hilatsaka aho noho ny fangatahan'ny vahoaka (le peuple comme il a dit nefa olona 3500 no nanaraka )

- vita ny mission-ny : hanala an-dRa8 teo @ fitondrana . Mody any La Frantsa @izay izy

De toutes façns tsy misy takatry ny lohakeliny izay politika, dedaka te hanao iny akanjo iny fotsiny no mahamaika azy
11. xxx ( 15/05/2009 08:17)
Hi hi hi, na dada elahy na bandy kely, rehefa maditra tsy maintsy saziana ;)

Tsy haiko izay tena matahotra amin'izao. Ny heveriko fotsiny, raha samy milatsaka eo ireo, dia na iza na iza ho lany dia mbola hitohy foana ny korontana. Izay tsy lany eo tsy maitsy himenomenona - ary izay mifandefa any Tsiafahy eo ... hifoteran'ny rambony ohatran-dRavalo. :-P

Ny an'ny Malagasy rahateo, resa-be izany hoe aleo izay tian'ny vahoaka izany rehefa fifidianana no atao. Aza manao ririnin-dasa tsy tsaroana fa todiho ny fifidianana nisy nanomboka tamin'ny "1er toro de vita". demokrasia a hoe, demokrasia - ny antsika demokrasia an'ny lalana ihany no fantatsika. Tsy fair mihitsy koa ny lalaontsika ... izay matin'ny basy ihany ve rangahy no mba malaza fa izay maty amin'ny zavatra hafa mahazo vava be indray aza hoe miasa koa tsssss.

Izaho manokana aloha, efa hatry ny ela no mino fa tsy tsara ho antsika izany demokrasia izany. Miala tsiny ho an'ireo niady ho amin'izany. Aleo famoretana ihany fa ny gasy jiolahim-boto iray firenena, fa mahay mikabary daholo fotsiny hoe tia tanindrazana a hoe, patati patata. Ny mpamoritra fotsiny no tokony kendrena ho tsara ... fa tsy atao mpangalatra sy mpandainga mpandotso vahoaka amin'ny fiainana tsy azy akory foana akory.

Ho avy ny fifidianana. Dia hirotsaka izay mahazo mirotsaka. Ny mahalasa saina ahy dia hoe : Afaka mandray fanapahan-kevitra tsara ve ny vahoaka rehefa :
1 - Ratsy daholo ny options.
2 - Tsy izy akory kay no manapa-kevitra.
12. xxx ( 15/05/2009 09:25)
xxx:

Hi hi hi, na dada elahy na bandy kely, rehefa maditra tsy maintsy saziana ;)

Tsy haiko izay tena matahotra amin'izao. Ny heveriko fotsiny, raha samy milatsaka eo ireo, dia na iza na iza ho lany dia mbola hitohy foana ny korontana. Izay tsy lany eo tsy maitsy himenomenona - ary izay mifandefa any Tsiafahy eo ... hifoteran'ny rambony ohatran-dRavalo. :-P

Ny an'ny Malagasy rahateo, resa-be izany hoe aleo izay tian'ny vahoaka izany rehefa fifidianana no atao. Aza manao ririnin-dasa tsy tsaroana fa todiho ny fifidianana nisy nanomboka tamin'ny "1er toro de vita". demokrasia a hoe, demokrasia - ny antsika demokrasia an'ny lalana ihany no fantatsika. Tsy fair mihitsy koa ny lalaontsika ... izay matin'ny basy ihany ve rangahy no mba malaza fa izay maty amin'ny zavatra hafa mahazo vava be indray aza hoe miasa koa tsssss.

Izaho manokana aloha, efa hatry ny ela no mino fa tsy tsara ho antsika izany demokrasia izany. Miala tsiny ho an'ireo niady ho amin'izany. Aleo famoretana ihany fa ny gasy jiolahim-boto iray firenena, fa mahay mikabary daholo fotsiny hoe tia tanindrazana a hoe, patati patata. Ny mpamoritra fotsiny no tokony kendrena ho tsara ... fa tsy atao mpangalatra sy mpandainga mpandotso vahoaka amin'ny fiainana tsy azy akory foana akory.

Ho avy ny fifidianana. Dia hirotsaka izay mahazo mirotsaka. Ny mahalasa saina ahy dia hoe : Afaka mandray fanapahan-kevitra tsara ve ny vahoaka rehefa :
1 - Ratsy daholo ny options.
2 - Tsy izy akory kay no manapa-kevitra.



Taiza indray r'ity no nisy mpanoritra tsara ??? Ity angaha matory atoandro ? @ alina no manonofy fa tsy @ atoandro r'ise a, tsy misy mpamoritra tsara izany ...
13. xxx ( 15/05/2009 09:28)
ny an'i xxx11 ny droit de base -ny mihintsy no tadiaviny esorina aminy , tena mitorona mihintsy k'lé. Taiza indray no nisy olona naniry famoretana @ izao tany mazava izao ???
14. naritsimba ( 15/05/2009 11:18)
xxx> ny anareo izany dia mitady ny hamoritra tananan'akanjo foana le, rehefa hanala ny mpabotry firenena dia zay vao ilaina ny mamoritra tanan'akanjo eh!
15. patrick2002 ( 15/05/2009 13:34)
efa mazava ny mission ny TGV ,tsy niomana ny ho filoha izy fa miala ny tsindry hazo lena ,sy ny jadona nataony Ravalo ,ka fantany fa raha i Ravalo no eo dia betsaka ny hiditra amponja ary betsaka ny orinasa hikatona mba hanoherana ny fatiantoka teo @ MAGRO sy ny TIKO.
Tsy resaka fatahorana mihintsy fa mahatsapa izy fa betsaka ny olona tokony ho filoha miohatra azy ,nefa raha i Ravalo ,no hiverina ho Filoha dia fitondrana Western no hisy eo @ tanana ,mba tsy hitenenana fa fitondrana jiolahimboto, hakatony itsy ,hamidio iroa ,vidio ny roplanina ,tsy misy fanarahana loi de finance ,na appel d`offres ,fa izay tiany sy reviny no manjaka ,miverine t@ fitondran`ny Andriamanjaka ,
Ary cas possible no mety hiverenany Ravalo satria izy manambola ,mety homeny 5 milliard tsirairay ohatra ireo olona manodidina an`i Andry ireo hilatsaka ho fidiana dia amin`izay mizara ny vaton`i Andry ,dia izy no mandresy ,ohatry ny nanaovany an`i Ratsirahonana t@ 2001.
16. Noue ( 15/05/2009 14:24)
:-D :-D :-D :-D :-D
17. benkintana ( 16/05/2009 00:34)
i patrick 2002

sao dia mamo ty tary ty zany:roll: mbola 2002 ihany ny ps ,tara bé
Tsy mitombina le resaka fa valio par arguments io resak'i Hery io aloha fa aza manao adin'akoholahy fataka é :twisted: :twisted: :twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6778