Tsy hisy mpitondra sy fanjakana ho vanona intsony eto satria

1. lemenakely ( 15/05/2009 04:49)
Tsy hisy mpitondra sy Fanjakana ho vanona intsony eto satria izay tonga teo @ fitondrana dia tsy nieritreritra afatsy ny nameno paosy sy ny akamakama.Manao fampanantenana be diso tafahoatra rehefa propagandes , nefa be no tsy vita!..

Ny vahoaka kosa ny ankabeazany manantena lava ny mpitondra hanao magies ,ka hanova ny fiainana isantokatrano indray mipi- maso.

Ny mpanohitra tsy manan- draharaha afatsy ny ankendry tohina izay moindre erreur ataon ny mpitondra , ary mankasiaka ilay vahoaka diso fanantenana ,tsy ahitana partenariat mihintsy manoloana ny mpitondra fa rehefa very seza dia ny Hanongana ihany sy te hiverina @ fomba rehetra

Dia cercle vicieux eo ilay izy ary mampalahelo .
novalian'i xxx ny 16/05/2009 00:03
2. Noue ( 15/05/2009 05:53)
mino kosa aloha aho fa nisy lesona be dia be nitsoahana t@ zavatra nitranga teo eee ! ka aza avy dia lazainao kosa oe
Tsy hisy mpitondra sy Fanjakana ho vanona intsony eto
3. xxx ( 15/05/2009 06:31)
Marina ny an'i Lemenakely. Lesona efa t@ 72 ,91,02 ve dia mbola tsy ho hay ihany. tssssss. efa tsy ho hay intsony e! jereo ireo mpiana-desona fa dia mbola ry zalahy t@ 72 ihany no eo @ izao 09 izao.
Mila generation hafa vaovao mihintsy izy ity e
4. ravatorano ( 15/05/2009 07:02)
ny atahorana ange dia mahay lesona zalahy reefa maka na mahazo fitondrana fa reefa eo amin'ny fitondrana dia mamerina ilay lesoka fahiny nataon ireo mpitondra teo alohany foana e !
voamarina izany hatramin'izao isika miteny izao ary efa nanombolka tamin'ny 1960 nahazahoantsika fahaleovantena io ka hatramin'izao !
asa iza no sahy hiteny fa tsy manampiovana mihitsy ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara
ny antony dia satria ireo ihany no eo ary raha misy olombaovao dia tsy maharitra ela akory defa mahavita zavatra ratsy lavitra noho ireo teo aloha.
jereo radidy olombaovao ireny tamin'ny nandraisan fitondrana ary dia tena nahavelombolo tokoa teo amin'ny fotoana niandohan'ny fitondrany.
Novaina ny lalampanorenana ka lasa sosialista sy demokratika ny tany sy ny fanajakana nefa tsy naharitra izany.Tsy ela dia raikitra indray ny akamakama sy ny arema oéoé ka lasa tsy refesi mandidy ilay fitondran'antoko tokana na dia nisy aza ny mandatehezam-pirenena izay voafehin'ireo arema ireo
niditra indray zafy sy ny repoblika fahatelo (lalampanorenana vaovao indray),fa lavo ny mandan'i jeriko dia ireny niaraha nahita ireny fa ny namany ihany no nitsipaka azy reefa avy nanao ampamoaka an ilay praiminisitra izay notendren'ny solombavam bahoaka izy ary niafara tamin'ny fanalana azy moa izay sy ny fiverenan'i Deba indray ka nanovana ny andininy sasany tao amin'ny lalampanorenana.Nanamafy ny fangoronan-karenany ny mpitondra ary dia niafara tamin'iny premier tour de vita iny.
Nalaza indray ny " minoa fotsiny ihany".
Olombaovao indray no tonga teo amin'ny fitondrana ary tena vaovao tokoa sady mivavaka (filoha lefitra tao amin'ny fjkm).Ny lalampanorenana tsy niova ary dia naabe fanantenana ny mandat voalohany nitondran'i ravalomanana
Vao ny fototra ouz iny no vita fa hanamboatra ny vatatrano amizay isika.
Efa betsaka anefa no nikamenona teo amin'ny sehatry ny fihariana,tao no voahosihosy teo amin'ny fakana tany ankeriny ,tao ny nilaza fa tsy afaka nanao ankahalalahana ny asa amandraharahany.Nidiran'ingahy ravalomanana avokoa reefa seha-piariana nisy teto ka tao ny top oil,ny tiko bois,ny magros sns.Tsy olana mihitsy ny fampiasany vola amin'izany raha toa ka nanaja ny lalan'ny fifaninanana izy saingy ny nampidirina tao amposiny no betsaka ary ny fanjakana no mibabay ny vola navoaka araky ny filazan'ny HAT amizao izay mbola hiandrasana porofo hatrany aloha ny fahamarinany.
Noho izany dia io izy norombahan'ny HAT teny ankianja iuo ny fitondrany ary koa nampian'ny miaramila vitsivitsy maromaro tosika.
Ry zareo farany ireto indray dia mbola variana mitady lalana izay ahitana vola sy hamerenana vola ao anatin'ny kitapon'ny tresor ka ho very anjavona amin'izay satria ny andro sy fotoana mandeha ihany nefa toa mihemotra avokoa ny assises sy conferences karakaraina hatao amin'ity taona tiy.vao roa volana ry zareo no teo nefa dia efa misy ihany koa ny fanilihana efa misy sahady ny fiverenana amin' ilay fomba fanao izay lesoka fahiny !
Asa re fa dia eto isika mahita azy
matezà ny aina e
5. xxx ( 15/05/2009 07:26)
ravatorano a! olona efa karapilo daholo ange ireo e! na atao aza hoe misy ny Ministra vaovao, toy ny telecommunication sy ny éducation sns, ireo dia tsy mbola nitantana mihitsy fa mbola stagiaire dia tsy maitsy maka volontany, izay ataony namany ihany sy ny mpitarika no ataony.

Rehefa miditra eo dia mahare ilay hoe odeur de pouvoir ary tsy hiala amin izay intsony.
6. naritsimba ( 15/05/2009 07:52)
Ho ahy manokana aloha tsy misy ahiana ny resa-bola raha io fitondrana io, satria ny tena eo @ io no miasa, ka mahita fa rehefa sahy mandray ny andraikiny ny mpiasa dia milamina io, omena azy ny fahafahana miasa an-kalalahana tsy misy teritery. HAdalan'izay mbola mitady hamerina ny fanao fahiny satria misy tokoa ny mbola manina ny tongolon'ny egipta.
Momba ny conference regional nahemotra dia nilaina satria misy ireo nangataka ny mba handray anjara @ fanolorana hevitra ho fampandrosoana ity Madagasikara ity, mba ahazoana lalam-panorenana sy lalam-pifidianana hanjakan'ny tena demokrasia, ka hidirana @ repoblika faha 4, ka tsy hiverenan'ny fanilikilihana.
7. bozyboleta ( 15/05/2009 08:25)
Ho ahy manokana aloha tsy misy ahiana ny resa-bola raha io fitondrana io, satria ny tena eo @ io no miasa, ka mahita fa rehefa sahy mandray ny andraikiny ny mpiasa dia milamina io, omena azy ny fahafahana miasa an-kalalahana tsy misy teritery. HAdalan'izay mbola mitady hamerina ny fanao fahiny satria misy tokoa ny mbola manina ny tongolon'ny egipta.


Aza mampiesona eo e! Orinasa firy no mikatona, mpiasa firy no very asa, ny famatsiambola @ ireo tetikasa fampandrosoana isankarazany ireo efa nahanton'ny mpamatsy vola. Ka vola inona no misy eo! Milaza fa ao @ io sehatra io no miasa, raha mahay avereno ho 1USD = MGA 1,700.
F'angaha izany toe-karena izany ny sorabola hitanao ao am-piasana fa tsy ny fihodin'io vola io.
Tsy V daholo ny malagasy ka ivarotana saka beloha.
8. ravonjison ( 15/05/2009 08:30)
lemenakely:

Tsy hisy mpitondra sy Fanjakana ho vanona intsony eto satria izay tonga teo @ fitondrana dia tsy nieritreritra afatsy ny nameno paosy sy ny akamakama.Manao fampanantenana be diso tafahoatra rehefa propagandes , nefa be no tsy vita!..

Ny vahoaka kosa ny ankabeazany manantena lava ny mpitondra hanao magies ,ka hanova ny fiainana isantokatrano indray mipi- maso.

Ny mpanohitra tsy manan- draharaha afatsy ny ankendry tohina izay moindre erreur ataon ny mpitondra , ary mankasiaka ilay vahoaka diso fanantenana ,tsy ahitana partenariat mihintsy manoloana ny mpitondra fa rehefa very seza dia ny Hanongana ihany sy te hiverina @ fomba rehetra

Dia cercle vicieux eo ilay izy ary mampalahelo .



Marina tanteraka ireo voalazanao.Ireo points telo voalazanao ireo dia mifangaro ary miteraka olana be. Ny antony dia betsaka loatra ka tsy ho voatanisa,
Fa ahitsiko kely ilay hevitra voalaohany : tsy hoe tsy hisy mpitodra sy fanjakana ho vanona intsony, fa kosa mbola ho tonga ny fotoana hampandeha ny raharaha fa sangy mety afaka 50 taona eo ho eho, izany hoe efa miova ny generation iray ( araka ny voalazan-dranamana etsy ambony ).
Eto anefa dia tiako ho marihina fa izany dia miankina @ fanabeazana sy fahalalana misy eo @ vahoaka. Satria raha mbola 80% ( tsyfantatro tsara ilay chiffre) ny vahoaka malagasy tsy manampahalalána, tsy ampy fahaizana, tsy afaka mamaky vaovao eto antoerana sy eran-tany, tsy afaka manao fampitahána, dia azo ambakaina sy varotana ronono antavy foana izy ireo ka na 100 taona aza, ny eo ihany no eo.

Ohatra : ry TGV dia nilaza fa tsy ilaina atao eto ny fivoriana afrikana fa mandany vola. Nony lany izy dia nekeny indray ny hanaovana izany.
Iny cas iny raha tatý Eoropa no nisy an" iny dia efa niongana ny HAT.Satria tsy mila fitsarana iny fa ny vahoaka ihany dia ampy hanaramaso sy hilaza fa nandainga ny TGV, izay dia efa ampy hanesorana ny HAT.
Fa ny antsika, na efa hita fa mandainga izao aza ny sasany dia mbola hatsaraina sy tohatohanana foana.
Afaka 50 taona e.

9. xxx ( 15/05/2009 09:00)
Ireo mpitondra reehtra teo, izay tsy eo @ fitondrana no be wawawa, mivovov ohatran'ny inona ireny, mahita ny tsy mety rehatra hataon'ny fitondrana misy rah mbola tsy eo @ toerana izy, fa ny plasy tsy azony fotsiny de adinony daholo ny fampanantenana sy ny tsikera nataony fony izy nitady plasy,

sady maninona ho ah ny eto Madagasikara tsy mahay manohitra tsotra izao, fa manohitra tsy maintsy midika hoe Fanonganam-panjakana e?? satria ve lasa marenina reefa tonga @ io toerana io ?? sa le olona mahazo fitondrana no tsy zakan'ny mpanohitra??

Inona moa no tanjon'ny mpanohitra? tsy ny hitondra fanavaozana eo @ fitondrana misy mba hahasoa ny tanindrazany?? koa maninona no tsy maintsy hahazo plasy eo @ fitondrana vao hanasoa ny tanindrazana??
10. naritsimba ( 15/05/2009 09:14)
HOY bozyboleta [ Valio ]
Aza mampiesona eo e! Orinasa firy no mikatona, mpiasa firy no very asa, ny famatsiambola @ ireo tetikasa fampandrosoana isankarazany ireo efa nahanton'ny mpamatsy vola. Ka vola inona no misy eo! Milaza fa ao @ io sehatra io no miasa, raha mahay avereno ho 1USD = MGA 1,700.
F'angaha izany toe-karena izany ny sorabola hitanao ao am-piasana fa tsy ny fihodin'io vola io.
Tsy V daholo ny malagasy ka ivarotana saka beloha.


Ny orinasa niodina t@ volam-bahoaka no nikatona(Groupe TIKO).
Ny devise indray na euro na dollar tsy olana, raha tsy mino ianao dia manontania ihany @ zay olona efa mahalala hoe aiza aho no miasa.
Mino ianao tsara tsy mino ianao tsy maninona fa ny machine tsy mandeha, hainao moa le hoe ...... la caravane ........
TSiky dia ampy.
11. bozyboleta ( 15/05/2009 10:04)
Ny orinasa niodina t@ volam-bahoaka no nikatona(Groupe TIKO).
Ny devise indray na euro na dollar tsy olana, raha tsy mino ianao dia manontania ihany @ zay olona efa mahalala hoe aiza aho no miasa.
Mino ianao tsara tsy mino ianao tsy maninona fa ny machine tsy mandeha, hainao moa le hoe ...... la caravane ........

O Zama a! aza manao an'io fa komplekse. :lol:
Tsy misy tiako ahafantarana izay iasanao fa resaka toe-karena no resahiko.
Ny vola vahiny hoy ianao na euro na USD tsy olana. Fa ohatrinona ny sandany izao? Hazavao hoe ahoana no famaritana ny sandan'ny vola vahiny eo @ tsenan'ny MID?
Ary an'ny TIKO daholo kay zany reo orinasa anjatony nikatona ireo e! Mpiasan'ny TIKO daholo ireo analiny very asa vokatry ny krizy novolenareo.
Efa nataonao moa ny nanozona teto. Izao mbola ataonao ihany koa ny mandatsa ireo Malagasy very asa.
Inona koa re ny manaraka e?


Marina ny an'i lemenakely. Tsy hisy mpitondra sy fanjakana vanona intsony eto.
12. naritsimba ( 15/05/2009 10:43)
bozyboleta>> efa nanomboka nidina tompoko ny sandan'ny euro, ary efa nisy fiakarany 90points ny ariary malagasy.
Mba fantatrao moa fa efa misokatra ny COURTS, CITIC, JUMBO SCORE, ilay teo Analakely may no tsy vita intsony satria lasa ilay mpamatsy vola(zanaky ravalo) ny eo Behoririka misokatra daholo.
Tsy nisy analiny no very asa raha t@ ity 2009 'ty, fa t@ 2002 ny 90% zone franche nikatona daholo ary nandritra ny 7 volana dia chomage teknika, t@ ito ireo zone franche nanararaotra ny krizy ka efa te hitsoaka no nikatona dia nitsoaka volan'ny mpiasa.
Raha atao ny kajy tsotsotra ny zone franche iray mampiasa olona eo @ 200 ny kely indrindra ary ny floreal no mampiasa olona be indrindra 4000, raha atao izany ny fikajiana dia eo @ 100000 eo ny mpiasa @ zone franche raha kely indrindra ka ny 90 000 no very asa t@ 2002, @ zao anef dia misokatra daholo izy ireo, ary raha manontany ao @ Inspection de Travail ao Antsahavola ianao dia vao maika ho fantatrao mazava hoe firy marina ny tsy an'asa.
Ho ahy zavatra mari-pototra no lazaiko fa tsy sanatria hanely tsaho dia lazaina gfa misy ny krizy, krizy ny alahelo an'i dada(rabe) no misy eto tompoko.
13. xxx ( 16/05/2009 00:03)
resaka anaty garaba ty naritsimba ty tsisy vision lavitra mitsy fa borné kel zany le bandy ,zay no fahitako le dinikao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0619