13 mai 2009: PAO-TSATROKA HO AN’NY FAT

1. bozyboleta ( 14/05/2009 05:54)
Mendri-piderana ny hetsika nataon’ny fat omaly. Niasa tokoa nandroaka fako i nadine ramadinesy sy ratsy valaka. Tsy nitarai-tana-miepaka fa dia nandray angady sy harona nandroaka ny maloto efa niparitaka sy nihanaka teto Antananarivo. Ity hetsika ity moa dia tafiditra @ ilay fanadiovana faobe.

Mendri-piderana satria mahatsapa ireo mpitondra fat fa MANOMPO anay vahoaka no asany. Izay no tambin’ny hetra alohanay an-katerena handoavana ny karamabe sy ny tombontsoa mihoampampana takian’ny fat.

Mendri-piderana koa satria izao dia efa mizatra amin’ny fanaovana asam-panompoana ho tombontsoan’ny vahoaka (travaux d’intérét général) satria izay no sazy tokony hefainy vokatry ny nataony ka nampikorontana ny fiaraha-monina ankapobeny.

Tsara ry fat fa tohizo ary tokony ho 13 mai foana isanandro.
novalian'i xxx ny 14/05/2009 13:02
2. bozyboleta ( 14/05/2009 11:24)
Mialy Rajoelina et Sylvie Roindefo ont visité mercredi l’hôpital des enfants à Tsaralalana. La femme du Premier ministre de la HAT a ensuite rejoint Michèle Ratsivalaka et Nadine Ramaroson, balais à la main pour ouvrir la campagne de grand nettoyage de la capitale

Ary naninona ny madaman'i radomelina tsy mba nandray kifafa?
3. tsiafoi1 ( 14/05/2009 11:42)

Ireny ny montage post propagande ry bozyboleta a! Mazana be ny adversaire miandry, efa ni-éliminéna par tous les moyens fa tsy tafa e! DADA anie iny e!

Ny ahiako niepaka fotsiny le tanana tsy nandray ravin-dena fa ny hazo tsy laitra hongotan'ifotony....
4. xxx ( 14/05/2009 11:44)
Marina tsy 10mn ireo no namafa lalana teo, ny mpiambina no be noho ny mpamafa ... Dedaka fotsiny ... tokony mamafa isa-kerinandro izany fa tsy hoe androany fotsiny, 2mn dia miseho TV ... ODOIE
5. xxx ( 14/05/2009 11:45)
Ireo tsy miasa ihany no be vava e!!! sa ahoana ry tsiafoi1???
6. tsiafoi1 ( 14/05/2009 12:10)

Aho zao tsary nahalala an'ireny raha tsy vao zao. Tsary mba nahita an'ireny olona ireny anay raha tsy vao izao akaiky fifidianana izao iiiii

Ny ahiako niepaka fotsiny ny tanana tsy mandray ravin-dena, fa ny hazon'i DADA lali-paka ao am-pon'ny vahoaka, ka tsary mety hongotana ifotony....
7. bozyboleta ( 14/05/2009 12:11)
Tsy azo odian-tsy hita kosa rehefa misy zava-bita tsara e. Taiza no mbola nisy ministra sy vadina PM nandroaka fako andalambe izany teo @ tantaran'i Madagasikara.
Ny nahagaga ahy kely fotsiny dia ireo miaramila mitam-basy teo akaiky teo ka nampieritreritra ahy hoe f'angaha nilatsaka sahady ny sazy. Ireo voafonja manao asam-panompoana MOP (main d'oeuvre pénal) mantsy no atao otran'ireny.

Fa tena miasa mafy, miasa tsara ry zareo kah. :-D :-D
8. tsiafoi1 ( 14/05/2009 12:25)

Mbô omeo garde de corps mitam-basy koa za anga fa hamafa tokontany iiii!
9. bozyboleta ( 14/05/2009 12:45)
Mbô omeo garde de corps mitam-basy koa za anga fa hamafa tokontany iiii!

Za kosa aloha ry tsiafoi tena tsy mitady an'izany mpiambina mitam-basy izany.
Na ny mpiambina ireo mpitondra teo aloha aza tsisy miharihary mitam-basy otran'ireo fa mipiripirina mba anehoana fa olon'afaka izy ireo ary afaka miriaria toy ny olon-tsotra rehetra.
Fa ireto tena otran'ireny gadra ireny koa na hiasa aza ambanana basy.
Mitsikafona eny ihany ny mpanao ratsy e!
Mahana @ ataony.
10. xxx ( 14/05/2009 13:02)
bozyboleta:


Ny nahagaga ahy kely fotsiny dia ireo miaramila mitam-basy teo akaiky teo ka nampieritreritra ahy hoe f'angaha nilatsaka sahady ny sazy. Ireo voafonja manao asam-panompoana MOP (main d'oeuvre pénal) mantsy no atao otran'ireny.




bien vu :-)
Manasazy tena eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2387