CAPSAT manimba ny rafi-pifehezana sy ny toe-karena

1. penguin ( 11/05/2009 10:25)
Efa lasa verbe ankehitriny ny hoe CAPSATER. Misy manoratra atsy ambany hoe hisaorana ny CAPSAT saingy aminay dia tsy misy dera tokony omena ireo CAPSAT ireo na kely aza. Ny rafitra dia mikorontana satria ny farany ambony indrindra no voapetraka ho farany ambany indrindra hoy ireo noho izany mivaralila ny fifampifehezana.
Ny Jeneraly no voalaza ho nahazo volabe na voakarama ary nizara vola 4 gony ary ny sous-officiers no be sandry sy mihevitra ny mahalala ny hitondrana ny firenena ary izay eken-dreo no tokony mitantana. Maninona moa no tsy fohanana ny grady jeneraly sa rehefa tafakatra ireo kolonely eken-dreo ireo dia lasa masina indray ny jeneraly.
Mipaka amin'ny sehatra rehetra io ka na ny Raiamandreny aza sahirana amin'ny fitaizana.
NA MAFY AZA CAPSAT MBA INONA MOA NO VITANY AMIN'NY FIFANDRAISANA IRAISAM-PIRENENA ARY MAMPITOMBO NY VOKATRA SY MAMPANDROSO NY FIRENENA VE NY ASANY ? SARITAKA ETSY SY AROA NO VOKANY.
novalian'i fijo ny 12/05/2009 22:49
2. xxx ( 11/05/2009 10:37)
ny tsy azon'ny ireo hat sy capsat ireo dia hoe mihodikodina ny tany,raha ry charles sy rakotonandrasana,sy lylison ary ndrinarijaona ireo mbola hivadika ny rasa na ho ela na ho haingana ,dia hitsoaka na matimaty foana ,tsy mbola tonga saina hoe mba malagasy ihany fa izany handeha irery izany dia atao sanatria satria efa halambahoaka
3. penguin ( 11/05/2009 10:47)
Mafy izy ary mihevitra ny hitongilanan'ny mizana any aminy hatrany. Tena mihodikodina ary ratsy ny zava-mitranga ho an'ny Malagasy. 10 Août voaenjika Ratsiraka saingy noderaina sy nobiana indray avy teo ary lasa nitondra. Nazera indray ary izao mbola zahavina hanamafy amin'ny fampihavanana sy fizahavana vaha-olana amin'ny savorovoro ankehitriny. Miodina io ary haingana loatra ilay fihodinany. Ratsy izany saingy izay no revy Malagasy.
4. xxx ( 11/05/2009 11:04)
Olona mafy ve ny CAPSAT dia lahiantitra 70 taona no hanaparana ny hery tahaka ireny ? Kanosa (lâches) amiko ny olona tahaka`izany . Tanam-polo mantsy ny vahoaka ka tsy afaka manohitra . Fa ataoko fa mbola misy fotoanany ny zava-drehetra
5. kidoropamba ( 11/05/2009 11:11)
soa ihany fa teo CAPSAT fa raha tsy izany dia mbola nanabotry firenena sy namono vahoaka ravalo mianakavy.
Miaramila ny CAPSAT ary manana adidy mavesatra mikasika ny filaminam-bahoaka. Tsy zana-dambo io na EMMONAT feno jomaka sy mersenera.

Ny fahasahian'ny CAPSAT nandray andraikitra no tsy nahafaty an'i ANDRY TGV sy tsy nahafaty gasy maro raha nampiseho ny talentany ry Raoelina sy ny forongony tery ambohijatovo.
Charles, lilison sy ny hafa koa dia bandy tia tanindrazana.

Alefa CAPSAT a. Avelao mitomany eo ny very seza mpamono olona.
6. Mirananirina ( 11/05/2009 12:10)
Ny nidikidirany tgv taminy firenena vao nisy ny faty olona be dia be toa izao. 8O :( :(
7. kidoropamba ( 11/05/2009 12:28)
Tsia! diso izany. Ravalomanana no nitondra faty olona toy izao betsaka indrindra: 2002 sy 2009.
CAPSAT no nanakana an'izany. Hisaorana azy.
8. penguin ( 11/05/2009 12:34)
Tsy misy ilavanay izany CAPSAT izany raha ny resaka fitantanam-pirenena no resahina. Mpanao barofo no fahalalanay izany capsat izany.
9. Mirananirina ( 11/05/2009 12:52)
Ravalomanana no nitondra faty olona toy izao betsaka indrindra: 2002 sy 2009.

hay nisy faty olona taminy 2002 :?
10. xxx ( 11/05/2009 13:24)
Angamba ataoko fa tsy misy dera sy laza ho azon`ny Mpioko , sy Mpanongam-panjakana izany ! Henatra ho an`ny Tafika ny CAPSAT fa mbola henatra lavitra ho an`ny Tafika koa ny tsy nanao n`inn n`inn manoloana ny zavatra nataon`ny CAPSAT ka ho tsarain`ny tantara izy ireo . Aleo hahitsy fa tsy hoe fitiavan-tanindrazana no nanaovan`ny CAPSAT ireny asa maloto ireny fa tena FITIAVAM-BOLA mihitsy . Ny CAPSAT sy ny FORT DUCHESNES no nahenoina vola niparitaka . Izaho mihevitra fa raha tsy tolona mitam-piadiana tsy hampitrosina an`ity CAPSAT ity !
11. penguin ( 11/05/2009 13:44)
Ny miaramila ihany no manana sy afaka mampiasa fiadiana koa akory atao fa dia samy hitan'ny havany hanjakan'ny barofo eto é ? Miandry ireo miaramila afaka ny hijoro izany na samy miforitra eo raha resaka basy no lazaina. Ny hany azo atao dia ny mitazona ny fo sy sain'ireo manara-dàlana hatramin'ny farany mba tsy hivadiany hanaraka ny sain-dratsy ka ho lasa FIRENEN'NY RATSY SAINA MIANAKAVY.
12. penguin ( 11/05/2009 13:49)
Ny miaramila ihany no manana sy afaka mampiasa fiadiana koa akory atao fa dia samy hitan'ny havany hanjakan'ny barofo eto é ? Miandry ireo miaramila afaka ny hijoro izany na samy miforitra eo raha resaka basy no lazaina. Ny hany azo atao dia ny mitazona ny fo sy sain'ireo manara-dàlana hatramin'ny farany mba tsy hivadiany hanaraka ny sain-dratsy ka ho lasa FIRENEN'NY RATSY SAINA MIANAKAVY.
13. andrywui ( 11/05/2009 13:56)
Raha tsy nisy ny capsat nanery sy nadrahona sy nampifezaka tsara cny TIM tsy hibotsina eran'ny tanana de saika hanimba ny fanjakana efa mijoro teo reo Tim reo !! zao ry lerony mipetsaka tsara hendry be fa matahoatra sarla !! ha ha ha
14. pikatti ( 11/05/2009 14:36)
manary akanjo leity zany capsat nelah zany a,nisy tao akaikin'ny akamanay tany fa nitsoaka tsy naharay lamba
15. andrywui ( 11/05/2009 14:46)
ha ha ha !! TIM kely mataoatra charles be !! ha ha ha
16. benkintana ( 11/05/2009 15:05)
AIZA LE OLONA atao hoe andrywui zany AIZA hoa??? :evil: :evil: :evil:
17. pikatti ( 11/05/2009 15:06)
ao ankaboné, sefo a
18. penguin ( 12/05/2009 07:21)
Ka ho voafehin'ity monja roindefo ty ve ny FMI sy Banque Mondiale fa toa ny vava no mandeha be é ? Fa nibaiko azy ahoana moa ny Ambasadaoro Amerikana ?
19. fijo ( 12/05/2009 22:49)
horava ireo capsat ireo rehefa lany ny filoha manaraka eo.na i ravalo no lany na i pierrot,dia samy handrava an'ireo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0779