de ho hita eo e!!
1. bazylou
(
10/05/2009 21:40)
""Daty mifanindry! Fantatra izany izao fa amin’ny 19 mey no hanatanterahana ilay fifampidinihina karakarain’ireo «Groupes de contact» avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho famahana ny krizy politika tsy mbola nahitana vahaolana hatramin’izao. Amin’io fotoana io ihany koa anefa no hanao an’ilay fikaonandoham-paritra ry zareo eo anivon’ny fitantanana ny HAT. Asa aloha na hanemotra na mbola hiroso amin’ny fanatanterahana an’ilay fikaonandoham-paritra ihany ny fitondrana ankehitriny satria dia mifanindry tanteraka ireto daty ireto. Ny Minisitry ny Raharaham-bahinin’ny HAT, Ny Hasina Andriamanjato rahateo, tamin’ny asabotsy nandritra ny fankalazana ny andron’i Eropa, dia naneho ny fahafantarany ny fisian’io dinika politika io sy ny fahavononan’ny fitondrana Tetezamita handray anjara amin’izany. Ing. Raharinaivo Andrianantoandro, mpitondra tenin’ny antoko TIM ihany koa, dia efa nilaza ny tokony hanemoran’ny HAT io fikaonandoham-paritra io ary aorian’ny fifampidinihina vao tokony hiroso amin’izany fa tsy hanao amboletra. Handefa iraka vaovao, ankoatra ireo efa nanaraka ny fandehan-draharaha teto hatramin’ny voalohany, ny Vondrona Afrikanina amin’ity fifampidinihina ity ka Ing. Absalom Themba Blamé, izay Praiminisitra Swazilandy teo aloha, no hitarika izany. Ny ankolafin-kery politika rehetra eto amin’ny firenena no handray anjara. Tsy mbola fantatra aloha ny toerana hanaovana ny fifampidinihina. Ho hita eo ihany ny fandehany.
Ny Tahiry R. """"
Ny Tahiry R. """"
novalian'i benkintana ny 10/05/2009 23:07
2. xxx
(
10/05/2009 21:45)
lava be loatra ravalotgv an mba fintimpitino mao e ok :�) :�) :�) :�)
4. benkintana
(
10/05/2009 23:07)
Mahaiza mifandaminy ry samy malagasy fa zay miseho mandika fitsipika eo dia darohako hatrany an-kaboné,efa milaza anao zah zay ry charles
