HAFATRA IHANY...
1. benasy
(
09/05/2009 06:19)
Fantatro ise,
Mba hamotehana ny maha isika, dia fitaovana noheveriny hahomby nampisain’ny vazaha ny ribany sy foto-pisainany; nasesika teto amintsika.
Ka indro niodina nanaraka ny fomban-tany ise. Tsy ny fomban-tany tanivon-driaka anefa, fa fomban-tany hafa mihtsy!.. Fomba…. tsy vahiny loatra koa akory.
Iza moa r’ise no mpanabe mahery vaika, akaiky indrindra ireto zandrintsika, ka maha indrakindrafana fatratra azy ery? Moa tsy ny gazety ve ? antsoratra sy ambava !!!
Zanaka vavy voalohany naterak’ingahy Rainisoa, lazainy fa « Zanak’ingahy Rainisoa Vavimatoa» !!??........Ny hadirin-javatra, lazainy fa «hangezany» !!!?? ….Fotoana aza moa lazainy fa «habeny»!!......Malagasy miteny Malagasy….Kabary tsy valiana rahateo ny azy…
Takatr’ise ve ny tiako hambara ?
Iza ianao, àry aiza aho, ianareo ho aiza, ary ise taranak’iza ? …..Fa ahoana àry izy izany…
Afaka roapolo taona………..
Ho iza ianao, àry aiza aho, ianareo avy aiza, ary ise taranak’iza ?
Iza no ho mpanoratra ? Hanoratra inona ?
iza no ho mpamaky ? Hamaky inona ? Taranak’iza no hofoanana ?
Lazaiko amin’ise fa ny atao hoe firenena, dia ny mponina ao, manana ny tantarany, ny taniny tsy itambarana , ny satany, ny hiram-pireneny, ny kirijam-bolany, ny ribany, ny kolon-tsainy àry indrindra ny teniny iavahany amin’ny hafa, … sy ny vitsy tsy voatanisa.!
Mihevitra ve ise, fa mandeha ho azy eny ny momba antsika na tsy atosika aza ?
Satria ny namantsika, angady tsy mahatapak’ahitra ?
..…» vahiny eto an-tanindrazako aho izany ?. «

novalian'i benasy ny 19/05/2009 08:05
3. rova30
(
12/05/2009 20:06)
Benasy!
Mahafinaritra ny fomba fampitanao ilay hevitra; ary raha misy anatra na soso-kevitra dia mba avelao eto koa fa izahay mbola zazabodo indraindray! ^:^
...tsy te hovahiny eto an- tanindrazako aho!

6. benasy
(
19/05/2009 08:05)
Misy fotoana hifaliana, misy fotoana hisainana, izay tsy mahay mifehy ireny dia mampalahelo indrindra fa hanisy lavenona anaty nahandro, ka ny volana holazainy fa kifafa.... sady hitantara hatsikana any am-pamangiana manjo !