inona no mahasamy hafa an'ilay PROJET Daewoo sy hafa

1. Noue ( 07/05/2009 14:30)
Mampanontany tena mahintsiny oe inona no mahasamy hafa ilay PROJET Daewoo sy ny zava-mitranga ankehitriny ???

zao manko ee:

[size=70]L’observateur n’a pu rester indifférent à cette demande car tout récemment encore les partisans de la HAT-TGV ont pointé du doigt les investisseurs coréens de Daewoo et les exploitations agricoles du groupe TIKO-MAGRO, voire les projets indiens de la société VARUN. Aujourd’hui, les nouveaux dirigeants font appel à des investisseurs dans les mémes domaines. Où veut-on vraiment en venir ? Il semble que l’on ait déshabillé Pierre pour habiller Paul en détruisant les infrastructures existantes dans le pays et en diabolisant les projets d’investissements coréens et indiens.-[/size]

nefa ankehitriny dia zay mahintsiny no azo lazaina azy oe ;Il semble que l’on ait déshabillé Pierre pour habiller Paul en détruisant les infrastructures existantes dans le pays

firy hectare moa no efa nomena ny frantsay hamboleny sapin zay azo lazaina fa hanimba zavatra be dia be io ?? dia firy taona ny faharetan'io??? 50 taona? 90 taona ?
Tonga indray ity ny arabo zay tsy fatam-pihaviana satria na anaty net aza tsy mi-existe ireo olona mikasa oe hamokatra vary , menaka sns !
Raha tena jerevana kely anefa ny marina dia zao:

[size=60]Une fois de plus, la HAT abonde dans sa volonté de soulager le peuple. Mais les observateurs les plus avertis aimeraient connaître ce qu’il y a derrière cette offensive charme des Saoudiens qui vont vendre à Madagascar du riz à un prix 10 fois moindre par rapport à celui pratiqué dans leur propre pays. En effet, le kilo du riz coûte actuellement en Arabie Saoudite l’équivalent de 8250 Ariary. Alors que les opérateurs saoudiens en question envisagent de vendre du riz à Madagascar à moins de 40% de leur valeur actuelle. [/size]

ka mipetraka ny fanontaniana oe

Qu’y a-t-il derrière cette entrée en lice des Saoudiens dans le contexte économique malgache ?

en Arabie Saoudite, le kilo de riz est à 8250 Ariary. En somme, à moins de trouver du riz sur d’autres marchés que celui de leur pays, ces investisseurs saoudiens sont visiblement préts à vendre à perte. Pour quelle raison ?
novalian'i Noue ny 07/05/2009 19:54
2. reeves ( 07/05/2009 14:45)
Mitombina mihitsy io Noue . Raha ny lojika dia tsy misy mpandraharaha handeha hila rahaharaha ohatran`i Rainizafilemena ka hanao vente a perte . Tsy maintsy subventionné izany farafaharatsiny ireo PPN kanefa tsy ny fitondrana Saoudiana akory no hanao an`izany . Ny dikan`izany dia karazana fanadiovana vola maloto avy amin`ny drogue io ataon-dry zalahy io . Fa mety hisy tombo-tsoa hafa miafina koa ankoatran`izay ( Tany eny Nosy Be , vatosoa , ... sns ) fa saingy tsy lazaina amin`ny vahoaka ( aiza ilay hoe MANGARAHARA ! Publicité fotsiny ihany ) . Izao aza dia toa efa misy projet fanaovana biomasse ka mila tany koa izany , dia ahoana ? nefa i Daewoo ty nenjehena ? Tsikaritra fa ny hanao bizna mandritry ny Tetezamita no anisan`ny tanjon`ireto TGV ireto ary izay no antony tsy mahamaika ny hanaovan-dry zalahy fifidianana raha tsy amin`ny 2010 .
3. xxx ( 07/05/2009 15:01)
Raha azoko tsara ny hevitrareo mirahalahy dia hoe: Samy olona tsy misy ilana azy na i ravalo sy i TGV ??? Raha toa ka izay mantsy dia marina mihitsy. Ary raha toa ka tsy izay dia tena tsy mahazo teny frantsay mihitsy ny tenanay izany.
4. Noue ( 07/05/2009 15:17)
XXX a ! ilay resaka Deawoo anie ka mbola vao PROJET fotsiny eee! fa ny zava-mitranga ankehitriny dia efa nisy ny concrétisation voasoratra mainty sur fotsy ee! Iny PROJET daewoo no tena anisan'ny nanaovana coup d'état satria hono oe tsy neken'ny Malagasy vahoaka io projet io, projet fotsiny iny ary efa vita ny t@ iny, fa @ zao fotoana zao kosa dia mbola pire ny zavatra miseho satria vita zay ny sonia t@ frantsay @ fambolena sapin, ary vita omaly koa ny sonia miaraka @ arabo ka hoy aho oe il ne faut pas prendre les gens pour des prunes eee! zany oe zay saika natao hita fa tsy nety dia indreo ny hat tena manao ilay izy!!
5. xxx ( 07/05/2009 15:24)
tssssss

6. Oay ( 07/05/2009 15:31)
reeves:


Tsikaritra fa ny hanao bizna mandritry ny Tetezamita no anisan`ny tanjon`ireto TGV ireto ary izay no antony tsy mahamaika ny hanaovan-dry zalahy fifidianana raha tsy amin`ny 2010 .



Reeves a! Saika hi-scanne fotsiny za d hipitsika fa otrany mahafinaritra ana indray ilay dinika d aleo aho mba hitondra ny anjara birikiko:

_Momba ilay vary d tokony ho fantatr'isika fa anisan'ny homme d'affaire mafy be ny Saoudien, jereo ny rang ny milliardaire noho izany ny resaka commerce d angadin'ny arabo, tokony hofantatsika Malagasy ohatra fa ny arabo no anisany tonga voalohany teto amintsika ary varotra no nataony t@ izany, porofo ny fanononana ny anaran'andro Tinainy=Alatsinainy sns ...
Ny tiako lazaina d io resaka varotra io d angadin'ny arabo io noho izany d manana rélation be ry zalahy ka diso ihany ny fijerintsika raha hijanona @ ilay hoe : "Any arabie saoudite ny very zao ny kilo" déjà ny niveau de vie aloha tsy mitovy d manaraka ho azy izany ny tsy fitovian'ny pouvoir d'achat.

Aoka hofantatr'isika ohatra fa i Egypte no plus gros producteur de riz dans la région du Proche-Orient ary ireo Saoudien ireo d nilaza fa vary avy any Egypte no hamidiny eto amintsika.

i Inde d deuxième producteur mondial de riz d tadidio fa businessman anie ny Saoudien ary ny rélation ananany d gaigy be satria ry zareo manambola ka na aiza na aiza d afaka mampiasa ny volany izy.

Raha toa moa isika hiresaka indray avy eo hoe opportun ve ilay moment sa tsia d iny ady hevitra hafa fa na izany aza d misy azoko ambara,ary efa nolazaiko teto fona moa izy ity fa d averiko fotsiny é: "MBA HAHAFOHY NY ANDRO HIAINAN'ITY HAT ITY D AVELAO IZY HANAO NY ASANY HAMETRAKA ILAY REPOBLIKA VAOVAO D MIALA TEO IZY REHEFA VITA IZAY fa raha mbola manankorontana isika d tadidio fa manararaotra mangalampihinana ny Saka satria variana miady an-trano ny fianakaviana.


7. Noue ( 07/05/2009 15:40)
Oay a! raha ohatra ve ka ny vidim-bary ao dago 1500 Ariary ny kilao, @ fomba ahoana no hasahianao hivarotra io vary io à 40% latsaky ny 1500 Ariary ho an'ny firenen-kafa ?? mahazo tombony ve ianao sa maty antoka?? raha maty antoka , maninona no manao an'zao ?? @ zay ho an'ny firenan-kafa no hanaovanao an'zany ??
8. xxx ( 07/05/2009 15:54)
Tena tsy haiko ry lereto na ny teny malagasy no tsy haiko na ity teny frantsay ity.
Satria hoy i Noue hoe PROJET fotsiny anie ny an'Ing. Ravalomanana fa ny an'i Andry dia efa vita sonia. Ka amiko dia tsy hitako loatra ny mahasamihafa an'azy roa. i Ravalomanana nikasa ny hangalatra fa tsy tanteraka noho ny korontana; i Andry nahavita nangalatra satria tsy nisy nanelingelina.

Dia sahinao ve ry Noue no milaza hoe ilay olona nikasa hangalatra dia tsaratsara kokoa noho ny ilay nahavita nangalatra. Ny tsy mampitovy azy roalahy ange dia ny an-dravalo tapaka tsy fidiny fotsiny e!
9. razily2 ( 07/05/2009 16:04)
anaka isany dia tsy hitanareo ve ny maha samy hafa ireo

1- projet dewoo an i ra8 midika fa ratsy izany satria izy manompo sampy

2- projet frantsay tsara satria an i tgv izany sady ny sapin azo ho anina fa tsy katsaka toa ny an i ra8

3- ny iteret azo tao dia natao ho an i ra8 fa tsy ho an ny tgv amizao

4- ny interet rehetra miseho dia tsy azo homena ny vahoaka

Tsy tokony hitabataba mihintsy ianareo na ho gaga fa satria izay manana ny fahefana no manana ny rariny na tsy ara dalàna aza izany

vita tompoko
10. Noue ( 07/05/2009 16:16)
xxx:
Dia sahinao ve ry Noue no milaza hoe ilay olona nikasa hangalatra dia tsaratsara kokoa noho ny ilay nahavita nangalatra. Ny tsy mampitovy azy roalahy ange dia ny an-dravalo tapaka tsy fidiny fotsiny e!
tsy any mahintsiny no tiako ahatongavana ka ! ary tsy hilaza an'io velively na haka partie an'iza na iza aho eto fa izaho koa aza mametram-panontaniana oe raha nisy zavatra tsy nety nataon'ny hafa ve dia tokony ho ataon'ny hafa koa ????
miteny aho oe mbola vao projet iny daewoo iny ary iny no tena nisian'ny olona goavana teto dago, samy niarahamahita zao fa tsy raikitra iny satria projet, dia nahoana no @ zao fotoana zao natao indray io fahadisoana io?? ny anarany fotsiny no tsy mitovy fa ny tanjona dia IRAY ihany !


11. xxx ( 07/05/2009 16:35)
Noue:
raha nisy zavatra tsy nety nataon'ny hafa ve dia tokony ho ataon'ny hafa koa ????


Dia izay mihitsy ange ry Noue no mahatonga anahy miteny hoe samy tsy misy ilana azy izany izy roalahy e. Enao ihany ary dia efa mamaly azy.
12. xxx ( 07/05/2009 16:42)
raha tsy misy hilana azy roalahy dia raisin ny capsat ny fitondrana anefa izy ireo miahotra be sady matahotra

13. Noue ( 07/05/2009 17:13)
fa kosa ny tena mahasamy hafa azy oa dia ny iray PROJET(tsy tanteraka) ary ny iray kosa TENA NATAO VAO OMALY NO VITA SONIA NY MIKASIKA NY ARABO , fa ilay tany nomena ny frantsay efa 1 volana lasa izay no efa lasan-zareo io tany io !
14. ravonjison ( 07/05/2009 17:55)
Izaho kosa aloha dia tsy mamapninona ahy ny projet isankarazany raha toa hampandroso sy voalanjalanja tsara ny lafiratsiny sy ny lafitsarany. Aza adino fa matoa ny vahiny manao invesstisment ao Dago dia manantena izy ireo fa tsy maintsy mahazo tombony koa. Ny fanontaniana izany dia hoe : inona no mety ho vokatr' io projet io izao fotoana izao sy any aoriana any ? Izany hoe olona manana fahalalana mikasika izany no tokony hamaly ny fanontaniana. Ary tsy miankina mihitsy @ hoe Ravalo na I Rajoelina no nanao izany .

Fa ny tena olana hitako dia ny fihetsiky ry TGV. Io projet Daewoo io no nidradradrdadrdana sy natao argument nanaovana fanonganam-panjakana, nefa manao zavatra mitovy @ izany ihany. Midika izany amiko fa ireto TVG ireto manadala olona fotsiny, ary mieritreritra fa kentrina daholo ny olona rehetra izay manaraka ny toe-javatra no azo adaladalaina toy izao.
Izany fomba fisainana izany no tena hitako fa mbola olana ao Dago.
15. Noue ( 07/05/2009 19:30)
fa ny fanontaniana tsy nahazahoako valiny fotsiny oa dia ity ee! @ fomba ahoana moa no azo hilazanzareo oe hamisy latsaky ny 40% ny kilao ny vary nefa ny varinzareo aza mahatratra 8250 Ariary ny kilao ?? Ka raha 1500 Ariary ve ny vidim-bary 1 kilao dia mbola ho sahiny ny mivarotra azy à moins de 40% de leur valeur actuelle. ????
16. fijo ( 07/05/2009 19:46)
zavatra mitovy ireo e,ny mahasamy hafa azy fotsiny ,di any iray ravalo no nanao azy de lazain afa mivarotra tanindrazana,ary ny iray tgv de lazain afa mitady ny tombotsoam bahoaka.izay.
17. Noue ( 07/05/2009 19:54)
ravonjison:

Fa ny tena olana hitako dia ny fihetsiky ry TGV. Io projet Daewoo io no nidradradrdadrdana sy natao argument nanaovana fanonganam-panjakana, nefa manao zavatra mitovy @ izany ihany. Midika izany amiko fa ireto TVG ireto manadala olona fotsiny, ary mieritreritra fa kentrina daholo ny olona rehetra izay manaraka ny toe-javatra no azo adaladalaina toy izao.
ity aloha no hitako oe tena tsy nampitovy azy kosa eee


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.047