TIKO vaovao vita tavaratra sady morabe -50% amin tena TIKO

21. halloween ( 06/05/2009 12:48)
ary hitako ref mihinana iaorta Tiko ah lets rafaly de misy faikany fotsifotsy foan zan am farany a!! hay efa nampihinan'ilery ny tsy fihinana mihitsy ny pokn zan letieeee!!
22. Oay ( 06/05/2009 12:59)
Olona tsy d fahitako teto ity Falyfenosoa ity fa toa tena mandravarava be mihintsy an!
Tohizo ry Falyfenosoa fa ozy Pr Raoelina Andriambololona izay rehefa niresaka taminy i Oay ka nafana fo be :"TSAROVY FA RAHA VAO MIHENA IZAO HAFANAM-PO ANANANAO IZAO D TADIDIO HOE NIHAHANTIRA IZAY ENAO"
23. xxx ( 06/05/2009 13:03)
mandravarava ahoana? hay ve ohatrizao ny atao hoe mandravarava e? noheveriko fa malama vava ohatrany Richard be nefa tsy mankaiza akory fa fandriany vavany avy eo :-D :-D :-D
24. essera ( 06/05/2009 13:03)
xxx:
sakafo ve no hanambatambazana anay lele? tss, dia avy eo tsy misy miangana ny harena ankibony tany eto dago, ary ny HAT no hitango ny sôsy beuu!


Valio amim-pahalalam-pomba ry se fa aza vetavetaina ilay dinika. Mba asio hasiny sy omeo voninahitra ihany ny olona namorona an'itony na dia izay fotsiny aza. Ary ianao no toy ny vory olona vao manondrana, fa vadinao daholo ngah ny olona ato. Na ankizy aza mijery ato ka ny an-dragah tazaina am teny ratsy.

Tsy ampy solaitra
25. falyfenosoa ( 06/05/2009 13:14)
Tsy mpiasan'ny TIKO velively ny tenako, alohan'ny hihinana zavatra dia mila jerena tsara ny fangarony (ingredient), misoratra tsara eo amin'ny vatan'ny fitoerany fa misy fangaro lafarinina ny yaourt TIKO, sao hisy hilaza indray hoe mamorona.

Oay: mbola ho fantatrao eny ihany hoe iza moa 'ty tenako ity, efa nisy fotoana nanoherako ny tsy nety tamin'iny fitondrana iny ary tsy niafina fa niseho ho hitan'ny rehetra na io tamin'ny fahitalavitra, na niteny tamin'ny Radio izay afaka namoaka izany.

Ny nampalahelo dia ireo mpanao gazetin'ny MBS sy ny Vaovaontsika izay an'ny mpitondra teo aloha dia naman'ny tena ihany ary anisan'ny naka sary sy feo saingy indrisy fa tsy nahazo namoaka na kely aza.

Ampiako ihany fa fantatro tsara ny ankamaroan'ny mpiasan'ny TIKO ary efa betsaka ireo nitaraina ny tsy rariny, saingy atao ahoana moa fa dia niaritra satria aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy.

Sao ianareo mihevitra fa tezitra amiko izay mpiasan'ny TIKO na MBS mifankahita amiko, sanatria azy ireo izany, satria mahalala tsara izy ireo ny tsy rariny nahazo azy saingy tsy afa-miteny.

Fanontaniana apetraka ho an'ireo izay tena mahalala sy niaro ny fitondran'i Ravalomanana fa ara-dalàna ve ny nataon'ny Groupe TIKO ho fampanjakana ny tany tan-dalàna? Mba nahazo nanangana sendika miaro ny mpiasa ve ireo mpiasa tao amin'ny GroupeTIKO? sa dia tia kano tsy tia kano ka rehefa milaza ny tsy rariny dia roahina avy hatrany?
26. Oay ( 06/05/2009 13:22)
falyfenosoa:


Oay: mbola ho fantatrao eny ihany hoe iza moa 'ty tenako ity, efa nisy fotoana nanoherako ny tsy nety tamin'iny fitondrana iny ary tsy niafina fa niseho ho hitan'ny rehetra na io tamin'ny fahitalavitra, na niteny tamin'ny Radio izay afaka namoaka izany.



D tongava @ izay irina Falyfenosoa a! efa fantatrao fa na iza na iza MIADY @ FANDRAVANA JADONA D MIARAKA AMINY i Oay an!


27. xxx ( 06/05/2009 13:28)
de izay izany e, za kosa aloha aleoko jadona toy izay fanjakany BAROHO e :-D :-D :-D
28. pit ( 06/05/2009 13:32)
mba fantrao mou we malagasy amanarivony ange ny ol velomin'ny tiko e! iza ny orinasa malagasy namelona ol be indrindra teto,ny an'amerikanina zao subventionneny ny filière auto fa tratry ny crise financiaire,satry betsaka ny ol mety o very asa toy izany daolo ny any firenena matanjaka retra mba iarovana ny mpiasa ao aminy nareo ndray ty tô faly nefa betsaka ny malagasy tsy afaka mandoa ny ofantrano,ny jirama,ny fitsabona sns, fa izay alou de malaelo satri ny orinasa mba rearean'ny malagasy poteana, de izao de afarana daolo ny produit ppn(menaka,lafarina,dobera) dikan'izany mapaantra zany o antsika ary mamelona ny mpiasa any ivelany fa mamono ny eto
29. xxx ( 06/05/2009 13:40)
tsy takatry mpiondana TGV izany e, ny olona aza tsy anasa kou aiza ny vola hividianana anizany na ataonao 500fmg ary ny kg?
30. xxx ( 06/05/2009 13:40)
Battre rekoro mondiale @ fanapotehana ny fireneny ny mpitondra malagasy @ zao fotoana izao
31. sapele ( 06/05/2009 14:04)
Mapalaelo ny mpiasan'ny tiko fa very asa,fa adinonareo koa anie le orin'asa maro nakatony fitondran_dra8 e,sa tsy mba mapalaelo ireny,,?zay lay oe,ifandimbiasana ny fiainana e!tsy ny fimenomonomana lava akory no hampisy asa fa ny fiezahanao manokana.ary tsy ao @tiko iany no hahitana asa.
32. Oay ( 06/05/2009 14:09)
pit:


mba fantrao mou we malagasy amanarivony ange ny ol velomin'ny tiko e! iza ny orinasa malagasy namelona ol be indrindra teto,ny an'amerikanina zao subventionneny ny filière auto fa tratry ny crise financiaire,satry betsaka ny ol mety o very asa toy izany daolo ny any firenena matanjaka retra mba iarovana ny mpiasa ao aminy nareo ndray ty tô faly nefa betsaka ny malagasy tsy afaka mandoa ny ofantrano,ny jirama,ny fitsabona sns, fa izay alou de malaelo satri ny orinasa mba rearean'ny malagasy poteana, de izao de afarana daolo ny produit ppn(menaka,lafarina,dobera) dikan'izany mapaantra zany o antsika ary mamelona ny mpiasa any ivelany fa mamono ny eto



Brad a! mahandrasa fa tsy indray andro ny fanaovanjavatra.

D soa ihany fa rava iny fikasandratsin'i Ravalomanana iny fa jereo anie fa fito taona efa saika lasa mpiasany ny 10% ny mponin'Antananarivo sy Antsirabe ka raha lasa Empereur teo iny tsy zava-doza satria lasa mpiasany daholo ny Malagasy!

D aza ampitoviana @ GENERAL MOTORS i Tiko satria i GENERAL MOTORS tsy an'i Bush na Obama fa Tiko an'i Ravalomanana, d mba vakio ny critique nataon'ilay lehiben'antoko any Canada any izay momba an'ity fampifangaroana ny harenan'i Ravalomnana sy ny volampanjakana ity!

D raha mbola ampiana kely d tadidio fa t@ desambra 2008-n'ny d tsy nety ni-débloquer an'ilay 35.000.000.$ ny FMI satria tsy nazava ny fandehan'ny vola nividianana an'ilay fiaramanindina forsa hoanina iny! izany hoe ny FMI no nanomboka ny fanonganana an'i Ravalomnana an hihihi...

33. xxx ( 06/05/2009 14:11)
Mazava tsara zany zava'nisy retra zany ka tokony ho lesona naingy indrisy entin'ny valifaty foana ty fitondrana ty ka dia potehina fotsiny izao ,naninona raha navela teo dia nampandrosoiny ny fanjakana???
Raha zao lojika izao mantsy no mitohy dia izay ho avy eo dia hamotika ny mba efa najoro,dia hilentika foana i Gasikara
34. xxx ( 06/05/2009 16:24)
Raha zao lojika izao mantsy no mitohy dia izay ho avy eo dia hamotika ny mba efa najoro,dia hilentika foana i Gasikara


Fa angaha tsy efa izay ilay foto-pisainana sy tarigetran-tsika eto M/car

FIALONANA-FANIMBANA-FANDROBANA

:-D :-D :-D :-D
35. fijo ( 06/05/2009 22:04)
raha mahafaka ny fahoriann'y vahoka kosa aloha,tsy itako izay olana e.
36. razily1 ( 06/05/2009 22:35)
ary mafy vava loatra le andrywui ty an
37. bazylou ( 06/05/2009 23:47)
vive tgv!!!! :* :*
38. xxx ( 07/05/2009 00:12)
fa inona hono zany tgv tsy misy anarana hafa ve fa mbola anaran'javatra ary tsy mahagaga raha tsy mitempo le fo fa manao ny didy jadona sy mamono olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0636